Ireo Fiangonana kristianina
an'Andriamanitra
[A1]
Ny
Fitahirizana ny Finoana Kristianina [A1]
Ny Fitahirizana ny Finoana
Kristianina dia famintinana ny hevitry ny Soratra Masina (Baiboly) tahaka ny
notohanan’ireo Apostoly nandritra ny taon-jato voalohany. Maneho mazava sy
miraikitra tsara ny hevitry ny Soratra Masina (Baiboly) izany. Misy fizarana
fito ao anatin’ity Fitahirizana ity dia Ny maha Andriamanitra, ny Rafitry ny
Famonjena, ny Fampianarana mikasika ny Adidin’ny olombelona, ny Fampianarana ny
amin’ny Mesia, ny Olana momba ny Ratsy, ny Fiangonana sy ny
Fanjakan’Andriamanitra. Misy fampidirana izay manazava ny tsy fitovian’ny
Fivavahana kristianina ankapobeny ankehitriny sy ny Fivavahana kristianina
tamin’ny niantombohany. Misy ihany koa Fanampiana izay manadihady ny
firoboroboan’ny fampianaran’ireo mino ilay Andriamanitra Telo izay iray (Trinité).
Christian Churches of God
adresy mailaka
:
secretary@ccg.org
(Copyright
© 1994, 1995, 1996, 1997, 2001, 2007
Wade Cox)
(Tr. 2010, rév. 2014)
Azo adika sy zaraina maimaimpoana ity fampianarana ity raha atao
manontolo izany fa tsy misy anesorana na ovàna akory. Tsy
maintsy ampidirina ao koa ny anarana sy adiresin’ny mpanao boky
ary ny fanambarana momba ny zon’ny mpanoratra. Tsy azo itakiana
vola ny olona mandray ny boky nadika. Azo atao ihany ny mindrana
ampaha-tsoratra fohifohy ho an’ny amin’ny gazety na asa soratra
fitsikerana raha tsy manohintohina ny zon’ny mpanoratra izany.
Ity fampianarana ity
dia azo raisina eo amin’ny pejin’ny
World Wide Web :
http://www.logon.org/ et
http://www.ccg.org/malagasy/
Ny Fitahirizana ny Finoana Kristianina [A1]
Fampidirana
Toko 1.
Ny maha
Andriamanitra
1.1
Andriamanitra Ray
1.2
Jesosy Zanak’Andriamanitra
1.3
Ny Fanahy Masina
1.4
Ny Ifandraisan’i Fanahy Masina amin’i Kristy sy ny Olombelona
1.5
Ny Ifandraisan’i Kristy, Satàna sy ny antokon’ireo maro be rehetra any
an-danitra amin’Andriananitra
1.5.1
Ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Kristy
1.5.2
Ny Fampianarana mikasika ny Antikristy
1.5.3
Ny Anarana sy ny Fanapahan’Andriamanitra
Toko 2.
Ny Rafitry ny Famonjena
2.1
Ny Fahatafintohinan’ny Olombelona
2.2
Ny Famonjena ny Olombelona
2.3
Ny Baiboly dia ny Fahamarinana nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra
2.4
Ny Fibebahana sy ny Fiverenana ho amin’ny Tompo
2.5
Ny Batisa
Toko 3.
Ny Fampianarana Mikasika ny Adidin'ny Olombelona
3.1
Ny Fivavahana sy ny Fanompoana an’Andriamanitra
3.1.1
Andriamanitra Fotompivavahana sy Fanompoana
3.1.1.1
Izay Tompoina
3.1.1.2
Izay Ivavahana
3.1.1.3
Ny Fivavahana irery sy miaraka amin’ny be sy ny maro ho an’ny Olona hafa
3.2
Ny Fifandraisan’ny Famonjena sy ny Lalàna
3.2.1
Andriamanitra no Vatolampintsika
3.2.2
Ny Famonjena azo amin’ny Fahasoavana
3.2.3
Ny zavatra tsy maintsy atao ao amin’ny Lalàna
3.2.3.1
Inona no antony itandreman’ ny Kristiana ny Lalàna ?
3.2.3.2
Ny maha Tempolin’Andriamanitra ny Kristianina
3.2.4
Ny Didy Folo
3.2.5
Ny Lalàna Sasany Mandidy ny fitondratenan’ny Olombelona
3.2.5.1
Ny Lalàna amin’ny Fihinana
3.2.5.2
Ny Sabata
3.2.5.3
Ny voalohambolana
3.2.5.4
Ny Andro Masina Isantaona
3.2.5.5
Ny Fanambadiana
3.2.6
Ny Fitondràna ny Vola
3.2.6.1
Ho an’ Andriamanitra
3.2.6.2
Ho an’ny Olona Hafa
3.2.7
Ny Amin’ny Ady sy ny Latsa-bato
3.2.7.1
Ny Ady
3.2.7.2
Ny Latsa-bato
Toko 4.
Ny Fampianarana ny amin’ny Mesia
4.1
Ny fisian’i Kristy rahateo
4.2
Ny Fanomboana ny Mesia amin’ny Hazo fijaliana sy ny Fitsanganany tamin’ny
maty
4.3
Ny Fihaviana Faharoan’I Kristy
4.4
Ny Fanjakan’I Kristy mandritra ny Arivo taona
Toko 5. Ny Olana momba ny Ratsy
5.1
Ny Fisian’ny Ratsy noho ny Fionjónanan’ireo maro be rehetra any an-danitra
5.2
Ny Fampianarana ny amin’ny Fitendrena Rahateo
5.3
Ny Toetran’ny Olona efa Maty
5.4
Ny Fitsanganana amin’ny Maty
5.5
Ny Famaizana ny Ratsy fanahy
Toko 6.
Ny Fiangonana
6.1
Iza na Inona ny Fiangonana ?
6.2
Ny Fandaminana ny Fiangonana
6.3
Ny Fikendren’ny (na tanjona) Fiangonana sy ny asan’ny Fiangonana
6.4
Ny Fahamasinana
Toko 7.
Ny Fanjakàn’Andriamanitra
7.1
Ny Fametrahana ny Fanjakàn’Andriamanitra
7.1.1
Ny Fanjakàna ara-panahy
7.1.2
Ny Fanjakàn’i Kristy Arivo taona
7.1.2.1
Ny Fiverenan’i Mesia
7.1.2.2
Ny Famoriana an’ny Israëly
7.1.2.3
Ny Andron’ny Tompo
7.1.3
Ny Fanjakàn’Andriamanitra Mandrakizay
7.1.3.1
Ny Fiavian’ny Andriamanitra
7.1.3.2
Ny Tany vaovao sy ny Jerosalema vaovao
7.1.3.3
Ny Nanendrena ny Olombelona
Fampidirana
Mandritra ny taonjato fito amby folo, ny Fivavahana Kristianina niraikitra
amin’ny fatao momba ny teolojia miankina amin’ny filozofian’i Grika sy ny fatao
mifandray amin’ny fandinihana vaovao ny fampianaran’i Platon. Ny hafatry ny
Soratra Masina milaza tsotra hoe : Andriamanitra dia Iray ihany fa tsy telo, sy
ny firaiketan’ny fanambarana nataon’Andriamanitra amin’ny Olombelona ao
anatin’ny Testamenta roa, dia novàna sy nohamaizinina mba hitadiavana ny
fahefana sy ny fanapahana an’izao tontolo izao izay fantatra tamin’izay.
Ny
vokatr’izany dia izay no rafitra fantatra naorina tao amin’ny Konsily (Fivorian’ny
Eveka) tany Nicée (tamin’ny taona faha 325 nandritra ny Andro Kristiana (A.K.)),
tany Laodicée (tokony ho tamin’ny taona 366 A.K.), tany Constantinople (tamin’ny
taona faha 381 A.K.) sy tany Chalcédoine (tamin’ny taona faha 451 A.K.).
Izany Fandaharana izany dia nanova ny fahalalàna ny amin’Andriamanitra
manaraka ny métaphysique sy nahatonga
ny fampianarana ny amin’Andriamanitra Telo Izay Iray. Ny Konsily ny Laodicée (Kanona
faha 29) nilaza ny fanoherana ny fanarahana ny andro Sabata raha tsy izay
hosaziana ny manaraka ny andro Sabata, sady nampiditra sy nanaiky ny fetin’ny
Jentilisa, nampiditra ny fanajàna ny andro Alahady hatramin’ny fetin’ny
Masoandro amin’ny volana Desambra, sy nampiditra ny Paska [Paska ny Jentilisa
Easter/Pâques] nanoloana ny Paska [Paska ny Soratra Masina].
Ny zavatra hafa novàna koa dia ny fomba fahalalàna ny fatao momba ny
Soratra Masina sy ny fomba fiheverana ny Lalàna. Ny Lalàna nomena an’i Mosesy
dia natao hoe nesorina, sy ireo teny ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao dia
novàna vaovao ny fiheverana mba hanamarinana ny fomban’ny Jentilisa.
Ohatra,
ny Lalàna ny amin’ny Hanina noheverina hoe nesorina noho ny fahadisoan’ny
fahazahoana ny Asan’ny Apostôly toko faha 10 sy ny teny ao amin’ny Soratra
Masina hafa. Ny fiantraikan’izany eo amin’ny fahasalaman’ny Olombelona dia eo
noho eo. Kanefa, ny hevitra alaina amin’ny hafaran’izany eo amin’ny tontolo
iainana dia vao tena hita roa arivo taona taty afara. Ny fahataperan’ny
fitohizan’ny fisakafoanan’ny zava manan’aina rehetra eto amin’izao tontolo izao,
dia vokany, amin’ny hankabiazany, amin’ny fisakafoanana ny hanina fady araka ny
Lalàn’ny Soratra Masina.
Ny
fahasimbàn’ny tany fambolena dia tonga avy amin’ny tsy fanarahana ny fatao momba
ny jobily sy ny momba ny sabata ny amin’ny tany, satria izany miraikitra amin’ny
Alimanàka miankina amin’ny fitsingerenan’ny volana isakiny sivy amby folo taona.
Ny fampidirana ny Alimanàka ny masoandro dia tena lehibe indrindra amin’ny
fanimbàna ny fahaizana ny amin’ny fianarana sy ny fitsingerenana
napetrak’Andriamanitra ho firindran'ny zavatra àry rehetra.
Ny
fivavahana kristianina vao haingankaingana, amin’ny ankapobeny, dia tsy misy
fitoviana firy raha tsy izany tsy misy fitoviana mihitsy amin’ny fivavahana
kristianina tamin’ny fiantombohany. Ny fiakaran’ny fivavahana Silamo sy ny ady
nanaraka an’izany dia tonga noho ny fanaony Kristianina sandoka tany Eoropa sy
ny Azia andrefana araka ny teolojia Grika nampiasa ny teolojia Kapadosy izay
miankina amin’ny fampianarana an’Andriamanitra Telo izay Iray, no sady nanohatra
ny fanakambàna misy tandindona amin’Andriamanitra sy mitovy amin’Andriamanitra.
Ny
fatao ny amin’Andriamanitra Telo Izay Iray dia tsy mandeha tsara. Ny
fiantraikan’io fampianarana diso io mandritra ny taonjato fitoambin’ny folo dia
ny fandringàna ny planeta (tany rehetra) sy ny fanenjehana ny olona miezaka
mitondra tena tsara manaiky ny Lalàna ao amin’ny
Soratra Masina.
Ny
antony nanoràtana an’ity boky ity dia hampiavaka, sy hampahalalana mazava tsara
indrindra sady tsotra indrindra, ny hafatra natao voalohany voasora ao amin’ny
Soratra Masina sy ny Fiangonan’ny Testamenta vaovao ambanin’ny fitarihan’i
Jesosy Kristy sy ny apostoly. Marina tokoa fa ny anganongano betsaka tsy foy ho
hampitahana sy horavàna arakan’ny zavatra lazaina ao anatin’ny ity Boky ity. Ity
Boky ity dia nosoràtana, araka ny azo atao, ho zavatra mitohitohy lazain’ny
Soratra Masina na fivoasanteny izay misy lahasoratra fanamafisana ny zavatra
lazaina. Ary amin’izay, rehefa vita vaky tanteraka ity boky ity, dia hojerena
ity boky ity tsy ho teny misy hevitra roa ary nokendrena ho mazava tsara. Rehefa
azo atao, dia ny lahasoratra rehetra mikasika ny zavatra dinihina lazaina eto
mba handositra ny fanao mahazatra maka teny any ivelan’ny teny mitohy na maka
teny lahasoratra izay ratsy fivoasana. Misy lahasoratra sasany dia hevi-diso
miharihary (ohatra : 1Jaona 5:7 KJV ; 1Timoty 3:16 KJV ao amin’ny codex A) na
fandikàna diso (1Korintianina 15:28 RSV etc. ; Apokalipsy 3:14 NIV ampovoan’ny
sasany) noforonina mba handàna ny lahasoratra mifanekitra, na hanaratsiana ny
famoaboasana ny lahasoratra, hanehoana ny fanohanana ny fataon’ny Kapadosiana na
ny Andriamanitra Telo Izay Iray rehefa dinihina ivelan’ny teny mitohy.
Rehefa
miverina indray ilay Mesia, dia hampiditra ny ankapoben’ny fataon’ny Lalàna Izay
nomeny an’i Mosesy tao amin’ny tembohitra Sinay. Ny tsy maintsy ataon’i
Kristianina tsirairay dia manavaka sy manaraka ny fatao amin’ny fiainana sy ny
fanompoana napetrak’Andriamanitra ao anatin’ny Soratra Masina. Tsy maintsy
mankatahaka ny fomba fiainan’i Jesosy Kristy ny Kristianina sy miaina mifanaraka
amin’ny fatao izay nampidirin’i Kristy sy narahany tamin’izy Olombelona sy
talohan’Izy tonga tamin’ny nofo. Ity asa ity dia
natokana hamokarana ny fanao ankapobeny hahavoafotopototra tsara sy ny
ahazahoana mamantatra tsara mba hahafàhana manary ny fanao diso izay nisy
mandritra ny fito amby folo taonjato. Ity asa ity dia natokana hamokarana koa ny
fomba voalohany sady marina mba hofantarina sy hotanterahana amin’ny fiainan’ny
Olona rehetra na inona na inona no nataony taloha. Ny asanay dia miantso ny
Olona amin’ny fibebahana sy ny fiainana vaovao.
Toko 1
Ny maha Andriamanitra
1.1
Andriamanitra Ray
Ny
Andriamanitra ambony indrindra eto amin’izao tontolo izao dia Andriamanitra. Izy
no Tsitoha, Mpahary sy Mpanohana ny lanitra, ny tany sy
ny zavatra rehetra ao aminy (Genesisy 1.1 ; Nehemia 9:6 ; Salamo 124:8 ; Isaia
40:26,28 ; 44:24 ; Asa 14:15 ; 17:24-25 ; Apokalipsy 14:7).
Izy irery ihany no tsy mety
maty (1Timoty 6:16).
Izy
no Andriamanitsika sy Raintsika sy Andriamanitr’i Kristy sy Rain’i Kristy (Jaona
20:17). Izy no Andriamanitra Avo
Indrindra
(Genesisy
14:18 ; Nomery 24:16 ; Deotoronomia 32:8 ; Marka 5:7)
sy Ilay Hany
Andriamanitra Marina (Jaona
17:3 ; 1Jaona 5:20).
1.2
Jesosy Zanak’Andriamanitra
Jesosy
no lahimatoa (prototokos)
talohan’izao zavatra ary rehetra izao (Colosiana 1:15) ary koa noho izany, Izy no niandohan’izao (arche) zavatra noharin’Andriamanitra izao
(Apokalipsy 3:14). Izy no hany Zanak’Andriamanitra (monogene) nateraka (Matio 3:17 ; Jaona 1:18 ; 1Jaona 4:9), torontoronin’ny Fanahy Masina tao an-kibo sy naterakin’ny virjina, Mariam
(Lioka 1:26-35). Izy no Kristy na Mesia
(Matio 16:16 ; Jaona 1:41), nirahin’Andriamanitra ho Mpamonjy antsika sy
ho Mpanavotra antsika (Matio 14:33 ; Jaona
8:42 ; Efesiana 1:7 ; Titosy 2:14). Izy natao hoe Zanaky ny Andriamanitra Avo Indrindra
(Marka 5:7). Izy no notendrena Zanak’Andriamanitra tamin-kery araka ny
Fanahy ny fahamasinana tamin’ny fitsanganany tamin’ny maty (Romana 1:4). Ny seza
fiandrianan’i Davida nomena Azy mba hanjakany amin’ny Taranak’i Jakoba
mandrakizay ary ny Fanjakany tsy hanam-pahataperana (Lioka 1:32).
1.3
Ny Fanahy Masina
Ny
Fanahy Masina (Asa 2:4) dia ny maha-izy na ny herin’Andriamanitra izay
nolazain'i
Kristy
hirahiny amin’ny olom-boafidy (Jaona 16:7). Tsy olona ny Fanahy Masina fa
fanitaran’i hery velon’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no alalana izay mahatonga
antsika mpiray amin’ny Fomban’Andriamanitra (2Petera 1:4), feno ny Fanahy Masina
(Asa 9:17 ; Efesiana 5:18) ary noho izany, Zanak’Andriamanitra ny
olona
rehetra (Joba
38:7 ; Romana 8:14 ; 1Jaona 3:1-2) sy mpiray lova amin’i Kristy (Romana 8:17 ;
Galatiana 3:29 ; Titosy 3:7 ; Hebreo 1:14, 6:17, 11:9 ; Jakoba 2:5 ; 1Petera
3:7). Ny Fanahy Masina dia omen’Andriamanitra ho an’izay mangatak’Aminy (Lioka
11:9-13) sy
manaiky Azy, ary ny Fanahy Masina mitoetra ao amin’izay mitandrina ny
didin’Andriamanitra (1Jaona 3:24 ; Asa 5:32). Ny Fanahy Masina no mpananatra
izay mitondra ny mpanompon’Andriamanitra ao amin’ny fahamarinana (Jaona
14:16,17, 26). Ny Fanahy Masina manome hery
hijoroana vavolombelona (Asa 1:8). Ny Fanahy Masina manome fanomezampahasoavana
araka izay voasoratra ao amin’ny 1Korintiana 12:7-11 ary ny Fanahy Masina manana
vokatra izay voalaza ao amin’ny Galatiana 5:22–23 izay nomena tsy misy fetra
(Jaona 3:24 RSV ; Romana 12:6). Izany no fomba hahafahan’Andriamanitra mba ho
zavatra rehetra
amin’ny olona rehetra (1Korintiana 15:28 ; Efesiana 4:6).
1.4
Ny ifandraisan’i Fanahy Masina
amin’i Kristy sy Olombelona
Ny
Fanahy Masina miasa alohan’ny batisa. Ny Fanahy mitondra ny olona tsirairay amin’Andriamanitra amin’ny
alalan’i Kristy (Hebreo 7:25).
Ny
vokatry ny Fanahy voalohany dia nomena ny olona tsirairay eo amin’ny fanaovana
ny batisa araka ny voasoratra ao amin’ny Romana 8:23, izay milaza mazava tsara
fa ny fananganan’anaka dia hisy
amin’ny, fa tsy alohan’ny fanavotana ny
tena.
Amin’izany,
nateraka indray [na
nateraka avy any ambony] isika saingy mitohy isan’andro ny fitomboantsika ao
anatin’ny Fanahy ao amin’i Jesosy Kristy mandram-pidirantsika ao amin’ny
voninahitr’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina dia ny Fanahy ny Fahamarinana (1Jaona
4:6, 5:6) ary, raha milaza ny Marina amin’ny zavatra rehetra isika, dia mitombo
amin’ny zavatra rehetra ho amin’izay Loha dia Kristy
(Efesiana 4 :15). Ny Fanahy Masina no Fanahin’Andriamanitra (Romana 8:14) sy
Fanahy ny finoana (2Korinitiana 4:13)
izay mamantatra ny zavatra rehetra sy mahalala ny zavatra rehetra (1Korintiana
2:10-11, 12:3 ff.).
Tahak’izany, ny Fanahy Masina tsy manana endrika mitokana ao anatin’ny
Andriamanitra misy ilany telo fa ny Fanahy Masina no alalana izay hahatonga
antsika elohim [andriamanitra]
(Zakaria 12:8). Ny Fanahy mitondra amin’Andriamanitra ny fahafantarana ny
fisainantsika sy ny fisiantsika hiany. Ny Fanahy Masina naidina tamintsika
tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mpanalalan-tsika sy mpanelanelan-tsika elohim
na theos (Salamo 45:6-7, Zakaria 12:8, Hebreo 1:8-9), ny Fanahy Masina mamela
an’i Kristy hanampy antsika, hampianatra sy mampahatanjaka antsika sy mamela
antsika hampiasa ny fahefan’Andriamanitra. Ny Fanahy manome any tsirairay ny
fomba izay irin’Andriamanitra ho fanasoavana ny vatana araka ny voasoratra ao
amin’ny 1Korintiana 12:7-11.
Afaka mamono ny Fanahy (1Tesalonisiana
5:19) isika raha manao tsirambina azy na mampalahelo azy (Efesiana 4:30) ary
tahak’izany manaiky ny tombony sy ny fatiantoka ho any tsirairay.
Ny vokatry ny Fanahy Masina dia ny fitiavana ao amin’ny
Galatiana 5:22. Noho izany, raha tsy mifankatia isika, dia tsy miharihary ny
Fanahy.
Ny
Fanahy no alalana ahazahoantsika mivavaka amin’Andriamanitra araka voasoratra ao
amin’ny Filipiana 3:3. Noho izany, tsy Andriamanitra ny Fanahy, ary noho izany
koa tsy zavatra azo ivavahana,
koa amin'izany,
tsy mitovy amin’Andriamanitra Ray. Ny Fanahy dia hery manome fahefana an’i
Kristy.
Tahak’izany, Kristy dia
Rain’ny
mandrakizay (Isaia 9:6) izay ahazoan’ny
fianankaviana rehetra any an-danitra
si etý an-tany anarana.
Kristy tonga
Rain’ny Mandrakizay, amin’ny fanomezana azy fahefana.
Ireo fianankaviana rehetra ireo
nomena anarana araka an’Andriamanitra Ray ary izany no
iandohalehantsika amin’Andriamanitra Ray, sady ivavahantsika Aminy (Efesiana
3 :14-15).
Kristy no lahimatoa
talohan’izao zavatra ary rehetra izao. Fa tao aminy no nahariana ny zavatra
rehetra any an-danitra sy etý ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na
fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana ; izy no nahariana ny
zavatra rehetra sady ho azy izany.
Ary izy no talohan’ny zavatra rehetra sady ao
aminy no aharetan’ny zavatra rehetra (Kolosiana 1:16-17). Fa Andriamanitra no
niteraka azy ary sitrak’Andriamanitra ho ao amin’i Kristy ny mampisy ary ny
aharetan’ny zavatra ary rehetra izao. Noho izany, Kristy dia tsy Andriamanitra
tahaka ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra Ray sy ny maha tsy mety maty
an’Izy irery ihany (1Timoty 6:16) sy ny maha velona Azy mandrakizay.
Ny Kristianina nantsoina hiala
amin’izao tontolo izao ho amin’ny fiainana fanompoana sy fikelezana aina.
Maro no antsoina fa vitsy no fidina (Matio 20:16,
22:14). Ny Kristianina no olom-boafidy, tahaka an’i Kristy,
voafidin’Andriamanitra (Lioka 23:35). Ny olom-boafidy dia voafidin’i Kristy
(Jaona 6:70, 15:16, 19), eo ambany fitondràn’Andriamanitra (1Petera 2:4).
Ho
fanampiana ny Fiangonana, ny olom-boafidy izay Fiangonana, na ecclesia, dia
nandray ny fahafantarana ny misterin’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no alalana
nahatonga ny fanomezana ny fahalalana ny
zava-miafina izay an'Andriamanitra
sy ny Fanjakàn’Andriamanitra ho an’i olom-boafidy (Marka 4:11). Fa ny
fahendren’Andriamanitra nolazaina amin’ny zava-miafina
(1Korintianina 2:7),
izay hazavain’ny mpanompon’Andriamanitra (1Korintianina 2:7, 15:51). Fa ny
sitrapon’Andriamanitra dia nohazavaina tahaka ny
zava-miafina
(Efesiana 1:9) izay nomen’Andriamanitra ny Mpanompony amin’ny fanambarana. Ary
koa, Kristy amin’ny alalan’ny olom-boafidy, dia mpitandrina ny
zava-miafina.
Paoly nanoratra :
...
raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho
anareo. Fa fanambarana no nampahafantarako(na)
ny zava niafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny
fahafantarako ny zava-niafina ny amin’i Kristy. Izy tsy mbola nampahafantarina
ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran’ny Fanahy
ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminanin’i Kristy. Io zava-niafina
io, dia ny ahatongavan’ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho
mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny Filazantsara
(Efesiana 3:2-6)
1.5
Ny ifandraisan’i Kristy, sy ny
antokon’ireo maro be rehetra any an-danitra amin’Andriamanitra
Misy
maha izy maro maro voalaza ao aminy Soratra Masina atao hoe Elohim na Theoi,
izany hoe, raha adika,
andriamanitra. Kristy anisan’ireo maha izy ambany fahefana izay voalaza ao
amin’ny Testamenta Taloha tahaka Elohim (Zakaria 12:8). Kristy voatendry, ao
amin’ny Testamenta Vaovao, Kintana
Fitarik’andro amin’ny fiverenany
etỳ ambonin’ ny
tany
etỳ.
Hizara io filaharana io amin’ny olom-boafidy izy (Apokalipsy 2 :28, 22:16).
Fantatra ao anatin’ny Soratra Masina fa Andriamanitra dia Andriamanitr’i Kristy
sy Rain’i Kristy (avy amin’ny Romana 15:6 ; 2Korintiana 1:3, 11:31 ; Efesiana
1:3, 17 ; Colosiana 1:3, Hebreo 1:1 ff. ; 1Petera 1:3 ; 2Jaona 3 ; Apokalipsy
1:1, 6 ; 15:3).
Azon’i Kristy tamin'ny
fandidian’Andriamanitra Ray ny fiainany sy ny heriny ary ny fahefany
(Jaona 10:17-18).
Kristy
mametraka ny sitrapony ambany fifehezan’ny sitrapon’Andriamanitra, izay ny Ray
(Matio 21:31, 26:39 ; Marka 14:36 ; Jaona 3:16, 4:34). Andriamanitra nanome an’i
Kristy ny olom-boafidy ary Andriamanitra dia lehibe noho Kristy (Jaona 14:28)
ary dia lehibe noho izy rehetra (Jaona 10:29). Tahaka izany Andriamanitra
naniraka ny ilay hany Zanani-lahy nateraka (monogene) tamin’izao tontolo izao mba hahavelona antsika aminy
alalany (1Jaona 4:9).
Andriamanitra no mankalaza an’i Kristy (Jaona 8:54),
satria Andriamanitra ambony noho Kristy (Jaona 14:28).
Andriamanitra no Vatolampy (sur) tahaka ny Fihadiam-bato na Tendrombohitra, izay nohavian’izy
rehetra, ny vatoafon’i Josoa 5:2 izay namora an’i Israely, izay fototra
voalohany sy mahomby (Deotoronomia 32:4). Andriamanitra no Vatolampin’i Israely,
Vatolampy Famonjena azy (Deotoronomia 32:15), Vatolampy nitondra azy
(Deotoronomia 32:18, 28-31). 1Samoela 2:2 manambara fa ny Andriamanintsika dia
Vatolampintsika, Vatolampy mandrakizay (Isaia 26:4). Tamin’io Vatolampy io no
nakana an’izy rehetra, anisan’izany ny taranak’i Abrahama ampinoana (Isaia
51:1-2). Ny Mesia nalaina tamin’io Vatolampy io (Daniela 2:34, 45) mba
hampanaiky ny firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao.
Andriamanitra no Vatolampy na fototra izay nametrahana ny fanorenana
ary eo amboniny no nanorenan’i Kristy ny Fiangonany (Matio 16:18) ary eo
amboniny no itoerany. Ny Mesia no
Vato Fehizoron’ny Tempolin’Andriamanitra, ary ny olom-boafidy no
Naos na izay masina indrindra,
fitahirizan’ny Fanahy Masina. Ny vato rehetra amin’io Tempoly io dia nalaina
tamin’ny Vatolampy izay Andriamanitra, tahaka an’i Kristy, vatolampy fanahy
(1Korintiana 10:4), vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka (Romana 9:33)
hanaovana ny Tempoly.
Kristy
manorina ny Tempolin’Andriamanitra mba ho zavatra rehetra ao amin’izy rehetra
Andriamanitra (Efesiana 4:6). Andriamanitra nanome an’i Kristy mba ho zavatra
rehetra amin’izy rehetra (panta kai en
pasin, Kolosiana 3:11) ary
nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony ny zavatra
rehetra (1Korintiana
15:27),
ka nanao azy ho lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny Fiangonana izay
tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra
(Efesiana 1:22-23).
Raha Andriamanitra no nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’i
Kristy, dia fantatra marina fa tsy isan’izany Andriamanitra, satria
Andriamanitra no nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongon’i Kristy
(1Korintiana 15:27).
Rehefa ny zavatra rehetra nampanekena ho eo ambanin’i Kristy, dia ny tenan’i
Kristy koa aza no hanaiky an’Andriamanitra izay nampanaiky ny zavatra rehetra
azy mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra (panta en pasin 1Cor. 15:28 tsy mitovy amin’ny RSV)
Andriamanitra. Amin’izany, ny fampianarana nataon’i Platon, izay
nanohatra nanakambana Andriamanitra sy Kristy ao anatin’ny Andriamanitra Telo
izay Iray dia manohitra ny Soratra Masina. Kristy hipetraka eo
ankavanan’Andriamanitra, amin’ny
alàlan’ny fandidian’Andriamanitra (Hebreo 1:3,13, 8:1, 10:12, 12:2; 1Petera
3:22), ary Kristy hizarana
ny seza fiandriananan’Andriamanitra tahaka ny olom-boafidy izay hizara seza
fiandrianana izay nomena an’i Kristy (Apokalipsy 3:21). Io seza fiandrianana io
dia seza fiandrianan’Andriamanitra
(Salamo 45:6-7 ; Hebreo 1:8) na koa Andriamanitra dia ny seza fiandriananao nadika hoe
Ny seza finadriananao, Andriamanitra ô
(jereo ny fivoasana ao amin’ny annotated RSV).
Andriamanitra izay maniraka dia lehibe noho izay nirahiny (Jaona 13:16),
satria ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony (Jaona 15:20).
Satàna nihaika an’i Kristy ao an’efitra, fa ny tena izy, ny fitsarana an’i
Satàna nanomboka tao. Satàna, izay Kintana
Fitarik’andro, Izay Lucifer na
Mpitondra ny Fahazavana an’ity planeta
ity (Isaia 14:12) tahaka mpiandry sy mpampianatra ity planeta ity, dia, marina
tokoa, fa anisan’i Elohim eo ambany fifehezan’Andriamanitra Ray.
Kristy no tokony ho ilay Kintana miseho avy amin’i
Jakoba (ao amin’ny Nomery 24:17). Tahak’izany, voasoratra ao amin’ny Boky
rehetra nosoratan’i Mosesy fa iray amin’ny Kintana Fitarik’andro izay nanatrika
ny fahavitàn’ny planeta (ao amin’ny Joba 38:7), iray amin’i elohim, izay tsy
maintsy ho tonga olombelona solofon’i Jakoba, ary tsy maintsy hateraka avy
amin’ny taranak’i Davida (Apokalipsy 22:16).
Io elohim io izay fantatsika fa Jesosy Kristy dia mbola
tsy natao Kintana Fitarik’andron’ity planeta ity. Io
laharana io dia an’i Satàna (avy amin’ny Isaia 14:12 sy Ezekiela 28:2-10).
Kristy no nohosorana ho ilay elohim-n’i Israely avy amin’ny Salamo 45:7
sy nohosorina ho ambony ny namany na ny piara-miasa. Fa ny tena izy, Kristy tsy
nanana toerana ho Kintana Fitarik’andro ary tsy afaka manao ny asa mifanaraka
amin’izany alohan’ny fihavian’ny Tompo faharoa. Io filaharana io sy ireo fiasana
ireo dia hozaraina amin’i Kristy sy ny olom-boafidy izay manana ny toetra maha
Kintana Fitarik’andro an’i Kristy ao anatin’ny fony (nadika
Kintan’ny maraina ao amin’ny 2Petera
1:19). Ny olom-boafidy manana ny
fametrahan-teny hizara io hery io araka
ny voasoratra ao amin’ny Apokalipsy 2:28.
Satàna, noho izy Kintana Fitarik’andro, dia nihaika ny Andriamanitra Avo
Indrindra na Andriamanitra Ray araka ny voasoratra ao amin’ny Isaia 14:12.
Satàna nanohatra nanandratra ny seza fiandrianany, seza
fiandrianan’Andriamanitra, ambonin’ny kintana rehetran’Andriamanitra na ny
Fivorian’ny Elohim. Io Fivoriana io no fiangonan’ny Elohim na
Fiangonan’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Salamo 82:1. Marihina
amim-pitandremana fa Irenæus (Irénée), mpianatry Polycarpe, mpianatry Jaona,
nino fa ny Salamo 82:1 dia mifandray amin’i
Theoi na
andriamanitra maro, teny milaza ny
maha olom-boafidy koa, izany hoe, ireo
izay natsangana ho zanaka (Against Heresies, Livre 3, Chap. 6,
ANF, Vol. 1, p. 419).
Misy maro ny Zanak’Andriamanitra, (Joba 1:6, 2:1, 38:7 ; Salamo 86:8-10,
95:3, 96:4, 135:5) izay fantatra fa hoe Bene Elyon
na Zanaky ny Avo Indrindra.
Ny olom-boafidy olombelona dia voaisa miaraka amin’ny ireo marobe rehetra any
an-danitra tahaka ny Zanak’Andriamanitra
(voasoratra ao amin’ny Romana 8:14). Arak’izany, Kristy sy ny olom-boafidy
Zanak’Andriamanitra dia iray amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,
notendreny hatramin’ny nanaovana
izao tontolo izao. Kristy nametraka
ny heriny mba ho tonga olona. Noho izany, Kristy sy ny olom-boafidy, dia tonga
Zanaka tamin-kery araka ny Fanahin’ny fahamasinana tamin’ny fitsanganana
tamin’ny maty (Romana 1:4).
Asa 7:35-39 manambara fa anjely no niseho sy niteny
tamin’i Mosesy tao Sinaï ary io Anjely io dia Kristy. Ao amin’ny Galatiana 4:14,
Paoly nilaza hita tahaka ny anjelin’Andriamanitra izy, tahaka an’i Jesosy
Kristy.
Ary ho tonga tahaka ny anjely koa isika (Matio 22:30),
tahaka laharana iray na isaggelos (avy
amin’ny Lioka 20:36), satria mpiray lova amin’i Kristy (Romana 8:17 ; Galatiana
3:29 ; Titosy 3:7 ; Hebreo 1:14, 6:17, 11:9 ; Jakoba 2:5 ; 1Petera 3:7). Ny
Testamenta Taloha mamantatra ny Anjelin’i YHVH tahaka Yahovah sy Elohim
(Eksodosy 3:2, 4-6 izay maneho fa ny Andriamanitra na ny elohim eo dia anjely ;
cf. Zakaria 12:8).
Salamo 89:6-8 manoro fa misy Fivorian’ny Masina (qedosium na qadoshim,
azo ampiasana koa ho an’ny olombelona) izay misy fivoriana ao anatiny sy
fivoriana ivelany. Fantatra fa Fivorian’ny Élohim-ny Fahamarinana any an-danitra
io.
1.5.1
Ny maha Zanak’Andriamanitra an’i
Kristy
Satàna
nanohatra naka fanahy an’i Kristy amin’ny fomba maro. Voalohany, Satàna niteny
fa Kristy Zanak’Andriamanitra (ao amin’ny Matio 4:3, 4:6 ; Lioka 4:3). Ny devoly
koa nilaza fa Kristy Zanak’Andriamanitra (ao amin’ny Matio 8:29 ; Lioka 4:41 ;
Marka 3:11). Satàna naniry ny hanaporofoan’i Kristy ny maha Zanak’Andriamanitra
azy amin’ny fampisehoana ny heriny, satria araka ilay efa
nolazain’Andriamanitra, hankininy amin’ny Anjeliny i Kristy (ao amin’ny Salamo
91:11-12).
Amin’izany, Satàna niniana tsy niteny
mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao ary nampiany
na
oviana na oviana. Amin’izany, Satàna, amin’ny fanamaizina ny Soratra Masina, nanohatra
hanala ny ain’i Kristy.
Kristy tsy nanitsy an’i Satàna sy ny devoly rehefa
nilaza ireo fa Zanak’Andriamanitra izy, ary koa izy ireo tsy nilaza fa
Andriamanitra izy. Marina tokoa fa tsy misy devoly na iray aza nanohatra nilaza
marimarina fa Kristy dia Andriamanitra Avo Indrindra afa-tsy aorianan’ny
nahafatesan’i Kristy, mba hametrahan’i Satàna ny fampianarana milaza fa Kristy
dia Andriamanitra tahaka ny maha Andriamanitra an’i Andriamanitra Ray, ary
amin’izany manatanteraka, tao aoarian’ny fahafatesan’i Kristy, ny famitahana
izay notoherin’i Kristy tamin’izy mbola velona. Ao anatin’ny fanalam-panahy
tsirairay, Satàna nikasa ny handravany ny faneken’i Kristy an’Andriamanitra ary,
amin’izany, handravany ny Soratra masina. Satàna naniry ny hotompoin’i Kristy.
Satàna nilaza tamin’i Kristy fa raha manompo azy Kristy dia homeny fahefahana
amin’izao tontolo izao amin’izay fotoana
izay.
Kristy tsy nandà ny fahefan’i Satàna hanome azy ny fahefana ety ambonin’ny tany
na koa ny maha Mpanjaka an’i Satàna.
Fa kosa Kristy namaly hoe :
...
fa voasoratra hoe : Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany
no hotompoinao.
Kristy tsy nilaza tamin’i Satàna hoe tokony hanompo an’i
Kristy izy, fa nampahatsiaro an’i Satàna ny Lalàna izy.
Kristy tsy nilaza na oviana na oviana mandritra ny asany hoe
Andriamanitra izy. Kristy nilaza hoe Zanak’Andriamanitra izy. Izany no antony
no nizaha ny toetra azy.
Araka
ny voasoratra ao amin’i Matio 27:43,
Natoky an'Andriamanitra izy, aoka izy hamonjy
Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy:
'Zanak'Andriamanitra
Aho'.
Teto
Kristy no nitaraina mafy mba hanatanterahana ny voasoratra ao amin’ny Salamo
22:1
Andriamanitra ô,
Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao ?
Mazava tokoa fa Kristy tsy nanao ny tenany ho Andriamanitra. Ny fanoroan-kevitra
ny amin’ny hoe Kristy anisan’ny tapany mitovy amin’ny maha izy iray izay
antsoiny, tapany izay tsy miraika, dia
donto saina.
1.5.2
Ny fampianarana mikasika ny
Antikristy
Ny
fampianarana mikasika ny Antikristy dia voasoratra ao amin’ny 1Jaona 4:1-2. Ny
lahatsoratra taloha marina ho an’ny 1Jaona 4:1-2 dia namboarina avy amin’i
Irenæus
(Irénée), Toko. 16:8 (ANF,
Vol. 1, naoty. p 443).
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra
: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy
amin'Andriamanitra ;
ary ny fanahy rehetra izay mampisaraka an'i Jesosy
dia tsy mba avy amin'Andriamanitra fa avy
amin’i antikristy.
Socrate, historiana, nilaza (VII, 32, p. 381) fa io teny io novan’ireo izay tia
hampisaraka
ny maha olombelona an’i Jesosy Kristy sy ny maha andriamanitra azy.
Kristy amin’ny maha Zanaka azy dia tsy ilay Hany Andriamanitra Marina
(Jaona 17:3).
Ao
amin’ny Lioka 22:70 koa, hoy izy rehetra : “Zanak’Andriamanitra
va ary ianao ?”
Namaly
izy hoe : “Voalazanareo
fa izaho no izy”
Ary
nony Fantatra
tsara i Jesosy
Kristy fa Zanak’Andriamanitra izy ao amin’ny :
*
Matio 27:54 izay
nanaovan’izy ireo hoe :
Marina tokoa fa Zanak'Andriamanitra io Lehilahy io.
*
Marka 1:1 milaza marimarina
kokoa fa ny
Filazantsara dia an'i
Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra.
*
Lioka 1:35 milaza fa
ny
Masina izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
Ny
fahafantarana fa Kristy dia Zanak’Andriamanitra dia fanambarana avy
amin’Andriamanitra.
Ary namaly Simona Petera
ka nanao hoe : Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. Dia namaly Jesosy
ka nanao taminy hoe : Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona ; fa tsy nofo aman-drà
no naneho anao izany, fa ny RAIKO Izay any an-danitra.
(Matio. 16:16-17)
Ary
koa, Matio 11:27 milaza hoe :
Ny zavatra rehetra natolotry ny RAIKO Ahy ; ary
tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ; ary tsy misy mahalala tsara
ny Ray, afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.
Koa
amin’izany ny Ray no manambara zavatra amin’ny olombelona tsirairay ary manome
azy ireo an’i Kristy, noho izany dia maneho ny Ray amin’ny ireo izy.
1.5.3
Ny Anarana sy ny
Fanapahan’Andriamanitra
Tsy
misy fisalasalana ny maha tokana (hany) sy ambony indrindra an’Andriamanitra.
Ohabolana 30:4-6 maneho ny anaran’Andriamanitra ary maneho koa fa Andriamanitra
manana zanaka.
Iza no efa niakatra tany
an-danitra sady nidina indray ?
Iza no nahangona ny
rivotra tao an-tànany
?
Iza no nahafono ny rano
tamin'ny lambany ?
Iza no nahamisy ny
faran'ny tany rehetra ?
Iza no anarany, ary iza
no anaran'ny zanany ? Fa toa fantatrao !
Ny tenin'Andriamanitra
[ELOAH]
dia voadio avokoa ; Ampinga ho an'izay mialoka
aminy Izy.
Aza manampy ny teniny,
fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
Ny
Soratra Masina ihany no milaza ny hevitrin’ny Soratra Masina, ary ny
anaran’Andriamanitra nomena mahitsy araka ny fanontaniana misy. Mazava tsara fa
io maha izy iray io dia tsy firaiketan’i Ray sy ny Zanaka fa kosa maneho fa
Andriamanitra manana Zanaka.
Ary
koa, ny Testamenta Vaovao milaza mazava tsara fa ny Ray no tokony hivavahana.
Kristy nilaza tamin’ny vehivavy Samaritana ao amin’ny Jaona 4:21 fa
avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra (Samarie) ity, na any Jerosalema
aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
Fa Kristy
nanonona mazava ao amin’ny Jaona 4:23 :
Fa avy ny andro [Gr. ora], sady tonga
ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny
fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
Eto, Kristy maneho ilay tokony hivavahana dia ny Ray,
fa tsy izy Kristy mihitsy. Koa amin’izany, miteny
ratsy [manao blasfemia] an’Andriamanitra ny milaza hoe tokony hivavahana i
Kristy nasandratra; fanovàna ny voasoratra ao amin’ny
Jaona 3:14 izay milaza fa
tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona izany.
Ny antony nanomboana an’i Kristy amin’ny hazo fijaliana
dia ny hananan’ny olombelona ny fiainana mandrakizay, fa tsy ny hahatonga an’i
Kristy hivavan’ny olombelona, tahaka
izany no ilazana diso. Avy amin’io filazana diso io, izany
no ilazana diso hafa koa dia ny Kristianina mivavaka amin’ny
vatana sy ny ràn’i Kristy ao anatin’ny Eokaristia.
Eloah no Andriamanitry ny Testamenta Taloha sy Tempoly, ary Andriamanitr’i
Jesosy-Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny Tempoly ao Jerosalema dia Tranon’i Éloah. (Ezra 4:24 ; 5:2,13,15,
16,17 ; 6:3, 5, 7, 8, 16, 17 ; 7:23).
Izy no Eloah ny Israël (Ezra 5:1 ; 7:15), Ny
Eloah Lehibe any an-danitra (Ezra 5:8,12). Izy no fototry ny fanaovana
fisoronana ao amin’ny Tempoly (Ezra 6:10) izay nampitoerany ny Anarany (Ezra
6:12). Nandidy ny fanaovana ny Tempoly Izy (Ezra 6:14) ary nanendry ny mpisorona
sy ny Levita hanompo Azy (Ezra 6:18 ; 7:24) sy hanao ny Sitrapony (Ezra 7:18).
Ny lalàna dia lalàn’i Eloah ny Lanitra rehetra (Ezra 7:12,14). Izay rehetra
mahalala ny lalàn’i Éloah dia aoka hampianatra izay tsy mbola mahalala Azy (Ezra
7:25) ary ny fitsarana dia aoka ho araka ny lalàn’i Eloah (Ezra 7:26). Io maha
izy io dia ny Ray izay Eloah tokana (hany) sy Andriamanitra Avo Indrindra,
Rain’ny Mesia sy ny zanak’Andriamanitra rehetra.
Toko 2
Ny Rafitry Famonjena
2.1
Ny fahatafintohinan’ny Olombelona
Ny
Olona noharina tahaka ny endrik’Andriamanitra ary tahaka ny fifanahafana
an’Andriamanitra (Genesisy 1:26-27). Adama sy Eva voaozona noho ny
tsy-fanaharana (Genesisy 3:16-19). Manaraka ity fiodinana ity, ny ota ary noho
izany, ny fahafatesana, niditra amin’ny olobelona rehetra (1Corintiana. 15:22 ;
Romana 5:12).
2.2
Ny Famonjena ny Olombelona
Tsy
tian’Andriamanitra
hisy ny ho very na dia iray aza (2Petera 3:9). Mba hahafanan’ny olona rehetra
milefa ny helokin’ny fahotana, satria ny fahafatesana no tambin'ny ota, dia
Andriamanitra nanorina hevitra famonjena izay mampisy ny fanatitra amin’ny
fahafatesana sy fitsanganan’ny Jesosy Kristy Zanany (Jaona 3:16). Ny hevitra dia
taom-pijinjana izay Kristy no santatr’izay efa maty (1Corintiana 15:20). Ny
hevitra famonjena dia hita taratra eo amin’ny Andro Masina rehetra isan-taona ao
amin’ny Soratra Masina (Levitikosy 23).
2.3
Ny Baiboly dia Fahamarinana
nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra
Kristy
nilaza hoe :
Voasoratra hoe : Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny
vavan'Andriamanitra
(Matio 4:4 ; Lioka 4:4). Ny
Baiboly
fantatra ho
Soratra Masina (Daniela
10:21) ary ny Baiboly mikendry ny famonjena ny olombelona rehetra sy
ny
fisehoan’ny herin'Andriamanitra
(Eksodosy 9:16; Romana 9:17). Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy no ahazahoana ny
famonjena (Romana 10:11)
nolazain’ny Soratra Masina hatramin'i Mosesy sy
ny mpaminany rehetra rahateo (Lioka 24:47), ary ny faminaniana dia Soratra
Masina (Matio 26:56;
Romana 1:2). Izay Soratra rehetra nomen'ny
tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho
fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,
mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara
rehetra (2Timoty
3:16).
Ny
Soratra Masina izay nisy tamin’ny andron’i Kristy sy ny apostoly dia Testamenta
Taloha (Matio 21:42 ; Marka 12:10 ; Asan’ny Apostoly 17:2). Ny Testamenta Taloha
dia ny
Soratra Masina izay natao ho
fofonaina
na tsindrimandrin'Andriamanitra ao
amin’ny 2Timoty
3:16. Ny Testamenta Vaovao dia fanampiana ny Testamenta Taloha. Ny Testamenta
Vaovao tsy misolo ny Testamenta Taloha.
Ny
Testamenta Taloha
voasoratra tamin’ny
voalohany ho anatra
ho antsika rehetra, mba, amin'ny fiononana sy ny famporisihana avy amin'ny
Soratra Masina, hananantsika ny fanantenana (Romana 15:4). Ny fahadisoana
hevitra dia avy amin’ny tsi-fahafantarana ny Soratra Masina
(Matio 22:29 ; Marka 12:24).
Ny Kristianina tao Beria dia nandinika ny Soratra Masina isan'andro,
mamotopototra ny fahamarinan-javatra izay nolazaina na marina izany, na tsia. Ny
toe-panahin'ireo dia tsara
(Asan’ny Apostoly 17:11).
Ny sarin-javatra daholon’ny Baiboly dia
fitambaran’ny ilan’ny Soratra Masina rehetra, dia didy hanampy didy ; Fitsipika
hanampy fitsipika, (Isaia 28:10). Ny Soratra Masina manamarina fa Mesia na
Kristy i Jesosy (Asan’ny Apostoly 18:28). Kristy no, amin’ny alalan’ny Fanahy
Masina, manokatra ny sain’ireo olom-boafidy ireo, manomboka amin’ny apostoly,
mba hahazoana mahafantatra tsara ny Soratra Masina (Lioka 24:25).
Ny
Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha tsy maintsy ho tanteraka
(Matio 26:54, 56 ;
Marka 12:10, 14:49) sady tsy
azo foanana
(Jaona 10:35). Ny Ankapoben’ny Soratra Masina
nampahafantatra an’i
Kristy sy tanteraka ao aminy, na hotanteraka ao amin’i Kristy amin’ny
hahatongavany faharoa (Apokalipsy 1:7, 12:10, 17:14, 19:11-21),
amin-kery sy voninahitra lehibe
(Matio 24:30).
2.4
Ny Fibebahana sy ny Fiverenana ho
amin’ny Tompo
Mba
hahafahan’ny Olombelona miaina na hanana fiainana mandrakizay, Andriamanitra
nandidy azy hibebaka. Fa raha tsy mibebaka izy, dia ho ringana
(Lioka 13:3, 5).
Kristy nirahina hiantso ny Olombelona rehetra amin’ny fibebahana (Lioka 11:32).
Kristy nanomboka ny fanompoany taorian'ny nanafatorana an’i Jaona Mpanao batisa
(Matio 4 :12-17). Ny nanafatorana an’i Jaona dia tonga afaka kelikely taorian’ny
Paska 28 A.K. (Jaona 3:22-24 ; Matio 4:12). Izany Paska izany dia taorian’ny
fitombohan’ny fanompoam-pivavahan’i Jaona tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo
nanjakan'i Tiberia Kaisara (Lioka 3:1). Ary tamin'izany andro izany, nanomboka
nitori-teny Jesosy ka nanao hoe : Mibebaha
ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
(Matio 4:17). Kristy nandidy
ny
mpianany hitory ny filazantsara fibebahana, ary nanome an’izy ireo ny fahefana
hamoaka ny demonia na fanahy maloto
(Marka 6:7, 12 ; Lioka 10:1, 17-20).
Nampianarina fa ny fibebahana no mialoha ny famonoana ny ota (na ny
faharatsiana) (Asan’ny Apostoly 8:22) mba ho tonga ny andro famelombelomana avy
amin'ny fanatrehan'ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho antsika
(Asan’ny Apostoly 3:19-20).
Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana, araka ny fiantsoana
an’izany, fa, tao aorian’i Kristy, nandidy ny olombelona rehetra Izy mba
hibebaka, ary nanendry andro iray izay hitsarany an’izy ireo (Asan’ny Apostoly
17:30). Arak’izany, ny fibebahana nitarina amin’ny Jentilisa (Jereo koa Asan’ny
Apostoly 15:3).
Ary
rehefa nibebaka sy niverina amin'Andriamanitra ny mpanota, dia tsy maintsy manao
asa miendrika ny fibebahana. (Asan’ny Apostoly 26:20).
Ny
Fiangonana any Efesosy nolazaina mba hibebaka, sy hahatsiaro izay nitoerany fony
tsy mbola lavo ary hanao ny asany voalohany (Apokalypsy 2:5). Ny Fiangonana any
Pergamosy koa nolazaina mba hibebaka (Apokalypsy 2:16). Tahaka ny Fiangonana any
Tyatira (Apokalypsy 2:21-22) koa, izay nisy mpanompon’ny Tompo nivadika
hijangajanga miaraka amin’ny mpampianatry ny fivavahana sandoka. Ny Fiangonana
any Sardisy koa nantsoina hibebaka, koa raha tsy izany, ho tonga toy ny
fihavin'ny mpangalatra Kristy, ka tsy ho fantan’izy ireo izay ora hihaviany
(Apokalypsy 3:3). Izay rehetra tian’i Kristy no anariny sy faizany. Kristy
niteny, tahaka amin’ny ao Laodikia, mba hanana fahazotoana, ka mibebaka
(Apokalypsy 3:19).
Arak’izany, ny fibebahana dia tsy maintsy ataon’ny Fiangonan'Andriamanitra
isan'andro isan'andro, ary adidin’ny Fiangonan’Andriamanitra rehetra (Jakoba
5:19-20).
2.5
Ny Batisa
Ny
fahefana rehetra nomena an’i Kristy taorian' ny nitsanganan'i Jesosy tamin’ny
maty (Matio 28 :18). Nandidy ny mpianany izy hanao mpianatra ny firenena
rehetra, ary hanao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny
Fanahy Masina (Matio 28:19), sady hampianatra azy ireo hitandrina izay rehetra
nandidian’i Kristy azy. Ary, noho izany, Kristy hiaraka amin’izy ireo isan’andro
ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao andro tontolo izao (Matio 28:20).
Ny
fibebahana dia tsy maintsy arahina batisa mba ahafahana handray
ny fanomezana ny Fanahy Masina (Asan’ny Apostoly
2:38).
Tsy afaka handray ny Fanahy
Masina ianareo raha tsy mibebaka sy atao batisa, toy izany no nateraka indray
[nateraka avy ambony].
Raha tsy ateraka indray ianareo, dia tsy mahazo miditra
amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Jaona 3:3, 5).
Ny Fibebahana dia miankina
amin’ny fanaovana batisa sy ny fandraisana
ny Fanahy Masina. Ary amin'izany, araka ny
lojika, ny batisan’ny zaza tsy azo atao satria mifanohitra amin’ny Baiboly. Ny
zavatra tsy maintsy atao raha hibebaka dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny asa
nanirahana an'i Jaona Mpanao batisa, izay nialoha ny batisa amin’ny Fanahy
Masina ao amin'i Kristy
(Marka 1:4, 8). Jaona
nilaza hoe Kristy no hanao batisa amin’ny Fanahy Masina
sy ny afo, amin'ireo tsy mibebaka (izay lazaina fa tahaka ny mololo) (Lioka
3:16-17). Ny Fanahy Masina omena araka an’Andriamanitra. Ho an’izay mangataka,
ny Fanahy Masina miditra ao amin’ny olona amin’ny fametrahan-tanana.
Arak’izany, ny Fanahy Masina omena amin’ny lafin’ny asa rehetra atao. Ny Fanahy
Masina miasa alohan'ny batisa ao amin’ny olona tsirairay. Ny Fanahy mitondra ny
olom-boafidy hanatona an'Andriamanitra amin'ny alalan’i Kristy (Hebreo 7:25). Ny
voaloham-bokatry ny Fanahy homena ny olona tsirairay rehefa atao ny batisa ;
jereo Romana 8:23, izay manambara marimarina fa
ny
fananganan’anaka
dia hatao amin’ny fotoana
fanavotana ny tenantsika.
Noho izany, nateraka indray
isika kanefa mitohy (manohy) ny fitomboantsika
isan’andro amin’ny Fanahy ao amin’ny Kristy, mandra-pahatongantsika amin’ny
voninahitr’Andriamanitra.
Ny
fanomezana ny Fanahy Masina eo amin’ny batisa dia ilay
rano amin'ny loharanom-pamonjena, izay nampilazain’Andriamanitra ny
Mpaminaniny fa homeny (Isaia 12:3). Io ranon’ny Fanahy Masina io dia ny teny
fikasana nataon’Andriamanitra tamin’ny Jakoba, izay voasoratra ao amin’ny Isaia
44:3. Andriamanitra Tompo dia loharanon’ny loharanon'aina (Jeremia 2:13, Jeremia
17:13 ; dia kosa Zakaria 14:8). Io no
onin'ny ranon'aina (Apokalipsy 22:1). Kristy, raha miresaka ny
amin’ny Fanahy (Jaona 7:39), nilaza fa hisy
rano velona miboiboika mivoaka avy
aminy (Jaona 4:10-14, 7:38, cf. Isaia 12:3, 55:1, 58:11, Ezekiela 47:11).
Isiraely diovina ara-panahy amin'ny rano (Ezekia 36 :25), izay atao hoe
ranon’aina (rano velona) na Fanahy Masina. Ny olom-boafidy misotro maimaimpoana
amin'io ranon'aina io (Apokalipsy 22:17).
Toko 3
Fampianarana Mikasika ny Didin’ny Olombelona
3.1
Ny fivavahana sy ny Fanompoana an’Andriamanitra
3.1.1
Andriamanitra Fotompivavahana sy Fanompoana
3.1.1.1
Izay Tompoina
Ny
fitoerana voalohany sy ny famantarana lehibe indrindra ny olom-boafidy dia,
hatramin’izay, ny finoana Andriamanitra Iray ihany sy ny finoana ny
fifandraisana ambany fahefan’Andriamanitra an’i Kristy. Izahay tsy mivavaka
amin’i Élohim hafa ankoatran’Andriamanitra (Eksodosy 34:14, Deotoronomia 11:16)
raha tsy izany dia ho ringana izahay (Deotoronomia 30:17-18). Andriamanitra
nanome ny Didiny Voalohany :
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra
anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza
manana andriamani-kafa (elohim), fa Izaho ihany.
(Eksodosy 20:2).
Ny
teny aloha eto midika hoe
eo akaiky tahaka
toy izay… na raha tsy misy
alalana avy amin’Andriamanitra izay fantatsika fa Andriamanitra Ray.
Tokony
ho tiavintsika ny Tompo Andriamanitsika sady hotompointsika amin’ny fotsika
rehetra sy ny fanahitsika rehetra, izany hoe, i.e. ny tenatsika manontolo ary,
noho izany, dia homena ny ranonorana amin'ny fotoany isika ho an’ny vokatsika sy ho
an’ny ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny.
Azo lazaina koa hoe, hihinana isika ary ho voky (Deotoronomia 11:13-15). Fa
isika manana ny Fanekena Vaovao ; Ny Tompo mametraka ny Lalàny ao anatin’ny
fanahintsika ary manoratra azy ao anatin’ny fontsika. Izy
no Andriamanitsika
ary isika no Mpanompony, mivavaka Aminy
isika amin’ny fanarahantsika ny Lalàny amin’ny tenantsika manontolo (Hebreo
8:10-13).
Tokony
hiankohoka eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitsika isika (Deotoronomia 26:10 ;
1Samoela 1:3, 15:25).
Io Andriamanitra io dia Ilay Hany Andriamanitra izay
Andriamanitra Ray. Ny tsy maintsy ataotsika hahazahoana fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra
Azy sy ny Zanany Jesosy Kristy (Jaona
17:3). Ho an’ny Tompo ny voninahitry ny Anarany ;
mivavaka amin’ny Tompo amin'ny fihaingoana masina izahay (Salamo 29:2, 96:9).
Ny tany rehetra
miankohoka eo anatrehany sy mihira sy mankalaza ny Anarany (Salamo 66:4).
Izany faminaniana izany ho
tanteraka. Ny firenena rehetra izay nataony dia ho avy hiankohoka eo anatrehany
ary hangovitra (Salamo 96:9),
Ka hanome voninahitra ny Anarany fa Izy irery
ihany no Andriamanitra, ny Tompo Mpanao antsika.
Fa
Izy no Andriamanitsika ; Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika (Salamo
95:6-7). Masina Izy (Salamo 99:5, 9). Ny
fahafantarana Ilay ivavahantsika dia hita amin’ny famantarana anankiroa, izay
raha ampiana ny fahafantarana ny maha izy an Andriamanitra, dia maneho ny
fototry ny tena maha [tombo-kase]
olom-boafidy. Ireo
famantarana anakiroa ireo dia :
1.
Ny Sabata
(ao amin’ny Exodosy 20:8,10,11 ; Deotoronomia 5:12). Ny Sabata no famantarana
ho antsika sy ho an’Andriamanitra Izay manamasina antsika
(Exodosy 31:12-14) ; sy
2.
Ny Paska.
Ny Paska dia famantarana
na
tombo-kase izay, ao amin’ny Exosodosy
13:9, 16, ny Andron'ny
mofo tsy misy masirasira, anisan’ny
Paska, dia famantarana ny Lalàn’ny Tompo (Deotoronomia 6:18) sy ny Famonjena
an’i Israely (Deotoronomia 6:10) izay, araka ny Testamenta Vaovao, manambatra
izay rehetra ao amin’i Kristy (Romana 9:6, 11:25-26).
Ny
anton’ireo famantaran’ny lalàna ireo, ny Sabàta sy ny Paska, dia ny hanalavirana
ny fanompoan-tsampy (Deotoronomia 11:16). Ireo famantarana anakiroa ireo dia ny
tombo-kase eo amin’ny tanana sy eo amin’ny handrin’ny olom-boafidin’ny Tompo sy,
miaraka amin’ny Fanahy Masina, famantarana miaraka, fototry ny maha ho anisan’ny
144000 [efatra arivo amby efatra
alina amby iray hetsy] amin’ny andro farany ao amin’ny Apokalipsy 7:3.
Mitondra
ho amin’ny Andro Masina sisa ireo.
Kristy
nilaza hoe :
Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Matio 4:10 ; Lioka 4:8). Arak’izany, ny fanompoana dia fiankohofana araka
ny Soratra Masina.
Ny
miankohoka amin’Andriamanitra araka ny fomban’ny olona dia fiankohofana foana
(Matio 15:8-9). Fa ny Ray maniry ny olona hiankohoka Aminy amin’ny fanahy sy
fahamarinana (Jaona 4:21-24.
Fa isika no tena voafora,
izay manompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy ary mirehareha ao amin’i Kristy
Jesosy (Filipiana 3:3).
Izay rehetra ao amin’ny Fivorian’ny Loholona, ao anatiny
Kristy, dia hiankohoka eo anoloan’Andriamanitra izay nahary izao rehetra izao
ary sitrapony no nahariany izao rehetra izao sy izay misy rehetra (Apokalipsy
4 :10). Noho ny didy nomen’i Kristy, ao amin’ny Lalàna (Exodosy 20:3) sy amin’ny
fanambarana, no ivavahatsika amin’Andriamanitra (Apokalipsy 22:9).
3.1.1.2
Izay ivavahana
Ny olombelona rehetra mivavaka amin’ny Tompo Andriamanitra (Salamo 39:12, 54:2) izay mihaino. Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo (Matio 21:22). Kristy dia ohatra ho an’ny olombelona rehetra amin’ny vavaka nataony tamin’ny Andriamaniny sy Andriamanitsika izay ny Ray (Lioka 6:12). Ny ohatra amin’ny fomba fivavahana dia hita ao amin’ny Vavaka nataon’ny Tompo izay endriky ny fomba tokony hivavahana izay nomen’i Kristy (Lioka 11:2-4).
Ny asa
voalohany indrindra ataon’ny olom-boafidy sy ny fanompoana dia ny mivavaka sy ny
manao fanompoam-pivavahana na manao fanompoana amin’ny teny [na amin’ny
fampianarana] (Asa 6:4). Ny Fivorian’ny Loholona
nandray ny adidy hihaino ny vavaka ataon’ny olona masina (Apokalipsy
5:8).
3.1.1.3
Ny Fivavahana irery sy miaraka amin’ny be
sy ny maro ho an’ny Olona hafa
Ny
fivavahana miaraka amin’ny be sy ny maro amin’ny firaisana saina dia ohatra
nomen’ny apostoly (Asa 1:14). Ny fiangonana rehetra dia nanaraka izany (Asa
12:5).
Ny
fivavahana dia tsy ho an’ny Fiangonana irey ihany; fa ho an’izay rehetra manana
zotom-po kanefa tsy nohazaviana saina ary tsy mbola nanaiky ny fahamarinana avy
amin’Andriamanitra.
Fa
Kristy no faran'ny (na anton’ny) lalàna ho fahamarinana ho
an'izay rehetra mino
(Romains 10:1-4).
Ny
fivavahana manao fiantrana.
Amin’ny fahasoavana azo noho ny fivavahana maro natao, dia misaotra am-bavaka
izahay (2Korintiana 1:11).
Ny fivavahana dia tokony
hatao ao amin’ny fanahy (Efesiana 6:18). Tokony maharitra amin’ny fivavahana koa
(Colosiana 4:2-4) fa izany no manampy antsika hitoetra mafy ao amin’ny
fahamarinana sy ao amin’ny rariny (Efesiana 6:14).
Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary ; ary raha nanota izy, dia
havela ny helony.
Koa mifanaiky heloka izahay, ary mifampivavaka,
mba ho sitrana izahay.
(Jakoba 5:15-16).
3.2
Ny fifandraisan’ny Famonjena sy ny
Lalàna
3.2.1
Andriamanitra no Vatolampintsika
Jehovah no harambatonay sy batery fiarovana ho anay ary Mpamonjy anay ; Izy
no fiarovana avo ho anay
(Salamo 18:1-2).
Matoky Azy izahay ary tsy
mba hatahotra (Isaia 12:2).
Ny fahafantarana ny famonjena dia anisan’ny asan’i
Kristy sy ny mpaminany (Lioka 1:77). Io fahafantarana io nomena ny Fiangonana
izay misy ny olona masina izay mpiandry ny misterin’Andriamanitra (1Korintiana
4:1). Avy amin’ny Jiosy ny famonjena (Jaona 4:22), fa nomena ao amin’i Kristy ho
an’izay rehetra mivavaka amin’ny Ray amin'ny
fanahy sy ny fahamarinana (Jaona 4 :23-24). Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa
; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika
famonjena (Asan’ny Apostoly 4:12).
Noho izany, ny famonjena nomena amin’ny alalan’ny filazantsara, izay
herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy
aloha, dia vao amin'ny Jentilisa koa. Ao amin’ny filazantsara, ny
fahamarinan’Andriamanitra dia naseho amin’ny alalan’ny finoana sy ho an’ny
finoana, satria ny
marina amin'ny finoana no ho
velona (Romana 1:14-17).
Fa Andriamanitra tsy
nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy (1Tesaloniana 5:9).
Ny
fahalalana an’Andriamanitra miteraka alahelo araka an'Andriamanitra izay mampisy
ny fibebahana ho amin’ny famonjena (2Korintiana 7:10).
Noho izany, ny filazantsara
dia tenin’ny fahamarinana, ary arak’izany, filazantsara famonjena, ary ny valiny
dia ny fanamafisana ny olona mibebaka avy amin’ny Fanahy Masina (Efesiana 1:13).
Ny famonjena dia voaray avy amin’ny Soratra Masina. Satria nomen’ny
tsindrimandrin’Andriamanitra ny Soratra Masina, noho izany dia ho fampianarana
ho an’izay mibebaka ho amin’ny famonjena azo amin’ny alalan’ny finoana an’i
Jesosy Kristy (2Tim. 3:15-16).
Na dia Zanaka aza dia nianatra fanarahana
tamin'izay fahoriana nentiny izy ; ary rehefa
natao tanteraka izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho
an'izay rehetra manaraka azy (Hebreo 5 :8-9).
Dia
tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny
maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry azy, ho famonjena
(Hebreo 9:28).
Ny famonjena dia natolotra ho an’ny olona ary voatolotra indray mandeha
monja ho an'ny olona masina (Joda 3).
Noho izany dia tsy hisy
faminaniana afaran’ny faminaniana nomen’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy izay
nomeny an’i Jaona. Ny zavatra rehetra ilaina mikasika ny famonjena ny olombelona
dia voasoratra ao amin’ny Soratra Masina. Ny famonjena sy ny hery ary ny
voninahitra dia ho an’Andriamanitra ; Izy no naneho amin’ny Mpanompony amin’ny
alalan’i Kristy ary tsy tokony hisy fanovana izany (Apokalipsy 22:18-19).
Ny
fanamafisana farany ny olona masina dia avy amin’ny Fanahy Masina ary naorina eo
ambonin’ny Lalàn’Andriamanitra araka izay naseho ao amin’ny Soratra Masina ao
amin’ ny Testamenta Taloha, voalohan’ny fanambarana ny lalàna.
Kristy
nanome ny lalàna tao amin’ny tendrombohitra Sinaï tahaka ny Anjelin’ny Fanekena
na Fanatrehana, Anjelin’i Yahovah. Niteny izy hoe :
...
mandrapahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny
lalàna, na dia litera iray na tendrontsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy
rehetra. Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy
madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely
indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy.
Fa na zovy na zovy no mankatò sy mampianatra ireo
dia izy no hatao hoe lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra
...
(Matio 5:18-19).
Noho
izany, tsy nohakelezin’i Kristy mihitsy ny lalàna. Fa nanaraka ny lalàna izy ary
nilaza ny olona hanao toy izany.
Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona.
Ary
hatramin'i Jaona no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra,
ary misesika izay rehetra miditra eo
(Lioka 16:16).
Fa ho moramora kokoa ny hahafoanan'ny lanitra sy
ny tany noho ny hahafoanan'ny tendron-tsoratra iray monja aza amin'ny lalàna
(Lioka 16:16-17).
Mosesy no nanome ny lalàna nefa tsy nankatoavina ny lalàna (Jaona 7:19).
Fa
izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna (Jaona7:19).
Fa
izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna (Romana 2:12)
fa ny ota no fandikana ny lalàna (1Jaona 3:14). Ny famoràna dia amin'ny fo
ary ny fomba fanarahana ny momba ny lalàna dia ohatry ny famoràna. Izay Mankato
(aigu) ny lalàna dia voafora amin’ny fo, fa izay voafora nefa tsy mankatò ny
lalàna dia tahaka ny Jentilisa.
Fa ny Jiosy dia izay mankatò
ny lalàna amin’ny fo rehetra satria Jiosy ao anaty. Izay milaza ny tenany ho
Jiosy, kanjo tsy izy
(Apokalipsy. 3:9), fa mandainga, indro, hataony tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrin’ny
olona masina (io fiankohofana io voadika koa hoe
fivavahana amin’i Kristy sy ny olom-boafidy izany).
Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara
(Romana 7:12). Noho izany, ny lalàna tsy mahafaty fa ny ota, ota izay fandikàna
ny lalàna, ota izay mitoetra ao amin’ny olona (Romana 7:13).
Fa
araka ny fanahy ny lalàna ; fa ny olombelona kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota
(Romana 7:14). Ny
olona tena nibebaka dia mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra araka ny
toetra anaty (Salamo
119:1 ff. ; Romana 7:22). Fa ny lalàna mitondra ny olona ho amin’i Kristy
izay faran'ny lalàna
(Romains 10:4).
Fa raha tarihin'ny Fanahy ny olona dia tsy mba
ambanin'ny lalàna (Galates 5:18). Ary tsy satria
nofoanina ny lalàna fa kosa satria azo ankatoavina ny lalàna amin’ny sitrapo
anaty sy asa marina, ary tonga ho maha izy antsika (Hebreo 8:10-13).
Ny lalàn’Andriamanitra dia tadiavina tsy
tamin'ny finoana, fa toa tamin'ny asa (Romana 9:32).
Ny fitandremana ny didiny
no zavatra voalohany hampitoetra ny Fanahy Masina izay mitoetra ao amin’izay
rehetra mitandrina ny didin’Andriamanitra (1Jaona 3:24 ; Asa 5:32). Arak’izany,
tsy azo heverina ny hoe Kristianina ary tia an’Andriamanitra sy Kristy nefa tsy
mankatò
ny lalàna.
Izany midika fa tsy maintsy mitandrina ny Sabata araka ny voalaza ao amin’ny
didy faha efatra.
3.2.2
Ny Famonjena azo amin’ny
Fahasoavana
Fa efa niseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay
famonjena ny olona rehetra, mitondra antsika hiala amin’ny filàn’izao tontolo
izao tsy mifanaraka amin’ny fivavahana hahono-tena, ho marina sy hanana
toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry
ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra lehibe
sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy
Kristy, Mpamonjy antsika] (Titosy 2:11 jereo RSV Interlinear Grika-Anglisy Testamenta
Voalohany ny Marshall). Kristy no
fisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra izay Mpamonjy antsika (Titosy 2:10).
Noho izany ny fahasoavana
dia vokatry ny asan’i Kristy.
Ny
Fiangonana
arovan'ny herin'Andriamanitra amin'ny finoana ho
amin'ny famonjena efa vonona haseho any am-parany
(1Petera 1:5).
Ny anton'ny finoana, dia ny famonjena ny fanahy. Ny mpaminany naminany ny
amin'izany famonjena izany fa tsy fantany ny fotoana na ny olon’i Mesia raha
naminany ny amin’ny fijaliany sy ny voninahiny manarak’izany (1Petera 1:9-10).
Ny
ota niditra tamin'ny olona iray, Adama, ho amin'izao tontolo izao, ary nanjaka
hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy. Ny fahafatesana no valin’ny ota (Romana
5:12).
Ny ota efa nisy
hatrany alohan'ny lalàna nomena
an’i Mosesy
(Romana 5:13). Noho izany, ny valin’ny lalàna dia
fantatra hatramin’i Adama, satria ny ota tsy isaina raha tsy misy ny lalàna.
Arak’izany, ny fahasoavana nihoatra noho ny fanavotana ny olombelona amin’ny ota
sy amin’ny lalàna.
Teo amin'izay nihabeazan'ny ota, eo ambanin’ny lalàna, no nihoaran’ny
fahasoavana lavitra
(Romana 5:15-21).
Noho ny fanarahan'ny Anankiray no nanaovana ny maro ho marina kosa amin’ny
fahasoavana izay manjaka amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny
alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika (Romana 5:20-21).
Ary
amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy
(Romana 8:1).
Noho izany, ny lalàna dia tanteraka ao amintsika izay mandeha araka ny
fanahy (Romana 8:4).
Ny
Fanahy mitondra ny fanahin’ny olombelona hifanaraka amin’ny Fikasany (Romana
8:5). Ny fanahin’ny olombelona miaina araka ny nofo dia mandrafy
an’Andriamanitra ;
fa
tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany
(Romana 8:7). Arak’izany,
ny fanahy mandeha araka ny nofo na tsy mbola nibebaka dia fantatra amin’ny
fanoherany ny amin’ny fanarahana ny lalàn’Andriamanitra.
Ny
Fanahin'Izay nanangana an'i Kristy tamin'ny maty mitoetra ao anatin’ny
Kristianina, mamelona ny tenan’ny Kristianina amin'ny Fanahiny izay mitoetra ao
amin’ny olona tsirairay (Romana 8:11).
Fa
izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no
zanak'Andriamanitra (Romana 8:14) ary izany dia fahasoavan’Andriamanitra.
Ny lalàna
dia
nomena tamin'ny alalan'i Mosesy, ny fahasoavana sy ny fahamarinana dia tonga
tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy
(Jaona 1:17). Miantso
Abba
na Ray isika, tahaka ny
toetra maha
Zanaka
(Romana 8:15)
izay nomena koa an’ny
rahalahintsika Jesosy Kristy.
Ny lalàna
tsy manome fanamarinana
antsika. Fa ny finoana an'i Jesosy Kristy no anamarinana ny olona tsirairay
(Galatiana 2:16).
Mivelona
amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra
(Galatiana 2:20). Tamin'ny lalàna no nahafatesantsika ny amin'ny lalàna, mba ho velona ho
an'Andriamanitra isika
(Galatiana 2:19). Tsy manafoana ny fahasoavan'Andriamanitra isika raha mitandrina ny lalàna
satria tsy nohamarinina tamin'ny lalàna
(Galatiana 2:21). Mitandrina ny didin'Andriamanitra isika satria tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra ary ny lalàna dia avy amin'ny fomban'Andriamanitra izay
notafintsika ary izay iombonantsika, toy izay koa Kristy
(2Petera 1:4).
Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy no hamonjena ansika fa
tsy ny lalàna (Asan’ny Apostoly 15:11). Fa ny ota tsy hanan-kery amin’ny
olom-boafidy satria tsy mba ambanin'ny lalàna izy ireo fa ambanin'ny
fahasoavana, ary mpanompon'Andriamanitra izy ireo
(Romana 6:14,15).
Kanefa, tsy manota isika raha mandika ny lalàna satria mpanompon'Andriamanitra
sy mpanompon'ny fahamarinana fa tsy mpanompon'ny ota, ary tonga nanaraka ny
fomban'ny fampianarana izay nanolorantsika tena
(Romana 6:17-18). Na dia fony mbola
matin'ny fahadisoana aza isika, dia velona miaraka tamin'i Kristy amin’ny
alalan’ny fahasoavana izay nahazahoantsika famonjena
(Efesiana 2:5). Niara-natsangan’Andriamanitra isika ary
niara-napetraka amin'i Kristy any andanitra mba hahafahan’Andriamanitra maneho
amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny Fahasoavany amin'ny Fahamoram-panahiny
amintsika ao amin'i Kristy Jesosy
(Efesiana 2:6-7).
Fa fahasoavana no namonjena antsika amin'ny finoana. Ary tsy asan’olona izany,
fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, ary tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy
hirehareha (Efesiana
2:9).
Arak’izany, mitandrina ny lalàna isika avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra amin'ny
fahasoavana.
3.2.3
Ny zavatra tsy maintsy atao ao
amin’ny Lalàna
Misy
adidy
mandrakizay dia ny fitandremana ny lalàna tsy ho foana, ary tsy hiova, araka
izay hitantsika teo
(Matio 5:18, Lioka 16:17). Tsy nitandrina mahitsy tsara ny lalàna
ny
Jiosy tamin'ny andron'i Kristy (Jaona 7:19), satria ny lalàna novana noho ny
fampianarana voatolotry ny razana
(Matio 15:2-3,6 ; Marka 7:3, 5, 8-9,13)
izay tsy zaka ho entina na zioga ho an’ny mpampianatra Jiosy tamin’ny izany
andro izany, ary amin’izany lasa fizahan-toetra an’Andriamanitra
(Asan’ny Apostoly 15:10).
Tahaka ny naseho marimarina teo,
misy adidy
mandrakizay dia ny fitandremana ny didin'Andriamnitra. Mbola tsy maintsy
harahina mandrakariva ny lalàna ary tsy hisy ho foana mandrapahatongan’ny [na
hatramin'ny] andro farany momba amin’ny
fisian’ny
olombelona.
3.2.3.1
Inona no antony itandreman’i Kristianina ny Lalàna ?
Fa
fahasoavana no namonjena ny
Kristianina,
fa tsy amin’ny lalàna. Koa nahoana ary no tsy maintsy
hofantarin’ny marina ny lalàna ary tsy maintsy hotandremany koa ? Satria
:
Ny
Lalàn'Andriamanitra avy amin’ny famindram-po mandrakizay avy amin’ny fombany.
Ny
lalàn'Andriamanitra avy amin’ny fomban’Andriamanitra. Ary toy izany, dia
mandrakizay ny lalàna, satria Andriamanitra Izy ihany no tsy miova, araka ny
maha be famindram-po Azy tahaka ny foton’ny famindram-po ambony indrindra. Ao
amin’ny Marka 10:18, Kristy nilaza hoe : Nahoana Aho no ataonao hoe tsara ? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia
Andriamanitra na koa manahoana Aho no anontanianao ny atao hoe tsara ? Raha
te-hiditra amin’ny fiainana ianao, manaraha ny
didin’Andriamanitra
(Matio 19:17).
Ny fahamoram-panahin'Andriamanitra manosika antsika tsirairay amin’ny fibebahana
(Romana 2:4). Ny
fomban’Andriamanitra dia famindram-po tsy miova. Ny maro be any andanitra
miombona [na miray] amin'ny fomban’Andriamanitra. Arak’izany, mihamafy [na
mihamahery] amin'ny fomban'Andriamanitra sy ny famindrampon'Andriamanitra izy
ireo.
Noho izany, Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay
(Grika :
aioonas) (Hebreo 13:8). Ny olom-boafidy, amin’ny fiombonany amin'ny
fomban'Andriamanitra
(2Petera 1:4)
natao ho mpisorona ho an’Andriamanitra, izay an'i Melkizedeka, izay
fisoronana tsy dimbiasana
(Grika : aparabaton)
na maharitra mandrakizay
(Grika :
aioona) (Hebreo 7:24). Kristy
mahavonjy izay manatona an'Andriamanitra
amin'ny alalany (jereo Hebreo 7:25
Grika-Anglisy Interlinéaire
ny Marshall).
Ny lalàn'Andriamanitra tsy maintsy arahina amin'ny
finoana, fa tsy amin'ny asa
(Romana 9:32).
Manana Fanekena Vaovao isika dia ny Tompo no mametraka ny lalàna ao antsaitsika
ary manoratra azy ao ampotsika. Izy no Andriamanitsika ary isika no Mpanompony, mivavaka
amin’Izy Irery
ihany, sy mitandrina ny Lalàny araka ny toetsika
(Hebreo 8:10-13).
Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsifamorana ; fa ny mitandrina
ny didin'Andriamanitra no izy, izay namora antsika
(1Korintiana 7:19)
tahaka ny Kristianina sy tahaka ny momba ny tenan’i Israely amin’ny fanahy. Izy
ireo no enjehin’ny
dragona satria mitandrina ny didin'Andriamanitra ireo. Ny fitandremana ny
didin'Andriamanitra no amantarana izay rehetra nenjehina
(Apokalypsy 12:17).
Izy ireo no olona masina izay mitandrina ny
didin'Andriamanitra ary maharitra
(Apokalypsy 14:12).
3.2.3.2
Ny maha Tempolin’Andriamanitra ny
Kristianina
Fa ny olona masina no Tempoly na fitoerana masina, izay
[Grika :] naos-n’Andriamanitra ary ny
Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao aminy. Raha misy manimba ny
Tempolin'Andriamanitra, dia Andriamanitra no hanimba azy. Fa masina ny
Tempolin'Andriamanitra, ary isika no Tempolin'Andriamanitra
(1Korintiana 3:16-17).
Arak’izany, ny Kristianina tsy maintsy mitandrina ny tenany ho salama tsara
tahaka ny tobin-drano
mendrika mandray ny Fanahin'Andriamanitra. Fa Andriamanitra nilaza fa honina eo
amintsika ary handeha eo amintsika, ary ho Andriamanitsika Izy.
Noho izany, tokony ho masina amin'ny fitondran-tena rehetra isika ary
atokana. Andriamanitra tsy maintsy hatao Raintsika ary isika tsy maintsy hatao
Zanany
(2Korintiana 6:16-18 maka-teny amin’ny lahasoratra maro ao amin’ny
Testamenta Taloha ; Levitikosy 26:12 ; Ezekiela 37:27 ; Isaia 52:11 ; 2Samoela
7:14).
Noho izany, ny Kristianina
tsy tokony hikambana amin'ny tsy mino
(2Korintiana 6:14). Ny Kristianina tokony hanadio ny tenany ho afaka amin'ny fahalotoana
rehetra, na ara-nofo, na ara-panahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny
fahatahorana an'Andriamanitra
(2Korintiana 7:1). Arak’izany,
Andriamanitra nifidy Kristianina hatramin'ny voalohany mba hahazo famonjena
amin'ny fanamasinan'ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
(2Tesaloniana 2:14).
Ny marina dia tsy maintsy ilaina hahasalama ny saina, ary ny marina dia
famantarana ny olom-boafidy. Amin’izay novoaboasina rehetra teo aloha, dia hita
fa misy antony ary manana fikendrena voatendry mazava tsara koa ny lalàna be ho
an’ny maro ao anatin’ny Baiboly. Ny
fandrefesana ny Tempolin'Andriamanitra dia atao mifanaraka
amin’ireo lalàna ireo
(Apokalypsy 11:1).
3.2.4
Ny Didy Folo
Ny
Fiangonana namehy tena hitandrina ny Didy Folo araka ny hita ao amin’ny Exodosy
20:1-17 sy Deoteoronomia 5:6-21.
Ny
Didy Voalohany dia :
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra
anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. Aza
manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
Andriamanitra Ray no Ilay Hany Andriamanitra (Jaona 17:3) ary tsy misy Elohim eo
anatrehany na mitovy Aminy.
Tsy azo atao ny mivavaka amin’ny hafa, na dia Jesosy Kristy aza.
Ny
Didy Faharoa dia :
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na
ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ
amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. Aza miankohoka eo
anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia
Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny
zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo
amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
Noho
izany, dia tsy azo atao ny
manao sarin-javatra voasokitra, na ny mety ho endriky ny zavatra hafa hampiasana
amin’ny fivavahana na tao ohatra na simboly (marika famantarana).
Arak’izany, ny hazo fijaliana tsy azo ampiasana ao amin’ny Fiangonana ho simboly
(famantarana).
Ny didy rehetra dia anisan’ny famantarana ny fomba
fanao ara- pivavahana ary [dia izany] naorina tsara daholo.
Ny
Didy Fahatelo dia :
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah
Andriamanitrao ; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manantsiny izay manonona foana
ny anarany.
Ny
anaran’Andriamanitra manome fahefana, ary noho izany, ity didy fahatelo ity dia
tsy mikasika ny fampiasana teny ratsy ihany fa ny fampiasana ratsy ny fahefan’ny
Fiangonana koa sy ireo rehetra izay milaza ny tenany fa miasa eo ambany
fahefan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Ny
Didy Fahefatra dia :
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah
Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany,
na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao
na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo ambavahadinao. Fa
henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina
mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany
no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
Arak’izany, ny Sabata ny andro fahafito dia tsy maintsy atao
amin'ny finoana.
Tsy misy Kristianina na dia iray aza
afaka manompo an’Andriamanitra kanefa tsy mitandrina ny Sabata, izay fantatra ao
amin’ny alimanaka fa andro asabotsy.
Ny fametrahana andro hafa ankoatrin’ny andro fahafito ho andro
fivavahana dia manapaka (mandika) ny didy fahefatra sady izany maneho fa
simbolin’ny (mariky ny) fanompoantsampy izay tsy ao anatin’ny
sitrapon’Andriamanitra nolazaina. Fiodinana izany ary arak’izany dia heloka
amin'ny fankatovana, noho izany, mitovy amin’ny fanompoantsampy
(1Samoela 15:23). Raha
ampiarahana amin’ny Didy Faharoa izay manala ny didy fahefatra, dia tonga ho
fanompoana sampy izany. Ny fanaovana alimanaka izay mametraka ny herinandro
amin’ny fototra miodina dia mbola mitovy amin’ny manompo sampy ihany.
Ireo
didy efatra voalohany ireo mametraka ny tokony hifandraisan’ny olona
amin’Andriamanitra ary hita mazava ao amin’ny didy voalohany sady lehibe ireo,
izany hoe : Koa
tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao
rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra
(Marka 12:30).
Izany no Didy
Voalohany sy Lehibe [amin’izy rehetra]
(Matio 22:37-38).
Ny
fitoviana tanteraka amin’Andriamanitra dia avy amin’ny fanekena marina ny didiny
sy ny fanalavirana ny asa izay hanimba an’izany.
Ny
didy lehibe faharoa dia :
Tiava ny namanao tahaka
ny tenanao.
Tsy misy didy hafa
lehibe noho ireo
(Matio 22:39 ; Marka 12:31).
Ny
Didy Lehibe Faharoa dia hazavaina amin’ny fifandraisana misy ao amin’ny didy
enina farany ary mifandray amin’ny maha olombelona ireo.
Ny
Didy Fahadimy dia :
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro
ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Ny
fianankaviana no fototrin’ny firenena ary maneho ny fomba aseho eo amin’ny fomba
fandrefesana ny fivavahana ankapobeny.
Ny
Didy Fahenina dia :
Aza mamono olona.
Ny
Kristianina dia tsaraina amin’ny alalan’ny lalàna lehibe izay milaza hoe tsy
tokony ho tezitra amin’ny rahalahiny. Izay mitazona fahatezerena, dia manao
angovy (herisatra) amin’ny namany.
Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin'ny
fitsarana ; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana
ianao, dia miendrika hohelohina amin'ny Synedriona ; ary na zovy na zovy no
hanao hoe : 'Foka
ialahy',
dia miendrika ho ao amin'ny Gehena mirehitra afo (na fasana na helo)
(Mat. 5:22).
Ny
Didy Fahafito dia :
Aza mijangajanga.
Ny
Kristianina tsaraina amin’ny lalàna lehibe hoe ny
mijery vehivavy hila azy kanefa tsy mbola vadiny ilay
vehivavy (Matio 5:28).
Ny
Didy Fahavalo dia :
Aza mangalatra.
Ny
manao herisetra amin’ny namany dia manapaka ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Ny
Didy Fahasivy dia :
Aza mety ho
vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Ny
fahatsaram-panahy sy ny rariny dia hevitra mitovy satria teny iray ihany ireo
amin’ny teny Hebreo. Arak’izany, ny Kristianina dia tsy afaka ho tsara fanahy
nefa tsy manao ny rariny.
Ny fanovàna ny rariny amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelona diso dia
tsy mifanaraka amin’ny famonjena ny Kristianina.
Ny
Didy Fahafolo dia :
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao ; aza
mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny
ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
Ny
fitsiriritana dia fatao izay mametraka ny zavatra materialy na ny fiarahana
ara-nofo alohan’ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Noho izany dia
fanompoan-tsampy izany. Mametraka ny fitsiriritana amin’ny zavatra hafa izany
ary noho izany tsy fitandremana ny didy hafa izany. Arak’izany, ny didy miodina
eo aminy ihany satria ny fitsiriritana dia tonga mitarika ny tsy fitandremana ny
didy sasany ary noho izany ny famakiana ny ilany iray amin’ny lalàna dia
famakiana azy tanteraka. Noho izany, tsy misy [fifamaliana]
ny amin’ny ota. Ny ota dia ny fandikàna ny lalàna. Kristy nanome fanazavana ny
amin’ny fahalalana ny lalàna voasoratra ao amin’ny Matio 5:21-48 ; [mikasika] ny Exodosy 20:13 ; Deoteoronomeo 5:17, 16:18 ary koa Lioka
12:57-59.
Ny
didy dia tokony hampianarin’ny ray aman-dreny ny zanany tsy mijanona.
Tokony hofehezina
ho
famantarana eo amin'ny tanana ireo, sy ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin'ny
handrina (amin’ny fieretreretana sy ny atao) ary tokony ho soratina eo amin'ny
tolam-baravaran'ny trano
(Deoteoronomia 11:18-20).
3.2.5
Ny
Lalàna hafa mandidy ny Fitondratenan’ny Olombelona
3.2.5.1
Ny Lalàna ny amin’ny Fihinana [biby madio
sy maloto]
Ny
lalàna amin’ny sakafo
dia
eto amin’ny Levitikosy
11:1-47 sy Deotoronomia
14:4-21. Dia miankina amin’ny fitsipika ny vata-tenan’ny olombelona amin’ny
toetran' ny tena tsara sy amin’ny filamatry ny vata-tena. Ny didy dia manamasina ny tena, ary mahatonga ny vatana ho toerana miendrika ny
Fanahiny Masina.
Misy fanorenana mafy
ara-tsiansa amin’ny lalàna ny sakafo. Ny fihinana
ny rà dia fady
Deotoronomia 12:16, sy ny
sabora (jabora) kosa, Levitikosy 3:17.
Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby dia
tsy azo hanina (Ezekiela 44:31). Ny Fihinanana fady izay amin’ny lalàna
voankazo dia eto amin’ny
Levitikosy 19:23-26. Izany
lalàna izany dia misy vokany ara-panahy.
3.2.5.2
Ny Sabata
Ny
Sabata
amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy tandremana
(ao amin’ny Eksodosy 20:8-11 ; Deotoronomia 5:12-15) tahaka ny didy
nomen’ny Tompo ary anisan’ny Didy Folo. Ireo didy ireo
dia
tsy azo dikaina mandrakizay ho an’ny firenena rehetra. Ny Sabata dia masina. Na
iza na iza tsy manamasina ny Sabata dia hijaly ao amin’ny fahafatesana ary
hofongorana tsy ho amin'ny fireneny
(Eksodosy 31:14-15).
Ny
Sabata dia fanekena mandrakizay amin’ny zanak'Israely ary famantarana
mandrakizay aminy sy Andriamanitra, satria famantarana an’Andriamanitra ho Ilay
mpahary
[izao rehetra izao] (Eksodosy 31:15-16). Ny Kristianina rehetra dia Israely
ara-panahy [na Isiraelin'Andriamanitra] ary ny
Jentilisa rehetra, amin’ny farany, mety hiditra amin’ny firenen’ny Israely. Ary
noho izany, ny Sabata dia famantarana mandrakizay amin’Andriamanitra sy ny
fireneny.
Ny
valin’ny tsy fanamamasinana ny Sabata dia fahafatesana noho ny fialan’ny Fanahy
Masina ary ireo izay tsy manaraka ny Sabata dia ho entina ho
amin’ny fitsanganana
faharoa (Jereo Apokalypsy 20:5). Ny Sabata dia andro fifaliana [na andro
firavoravoana] ary tsy maintsy hajàna tahaka ny Andro Masin’ny Tompo. Tsy andro
hananana fahafinaretana amin’ny
zava-poana ny Sabata fa andro fivoriana masina (Isaia
58:13-14). Tsy azo atao ny manao raharaha sy ny mitondra entana amin'ny andro Sabata
(Jeremia 17:21-22).
Ny
Tompontsika nitandrina ny Sabata
tamin'ny andro niainany
(Marka 6:2). Ny
Apostoly nitandrina ny Sabata
(sy ny Andro Masina) ary isika koa tsy maintsy mitandrina ny Sabata. Ny Tompo
hampidritra indray ny Sabata, ny Voalohambolana sy ny Andro Masina amin’ny
herin’ny lalàna amin’ny fotoana fampodiana arivo taona amin’ny andro farany
ambanin’ny fandidian’ny Mesia, izay hanafay ny firenena rehetra tsy hanaiky
(Isaia
66:22-23 ; Zakaria 14:16-19).
3.2.5.3
Ny voalohambolana
Ny Voalohambolana dia tokony hotandremana araka ny voasoratra ao amin’ny
lalàna
(Nomery 10:10, 28:11-15 ; 1Tantara 23:31 ; 2Tantara 2:4, 8:13, 31:3). Ny
fivarotana dia tsy maintsy
atsahatra mandritra izany
andro izany tahaka ny mandritra ny Sabata (Amosa 8:5). Israely nitandrina
ny Voalohambolana (Isaia 1:13-14 ; Ezra 3:5 ; Nehemia 10:33 ; Salamo 81:3 ; Hosea 2:11), tahaka ny
nataon’ny Fiangonana hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny Fiangonana nitandrina ny
Voalohambolana sy ny Sabata sy ny Andro Masina (Kolosiana 2:16). Ny
Volohambolana hotandremana amin’ny fotoana fampiodiana ambanin’ilay
Mesia tahaka ny Sabata
(Isaia
66:23 ; Ezekiela 45:17, 46:1, 3, 6).
3.2.5.4
Ny Andro Masina [atokana] isantaona
Ny
Andro Masina isantaona dia hita ao amin’ny Levitikosy 23:1-44 sy Deotoronomia
16:1-16. Ireo Andro Masina isantaona ireo mampitaratra ny rafitry ny famonjena
avy amin’ny Tompo. Ny Andro Masina dia :
*
Ny Paska sy ny Andron'ny Mofo tsy misy Masirasira.
*
Ny
Pentekosta
*
Ny
Andro fitsofan-trompetra
*
Ny Andro Fanavotana
*
Ny
Andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo
*
Ny Andro Farany Lehibe.
Tsy
maintsy arahina ny fitandremana ny andro masina rehetra ary ireo no famantarana
ny amin’Andriamanitra sy ny Vahoakany. Ny Andro Masina dia atao tahaka ny
Sabata.
3.2.5.5
Ny fanambadiana
Ny fanambadiana dia
andrim-panjakana masina. Ny
fanambadiana dia tandindon’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana eo
ambanin’Andriamanitra (Apokalypsy 19:7, 9). Io fanoharana io dia nohazavaina ao amin’ny Matio
22:2-14. Andrim-panjakana
mandroso tsikelikely miaraka amin’i Kristy io (Matio 25:10) ary miankina amin’ny
fahavonononana hatrany ara-panahy. Manomboka amin’ny andro
fampihavanana farany, dia tsy hisy fanambadiana intsony. Ny fanambadiana natao
ho an’ny olombelona ary noho izany tsy
andrim-panjakana ho an’ny
Maro be rehetra any an-danitra (Matio
22:30). Arak’izany,
amin'ny fitsanganana tamin'ny maty, ny olombelona rehetra
tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina
(Marka 12:25). Amin’izany fotoana izany dia hatao mendrika hahatratra ny andro ho avy ny
olombelona rehetra amin'ny fananganana azy
tamin’ny maty. Ary noho izany ho tahaka ny anjely ny olombelona sady
Zanak'Andriamanitra
(Lioka 20:34-36).
Arak’izany, ny fanambadiana dia andrim-panjakana noforonina ho an’ny
olombelona ary tsy maintsy hotaperina nony efa vita ny asa amin’ny
fotoan’ny
olombelona amin’ny zavatra ary rehetra izao. Hatramin’ny nahariana an’i Adama,
io andrim-panjakana io napetraka mba hialan’ny
lehilahy handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana
amin'ny vadiny ; ary hahatonga azy ireo ho nofo iray ihany
(Genesisy 2:24).
Ny vady dia vady amin’ny
Fanekena ary ny Tompo maniry taranaka manana toe-panahy araka an'Andriamanitra.
Halan'ny Tompo ny fisaoram-bady, satria fampahoriana [olona] izany
(Malakia 2:16). Navelan'i Mosesy hisao-bady ny lehilahy, fa ny
Kristianina kosa tsy mahazo misaotra ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana
ihany
(Matio 5:31-32). Dia aoka ny olombelona tsy
hampisaraka ny olona nampiraisin'Andriamanitra
(Matio 19:3-12).
Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny
vavy dia aoka tsy hialany izy, toy izany koa raha misy vehivavy manam-bady tsy
mino ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy,
dia arak’izany, mitoetra maharitra ny fanambadiany (Korintiana 7:10-16).
3.2.6
Ny fitondràna ny vola
3.2.6.1
Ho
an’Andriamanitra
Ny fitondrana arabola ho an'Andriamanitra dia voasoratra ao amin’ny Deotoronomia
12:5-19. Adidin’ny Kristianina tsirairay ny miantoka ny fanaovana ny zavatra
rehetra amin’ny Fiangonana. Ny fitsipika amin’izany dia avy amin’ny
ampahafolon-karena ho an’Andriamanitra nataon’ny Levita amin'ny fisoronana
nanomboka tamin’ny nanababoana an’i Israely
(Deotoronomia12:9-14) ary talohan’ny Tempoly.
Ny hetran’ny
Tempoly dia raisina amin’ny Andro Fanavotana. Misy hetra
raisina, araka ny voasoratra ao amin’ny Nehemia 10:32. Ny asa dia isan'andro,
mandra-pihavin'ilay andro hametrahana ny fanjakan’i Mesia arivo taona
(Malakia 3:1-6). Ao amin’ny Malakia 3:7, Andriamanitra mandidy
ny firenena hiverina aminy, ary hiverina ho amin’izy ireo koa Izy. Ny fiverenana
amin’Andriamanitra dia ny fanaovana ny asan’Andriamanitra sy ny fanomezana ny
ampahafolon-karena rehetra (Malakia 3:7). Izay
tsy mandoa ny ampahafolon-karena rehetra dia mitovy amin’ny mangalatra
an’Andriamanitra
(Malakia 3:8-10).
Ny
fandoavana ny
ampahafolon-karena, rehefa ataon’ny maro, dia ahavitana ny fampadrosoana ny
asan’Andriamanitra, ary, ny vokatry ny tany
homen’Andriamanitra
(Malakia 3:10-12).
Ny
adidin’ny Fiangonana amin’Andriamanitra
dia maharitra hatramin'ny Apostoly na dia nisy ny tsy nanarahana izany, na koa
na dia nisy ny famelana ny fanompoana Azy
(2Korintiana12:13-18).
Satria Kristy naniraka ny mpianatra
tsiroaroa, ary tokony hanohana ny asa ataon’ireo ny Fiangonana izay iarahan’ireo
miasa (Lioka 10:1-12).
Fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny
zavatry ny tempoly, ary noho izany koa, izay milaza ny Filazantsara dia tokony
hotohanana amin’ny Filazantsara
(1Korintiana 9:13-14). Adidin’ny Fiangonana ny
miantra, araka izay ilainy,
ny mampianatra mitory ny filazantsara
amin’ny fotoana feno (1Timoty
5:17-18 ; cf. Deotoronomia 24:14-15).
Ny
ampahafolon-karena tian'Andriamanitra, ary ankasitrahany, fa kosa raha vola avy
amin’ny antombony
famitahana na koa raha
aterina amin'ny sampy dia tsy tiany
(1Korintiana 10:27). Ny
ampahafolon-karena omena ny Fiangonana mba
hahafahany manampy ny rantsam-batany izay tsy manana
(1Timoty. 5:9-10, 16). Ny
famoriana ny ampahafolon-karena tsy maintsy atao amin’ny tany anankiray, ary ny
ampahafolon'ny ampahafolon-karena omena ny foiben’ny Fivoriana araka ny
notanterahina ao amin’ny
Nomery 18:26 sy Nehemia 10:37-39. Ny lalàna ny amin’ny
voaloham-bokatra mandidy ny fandoavana haingana
(Eksodosy 22:29).
Ny voalohan’ny voaloham-bokatra tsy maintsy entina eo anatrehan'Andriamanitra
faingana amin’ny andro voalohany amin'ny andro firavoravoana rehetra ; ary
indrindra, amin’ny andro hariva voalohany amin'ny andro
Fivoriana na ny andro firavoravoana
Fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo
(Eksodosy 23:19).
Dia
izay voalohan-teraka hohamasina koa ho an’Andriamanitra
(Nomery 18:15-18).
3.2.6.2
Ho an’ny Olona hafa
Raha
misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana
izy ka ratsy noho ny mivadika (1Timoty 5:8).
Ny Kristianina tsy mahazo
mampahory na tsy manome ny karamany an'iza n'iza (Deotoronomia 24:15). Ny
Kristianina tsy maintsy mandoa ny totalin’ny vola rehetra notrosainy ary,
amin’ny andro sabatan-taona, tokony hanadino ny trosan’ny rahalahy ao amin’ny
finoana
(Deotoronomia 15:1-3 ; Nehemia 10:31).
Ny ampahafolo ho an’ny andro
firavoravoana dia voadidy amin’ny lahasoratra maro. Ny ampahafolo faharoa tsy
azo lanina ao antrano fa eo anatrehan'Andriamanitra no hihinanana azy, dia eo
amin'ny tany izay hofidin'Andriamanitra
(Deotoronomia 12:17-19).
Amin’ny
taona fahatelo
amin’ny fihodinana [cycle] Sabata, misy fahafolo omena ho an’ny mahantra
(Deotoronomia 14:28, 26:12). Ny taonan’ny fahatelo ampahafolo dia 1994-95, 2001-02, 2008-09, 2015-16, 2022-23, 2030-31. Ny
taona masina 2030/31 dia
voalohan’ny taona fahatelo ampahafolo
amin’ny
fihodinana [cycle] vaovao
amin'ny Jobily na ny arivo taona vaovao. Io miankina amin’ny taona rehetran’ny
Jobily izay latsaka amin’ny taona
27-28 sy taona 77-78 fantatra ao amin’ny Ezekiela 1:1. Ny
famehezana ny
ampahafolo amin’ny
taona fahatelo dia azo atao ny tsy anaovana azy na koa azo ovana, miankina
amin’ny lalam-panorenan’[constitution] ny Fiangonana amin’ny tany manana fomba
fandrefesana ny asa fanasoavana antoka sahaza izany.
Ny andro Sabatan-Taona dia taona fitsaharana ho an’ny
tany, ny tany be voaloboka sy ny saha mahavokatra [na saha be hazo mamoa] mba
hisy hohanin'ny malahelo sy ny biby any an-tsaha koa
(Eksodosy 23:10-11).
Ny
andro Sabatan-Taona rehetra dia latsaka amin’ny taona masina rehetra
1998-99, 2005-06, 2012-13,
2019-20, 2026-27, dia
ny taona Jobily latsaka amin’ny taona
2027-28.
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'ny Tompo,
ary izay nomeny dia honerany kosa
(Ohabolana
19:17) ary
tsy
hanan-java-mahory izy
(Ohabolana
28:27), ary
hanana rakitra any an-danitra koa
(Marka 10:21). Andriamanitra afaka manome antsika izay hahafahantsika manao
asa tsara, ary tsy ho fiantràna ny olona masina ihany fa kosa hahabe ny
fisaoran'ny maro an'Andriamanitra koa
(2Korintiana 9:6-12).
3.2.7
Ny amin’ny Ady sy ny Latsa-bato
3.2.7.1
Ny Ady
Ny
Olona masina dia mpisoron’i Andriamanitra Avo Indrindra.
Tsy mety ho an’ny Kristianina ny mamono olona
(Exodosy 20:13 ; Matio 5:38-48 ; Lioka 6:27-36).
Raha ny mpanompon’i Kristy
mba
avy amin'izao tontolo izao dia ho niady ny mpanompony, mba tsy ho voatolotra
tamin'ny manam-pahefana amin’izao tontolo izao (Jaona 18 :36).
Na dia mipetraka amin’izao
tontolo izao aza ny mpanompon’i Kristy dia
tsy mba miady araka ny nofo
(2Cor. 10:3). Fa
ny fiadian'ny tafikin’ny olom-boafidy dia mahery amin'Andriamanitra handrava
fiarovana mafy (2Cor. 10:4). Arak’izany, ny Kristianina tsy maintsy manohana ny mpitondra
fanjakàna eo amin’ny taniny ary miasa amim-pivavahana sy fankatoavana marina mba
ho tsara ny tany ary mba ho arovan’Andriamanitra amin’ny Heriny.
3.2.7.2
Ny Latsa-bato
Ny
Kristianina tsy maintsy mitandrina ny lalàna eo amin’ny taniny afa-tsy raha ireo
lalàna ireo mifanohitra [mivantana]
amin’ny lalàna ao amin’ny Soratra Masina. Rehefa ny lalàna manery ny olona tsy
maintsy handatsa-bato, ny Kristianina mahazo mandatsa-bato raha tsy mifanohitra
amin’ny [fomba] ao amin’ny Soratra
Masina izany. Ny fifidianana mpitondra amin’ny fifidianana dia voasoratra ao
amin’ny Deoteoronomia 1:9-14 sy
ny andro farany
na ny faminaniana ho an’ny Hosea 1:11. Ny manana anjara amin’ny fifandirana momba ny Fitondram-panjakana dia mitovy amin’ny
fanalavana ny ady.
Toko 4
Ny Fampianarana ny amin’ny Mesia
4.1
Ny fisian’ni Kristy rahateo
Jesosy
Kristy, talohan’ny naha olombelona azy, nisy fisiana tahaka ny maha-izy fanahy. Velona izy hatramin'ny
niandohan’ny nanaovana izao tontolo izao (Jaona 1:1), izy no
Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao (Kolosiana 1:15), dia noho
izany, izy no niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao (Apokalypsy
3:14). Izy ilay nolazaina ao amin’ny Testamenta Taloha Ilay Anjelin'i Yahovah,
Ilay Anjelin'ny Tavany na Anjelin’ny Fanekena. Izy ilay anjely nitondra
an’Israely nivoaka avy tany Egypta tao amin'ny Ranomasina Mena. Izy ilay Anjely
teo afovoan'ny rahona sy ilay Anjely niresaka tamin’i Mosesy (Asa 7:35-38). Izy
ilay Andriamanitr'i Betela [Hebreo : El Bétel] na El, ilay Andriamanitra na ny
Mpisoronabe ao amin’ny Tranon'Andriamanitra
(Genesisy 28:17, 21-22, 31:11-13 ; Hebreo 3:1).
Kristy dia Ilay Anjelin’i HaElohim (Genesisy 31:11-13). Notendren’i
elohim [Andriamaniny] ho
elohim izy
(Salamo 45:6-7),
ary io Andriamaniny io dia
Andriamanitra Ray. Tahaka ny zanaka no
nahatokiany Izay nanendry azy, tahaka izany koa Mosesy izay nahatoky tao amin'ny
tranon'Andriamanitra (Hebreo 3:2), tahaka ny mpanompo.
Tonga
tetỳ
ambonin'ny tany Kristy hanambara ny marina (Jaona 18:37). Ny Fanjakany tsy mbola
tonga eto ambonin'ny tany. Notendrena izy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao
tontolo izao, kanefa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny amintsika
(1Petera 1:20).
4.2
Ny Fanomboana ny Mesia amin’ny
Hazo fijaliana sy ny Fitsaganany tamin’ny maty
Nirahina ho amin'izao tontolo izao
Kristy mba hamonjy ny olombelona amin’ny fanafahana ny
fahotan'izao tontolo izao (Matio 1:21, 9:6 ; Marka 3:28), tahaka ny zanak’ondry
(Apokalypsy 5:6-8). Izy no ilay Zanak'ondry, Izay voavono hatramin'ny nanorenana
izao tontolo izao, novonoina araka ny fahalalan’Andriamanitra ny ho avy
(Apokalypsy 13:8).
Fa raha tsy mino ny olombelona rehetra fa Kristy no Ilay Mesia, dia ho faty
amin'ny fahotany izy rehetra (Jaona 8:24).
Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary
natsangana tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina (1Korintiana
15:3-4) ; dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby dimam-jato Izy, (1Korintiana
15:5-6). Ary efa nitsangana Kristy talohan’ny andro alahady,
izay andro voalohany amin'ny herinandro (Jaona 20:1 ; jereo koa Marka
16:9-10, diniho ny fotoan’ny verba nitsangana). Nolazaina fa nitoetra hateloan'andro sy hateloan'alina izy ao
anatin'ny tany, tahaka ny famantarana ny amin'i Jona (Matio 12:39-40 ; jereo
kosa Lioka 24:6-8).
Nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Kristy (Matio 27:32-50 ;
Marka 15:24-37 ; Lioka
23:33-46 ; Jaona 19:23-30) nanomboka
tamin'ny ora fahatelo, i.e. amin’ny sivy maraina,
(Marka 15:25) ka hatramin'ny ora fahasivy, i.e. amin’ny telo hariva,
(Marka 15:33) amin’ny faha 14 [tamin'ny
volana] Nissan. Tsy
misy porofo hita ny amin’ny hazo fijaliany na tsato-kazo na
hazo tahaka
“T” izay
hevitra novelabelarina taty afara.
Ankoatrin’izany, ny hazo fijaliana tsy natao
simboly [na ohatry] ny finoana, satria ny hazofijaliana avy amin’ny fadifady
taloha tsy-kristinanina.
Nohomboana
tamin'ny hazo fijaliana Kristy
ary
natsangana (Marka 16:6). Tamin’ny andro
nitsanganany, niakatra ho any amin'ny Rainy sy ny
Raintsika Izy, ary ho any amin'Andriamanitrany sy Andriamanintsika
(Jaona 20:11-18).
Nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, sy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery
nampanekena azy Izy (1Petera 3:22).
Kristy nanome, amin’ny alalan’ny apostoly, fahefana ho an’ny Fiangonana mba
hahafafahany hamela na tsy hamela heloka na ota
(Jaona 20:22-23).
4.3
Ny Fihavian’i Kristy Faharoa
Voalohany, tonga Kristy mba ho
fanatitra noho ny famelana ny helotsika [ny otatsika]. Tsy tonga voalohany ho
Ilay Mesia Mpanjaka izy, ary tsy nahafantatra tsara an’izany ny Jiosy
tamin’izany androny izany. Fa mpanjaka mampanaiky amin’ny ady no nandrasan’izy
rehetra (Matio
27:11, 29, 37 ; Lioka 23:2-3, 37-38 ; Jaona 19:14-16). Kanefa, nisy sasany
tamin’ireo nahafantatra fa
Mpanjakan'i Isiraely
izy (Jaona 1:49, 12:13-15) noho ny
tsindrimandry ny Fanahy Masina,
araka ny fahatanterahan’ny
faminaniana (Zakaria
9:9).
Hiverina indray Jesosy ary ho
avy
amin-kery, miarak’amin’ny maro be any an-danitra
(Matio 25:31), ho avy
tahaka Mpanjaka Mesia (Apokalypsy 17:14). Ho hita mazava tsara ny fiaviany
faharoa,
tahaka ny helatra hita eny an-danitra (Matio 24:27). Hanjaka amin-kery miaraka
amin’ireo olona masina izay natsangana izy (Apokalypsy 20:4).
Haringan'i Jesosy ilay tena mpandika lalàna, amin’ny fiverenany (2Tesaloniana
2:8) ary koa,
any aoriana, ny
fahefana rehetra eo amin’izao tontolo
izao. Ilay tena mpandika lalàna ho avy araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy
ny famantarana sy ny fahagagana mandainga (2Tesaloniana 2:9). Io fihemorana io
ho tonga eo amin'ny Tempolin'Andriamanitra satria tsy nandray ny fitiavana ny
fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran'Andriamanitra
fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoan’izy ireo ny lainga,
satria
tsy
nitandrina ny marina izy ireo
(2Tesaloniana 2:10-12). Ny
Tompo
handrava io
fatao
fihemorana io amin'ny fofonain'ny vavany sy amin'ny
fisehoan'ny fihaviany (2Tesaloniana 2:8).
4.4
Ny Fanjakan’i Kristy mandritra ny
Arivo taona
Kristy
hanorina fanjakana eto amin’ity tany ity mandritra ny arivo taona mbamin'ny
olona masina natsangana (Apokalypsy
20:3-4). Hafatotra Satana
mandritra ny arivo taona, hafatotra tamin'ny gadra amin'ny lavaka tsy hita
noanoa fahamaizinana na (Grika : tartaroo),
eo amin'izay nisy ny anjely fony nanota (2Petera 2:4). Ny olona masina, ireo
izay notapahin-doha noho ny filazana an'i Jesosy sy ny tenin'Andriamanitra sy
izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan'ny bibi-dia na teo anoloan'ny sariny ary
tsy nandray ny marika ho eo amin'ny handriny na ho eo amin'ny tànany ; ary ho
hatsangana ireo ka hiara-manjaka amin'i Kristy arivo taona (Apokalypsy 20:2-4).
Izany no fitsanganana voalohany
(Apokalypsy 20:5).
Fa
ny sisa amin'ny maty dia tsy mbola hatsangana mandra-pahatapitry ny arivo taona
(Apokalypsy 20:5).
Izany no fitsangana faharoa na hoe fitsangan’ny rehetra.
Mandritra io arivo taona io, Kristy
hamerina ny Fanjakana mifanaraka amin’ny lalàn’ny Soratra Masina nomeny tao
amin’i Sinay. Izany hiseho, amin'ny andro hametrahany ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra
Oliva (Zakaria 14:4,
6ff). Ny firenena rehetra ho tonga hanafika an'i Jerosalema ary horavana ireo
(Zakaria
14:12). Ny sisa
velona amin’ny firenena samy hafa rehetra
dia handeha isan-taona any Jerosalema hiankohoka eo
anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro, ary hitandrina ny Andro Firavoravoana
Fitoerana An-trano Rantsan-kazo (Zakaria 14:16). Ny Sabata,
sy ny Voalohambolana ary ny Andro Masina amin'ny
fotoam-pivavahana rehetra tsy maintsy harahina ary ny lalàna ho avy tany
Jerosalema. Ary na iza na iza amin'ny firenena samy hafa amin'ny tany no tsy
mampiakatra iraka ho any Jerosalema amin’ny Andro Firavoravoana Fitoerana An-trano
Rantsan-kazo, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy
amin'ny fotoany (Zakaria 14:16-19).
Ary
rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao amin'ny
tranomaizina nitoerany
ka
hivoaka hamitaka ny firenena eny amin'ny vazantany efatra (Apokalypsy 20:7-8).
Ny firenena hiangona ho
amin'ny ady, fa horavana amin’ny afo (Apokalypsy
20:9).
Ary amin’ny izay Satana horavana. Rehefa avy eo, ho tonga ny Fitsangan’ny olona
rehetra amin’ny maty sy ny Fitsarana (Apokalypsy 20:13-15).
Toko 5
Ny amin’ny Ratsy
5.1
Ny
Fisian’ny Ratsy noho ny
Fionjónanan’ireo maro be
rehetra any an-danitra
Satana
noroahina (latsaka)
avy tany an-danitra noho ny ota fiodinana nataony, izay, fa satria tiany ny
hanana sitrapo mitovy na ambonin’ny sitrapon'Andriamanitra, dia fanompoan-tsampy
izany (na fankatovana [fanaovana ody] tahaka ao amin’ny 1Samoela 15:23). Satana
nitady ny fitoviana amin'Andriamanitra Avo Indrindra na Andriamanitra Ray. Fa
Kristy, tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
fa nametraka ny sitrapony eo ambanin’ny sitrapon’Andriamanitra izy (Jaona 4:34).
Izay, na dia nanana ny endrik'Andriamanitra aza,
dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
fa nofoanany ny tenany tamin'ny nakany ny
endriky ny mpanompo sy nahatongavany ho manam-pitoviana amin'ny olona ary rehefa
hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny
fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana.
Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy
indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra
(Filipiana
2:6)
Noho izany Andriamanitra nanandratra an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana,
satria tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin'Andriamanitra,
ary tsy nanohatra hametraka an’Andriamanitra izy tahaka ny nanoharan’ny
ampahatelony elohim na
bene elohim atao.
Ao
amin’ny Lioka 10:18, Kristy niteny hoe
nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra izy. Satana
nanala ny ampahatelon'ny Anjely na ny Kintana amin'ny lanitra
(Apokalypsy 12:4).
Nazera tamin'ny tany ireo anjely ireo miaraka amin’ny Satana
(Apokalypsy
12:9).
Io fandravana io voaohatra amin’ny fandravana ao amin’ny Apokalypsy 8:10 dia ny
anjely fahatelo mampiseho indray ny fandravana vokatry ny fahalavoan’ny Kintana
iray amin’Ireo maro be any an-danitra, izay nanimba ny ampahatelon’ny nohariana
rehetra. Ireo maro
be rehetra any an-danitra noravain’ny fiodinana. Ireo maro be rehetra any an-danitra
dia ny Tabernakelin'Andriamanitra any an-danitra. Ny fiodinana nahatonga ny
fanesorana ny ampahatelon'io tabernakely io, ary ny fatao ety an-tany nanokatra
ny vavany hiteny ratsy [manao blasfemia] ny anaran’Andriamanitra sy ny
Tabernakeliny, dia izay rehetra mitoetra any an-danitra (Apokalypsy 13:6). Ary
toy izany, Andriamanitra mitoetra amin’ny tabernakely any an-danitra, izay Ireo
maro be rehetra any an-danitra, sy amin’ny olom-boafidy, izay
fonenan’Andriamanitra ety an-tany.
5.2
Ny Fampianarana ny amin’ny
Fitendrena rahateo
Fa
Andriamanitra amin'ny alalan’i Kristy, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, no
manokatra ny sain'ny olom-boafidy, manomboka amin’ny Apostoly, mba hahalalana
tsara ny Soratra Masina (Lioka 24:45). Kristy dia niteny amin’ny fanoharana mba
tsy hahafahan’ireo tsy olom-boafidy hahafantatra. Fa raha tsy izany, dia
hibebaka izy ireo, ary hovonjena
(Matio 13:10-17) alohany hahafahany mahazaka miditra ao amin’ny
fitsarana. Andriamanitra be indrafo ka tsy maniry ny hahavery na iza na iza. Noho izany, araka ny
fahalalan'Andriamanitra ny ho avy, samy voantso tsirairay ny olona araka ny
Fikasany. Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny
Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. Ary izay notendreny no
nantsoiny koa ; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa ; ary izay nohamarininy
no nomeny voninahitra koa. Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra
izany ? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? (Romana
8: 28-31).
5.3
Ny Toetran’ny Olona efa Maty
Ny
toetran’ny olona efa maty dia
mangingina (Salamo
115:17) sy
maizina (Salamo
143:3). Tsy misy olona
velona mandrakizay. Mitovy ihany ny mihatra amin'izy rehetra
(Mpitoriteny 9:3).
Fa ny maty tsy mba mahalala na inona na inona
(Mpitoriteny 9:5).
Ny
sasany izay efa maty ela tsy ho velona intsony (Isaia 26:14 ; jereo ny fivoasana
ao amin’ny Baiboly Companion sy Interlinear).
Ny
olona masina maty
voatonona tahaka ny matory na
izay nodimandry
(Jereo Matio 9:24 ; Jaona 11:11 ; 1Korintiana 11:30, 15:6, 18, 51 ; 1Tesaloniana
4:13-15 ; 2Petera 3:4).
5.4
Ny Fitsanganana amin’ny Maty
Andriamanitra manao fahagagana amin’ny maty ary ireo izay efa maty hitsangana
Hidera Azy (Salamo 88:10). Rehefa hatsangana amin’ny maty ny maty dia hitory any
am-pasana ny Fitiavan’Andriamanitra tsy mety mihozona (Salamo 88:11). Fantatr’i
Joba fa velona ny Mpanavotra azy (Joba 19:25), ka ho tonga ety an-tany. Ary
rehefa levona ny hodiny, fantatr'i Joba fa hahita an’Andriamanitra amin'ny
nofony izy ary ny masony no hijery an’Andriamanitra, fa tsy [mason’]olon-kafa
(Joba 19:25-27).
Kristy
nanangana ny maty mba hahafantarantsika fa izy ilay Mesia
(Matio 11:4-5).
Lazarosy dia ohatra iray amin’ny fahefana ananany
(Jaona 11:11). Ny fampitsanganana amin’ny maty nataon’i Kristy, dia
fantatra tsara ary nantenain’ny manam-pahefana taminy androny
(Matio 14:2).
Fantatra fa tsy hodimandry avokoa isika rehetra, fa
kosa hovana isika rehetra, rehefa maneno ny trompetra farany
(1Korintiana 15:51).
Arak’izany, hisy
taranaka rahalahy maro handalo ary hodimandry fa, amin'ny andro farany, ho
tonga fony mbola velona ny olona masina sasany. Dia amin’izay, isika rehetra
hovana tena araka ny fombam-panahy tsy mety maty (1Korintiana 15:44ff.). Izay
efa nodimandry hatsangana. Izay velona amin'ny fihavian’ny Tompo, dia tsy mba
hialoha izay efa nodimandry (1Tesaloniana. 4:13-15). Fa ny (tenan’ny)
Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely
ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana
aloha, ary rehefa afaka izany, dia izay velona ka mbola mitoetra no hakarina
hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka ;
dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva izy ireo
(1Tesaloniana 4:16-17).
Amin'ny fitsanganana amin’ny maty, ny fanjakan’ny olona masina mandritra ny
arivo taona hanomboka. Ny olona masina homena fahefana hanjaka amin'ny firenena
rehetra amin'ny tehim-by (Apokalypsy 2:26-27).
Fa
amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady
(Matio 22:30).
Fa ny olona masina rehetra ho tonga
maha-izy fanahy. Fa maty hamonjy antsika Kristy mba, rehefa hifoha isika
hiara-belona aminy koa.
(1Tesaloniana 5:10).
Tsy maintsy fantatsika
tsara fa ny tsara fanahy ihany mandray anjara amin’ny
fitsanganana voalohany.
Ny Hatsaram-panahy (zedèk)
sy ny Fahamarinana
dia teny iray ihany amin’ny Hebreo. Fantatra fa mitovy hevitra ireo teny roa
ireo. Koa, ny faharatsiana tsy mibebaka dia misakana ny olom-boafidy tsy
hatsangana amin’ny fitsanganana voalohany.
5.5
Ny Famaizana ny Ratsy fanahy
Ny
olombelona manaiky ny fatao
araka ny hatsaram-panahy. Irin'Andriamanitra
tsy hisy ho very na dia iray aza, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra
(2Petera 3:9).
Raha manala ny fanahiny Andriamanitra, dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra
ary hiverina amin'ny vovoka ny olona (Joba 34:15), arak’izany ny aina tsy misy.
Ny
Olona rehetra,
tsy
natsangana amin'ny fitsanganana voalohany, izay fitsanganana tsara lavitra
(Hebreo 11:35),
hatsangana tamin’ny maty amin’ny fitsanganana faharoa aoarian’ny fanjakan’i
Mesia arivo taona. Toa haharitra zato taona io andro fitsarana io (Isaia 65:20).
Ny fitsanganana ho fitsarana (Jaona 5:29) dia fitsanganana anatra sy amin'ny
fampianarana mba hahafahan’ny olona rehetra hiomana handray ny fiainana
mandrakizay. Ny teny fitsarana (Grika: Kriseoos) mana hevitra
fanapahana.
Io
hevitra io dia anatra manaraka ny fihevitra na fanapahana mikasika
ny atao. Mety misy amin’izany koa ny hevitra famelezana na famaizana.
Fa kosa, ny ankapoben’ny olona tsy nahalala an'Andriamanitra, ary tsy azo hamaizana noho izany.
Ny
ratsy fanahy tsy maintsy hampanaovina fitaomana mafy. Raha tsy mibebaka izy,
aorian’ny zato taona nomena taorian'ny fitsanganana faharoa, dia ho faty ary ny
tenany haringana amin'ny Gehena mirehitra afo (nadika
helo) (Matio 5:22,29,30, 10:28, 18:9, 23:15, 33 ; Marka 9:43, 45, 47; Lioka 12:5 ;
Jakoba 3:6).
Misy
teny telo ao amin’ny Testamenta Vaovao nadika
helo. Ireo teny ireo dia SHD 86
Hades [Hadesy] mitovy amin’ny SHD 7585
Sheol
[Shoela], na lavaka na an-tany fandevenana, toerana ametrahana ny fatin'ny
olona. Ny lahasoratra roa hafa dia SGD 1067
Gehenna
[Gehena], teny Hebreo midika
Lohasahan'i Hinoma. Lavaka
fisiana
loto izany ary
toerana fandoroana ny
biby maty tany Jerosalema.
Arak’izany, Kristy nampiasa io teny io tahaka ohatra amin’ny toerana misy ny
maty,
ny tena sy ny fanahy (Matio
10:28), ao aorian’ny fitsarana. Ny teny fahatelo dia SGD 5020
tartaros, lavaka
izay toerana namatorana ny
anjely tao aoarin’ny fiodinany.
Ny
helo mandrakizay (Grika Kolasin,
valin'ny heloka araka ny lalàna fanamelohana), ao amin’ny Matio 25:46, dia
mifanohitra amin’ny fiainana mandrakizay. Ny helo midika, hoatra tahaka Grika
timoria ao amin’ny Hebreo 10:29 izay
midika fanamarinana. 2Korintiana 2:6 mampiasa teny Grika
epitimia avy amin’ny fiheverana
ho tahaka
olom-pirenena.
Ary amin’izay ny sazy midika fanesorana
fiheverana ho
olom-pirenena.
Arak’izany, tsy misy toerana fampijalina
madrakizay ny olona maty. Ny olona masina hantsoina hanao asa amin’ny
fitsanganana voalohany, hampianatra mandritra ny arivo taona mba hahafahana
mitsara ny devoly araka ny ataony ary ny olona rehetra, amin’izay, hanana
fampitahana hahafahana mandrefy ny vokatra. Izy ireo tsy ho maty satria
notsaraina amin’izao fotoana izao. Lazaina fa
nodimandry izy ireo.
Ny
olona rehetra sisa, tsy anisan’ny olom-boafidy, dia tsy ho tsaraina amin’izao.
Ny olona rehetra sisa hatsangana ary ho faizana na hahitsy, eo ambany
fanarahamason’ny mpitandrina, amin’ny fitsanganana faharoa (Apokalypsy
20:12-13). Tsy misy fitsanganana hafa na fanamelohana raha tsy ny fitsanganana
faharoa. Izay mibebaka hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny olona
masina izay nitsangana tamin’ny fitsanganana voalohany, ary izay tsy mibebaka ho
maty, ary hodoroina ny fatiny. Ao aorian’izany, ny fitoerana nasiana ny olona
maty sy ny fandevoana, izay atao hoe Hadesy, ho ravana tanteraka (Apokalypsy
20:4). Izay ratsy fanahy mbola velona rehefa tonga ilay Mesia ho vonoina
(Malakia 4:3) ary noho izany hatsangana amin’ny Fitsanganana faharoa.
Ny
Fitsanganana faharoa dia ny fanamelohana nomena an’i Joda noho ny izy
nandà an’i Kristy. Izy ireo no zanaky ny fanjakana izay nariana amin'ny maizina
any ivelany (Matio 8:12). Satria tsy niray amin'ny fomban'Andriamanitra izy ireo
(2Petera 1:4) ary, noho izany, tsy nandray anjara amin’ny Fitsanganana
voalohany, dia nentina izy ireo, tahaka firenena, amin’ny fitsanganana faharoa.
Ankoatrin’ireo notendrena amin’ny foko ny Joda ho anisan’ny olom-boafidy
(Apokalypsy 7:5), Joda tsy nofidina handray anjara amin’ny fitsanganana
voalohany. Maro no antsoina, nefa vitsy no fidina hiandraikitra ity asa ity
(Matio 22 :13-14). Maro ireo izay nanambady an’i Kristy, nefa nampahory ny
olom-boafidiny, na koa ireo mpanompo tsy nanana faharetana (Matio 25:30), izay
ho entina amin’ny fitsanganana faharoa (Matio
24:51, 25:30), satria maro ny ho voaroaka (Lioka
13:26-28), ary na dia ireo nitsangana tamin’ny fitsanganana voalohany
aza, hapetraka araka ny fialohana
(Lioka 13:30).
Toko 6
Ny Fiangonana
6.1
Iza na Inona ny Fiangonana
Kristy
nilaza fa
haoriny eo ambonin'ny vatolampy ny Fiangonany ary ny vavahadin'ny Hadesy tsy
haharesy azy (Matio 16:18). Andriamanitra no vatolampy ary ambonin’io vatolampy
io no hanorenany ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia fivorian’olona maro. Ny
Fiangonana tsy trano na
fanjarianasa iraisana.
Ny Fiangonan'Andriamanitra dia anarana nomena ny Fiangonana tsirairay
(1Korintiana 1:2 ;
2Korintiana1:1 ary koa 1Korintiana 11:22 momba amin’ny Fiangonana
any
Korinto). Ny
fitambaran’ireo fiangonana tsirairay dia ny atao hoe Fiangonan’Andriamanitra
(Asa 20:28 ; Galatiana 1:13 ; 1Timoty. 3:5) ary tahaka ny
Fiangonan’Andriamanitra (rehetra) (1Korintiana 11:16 ; 1Tesaloniana 2:14 ;
2Tesaloniana 1:4). 1Korintiana 14:33 milaza ny momba ny Fiangonan’ny
olona masina, momba ny olona tsirairay izay ao aminy.
Ny Fiangonana nanana toerana misy azy maro ary ny fiangonana tsirairay samy
miandraikitra ny raharaha eo aminy.
Ny
olona tsirairay antsoin’Andriamanitra ary omeny an’i Kristy (Jaona 17:11-12 ;
Hebreo 2:13, 9:15). Ny Tompo
manampy ho isan'ireo ao amin’ny Fiangonana, isan'andro
isan'andro, miaraka amin’ny izay olona nantsoina ho vonjena
(Asan’ny Apostoly 2:47). Ny
Fiangonana fantarina (na omena anarana) araka ny
toerana misy azy
(Romana 16:1 ; 1Korintiana1:2 ; 1Tesaloniana 1:1 ; 2Tesaloniana1:1 ; 1Petera
5:13) ary
matetika kely ny fiangonana maro na koa mivory ao an-trano
(Romana 16:5,23 ;
1Korintiana 16:19 ; Kolosiana 4:15 ; Filemona 1:2).
Kristy notendrena ho
lohany manapaka ny zavatra rehetra momba ny Fiangonana (Efesiana 1:22).
Andriamanitra mampiseho amin’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny
mahamaro
samy hafa ny fahendreny amin'ny fitondrany ny
fiangonana amin'izao ankehitriny izao (Efesiana 3:10). Kristy koa no Lohan’ny Fiangonana, izay ny
tenany, ary ny fiangonana manaiky an’i Kristy. Nanolotra ny tenany hamonjy ny
Fiangonana Kristy, dia tokony tahaka izany koa no tokony hataon’ny lohan'ny
fianakaviana ho an’ny fianakaviany (Efesiana 5:23-26).
Ny
Fiangonana tokony hatolotra an’i Kristy
tsy misy pentimpentina, na
fiketronana, masina sady tsy misy tsiny (Efesiana 5:27).
Kristy no mamelona ny Fiangonana
(Efesiana 5:29). Kristy,
araka ny maha lohan’ny Fiangonana azy, dia ilay
lahimatoa amin'ny maty, mba ho izy no ambony indrindra. Arak’izany, ny
Fiangonana izay tenan'i Kristy, dia vadin’i Kristy, vady olona mivory izany,
amin’ny fitsanganana voalohany, rehefa miverina ilay mpampakatra
(Matio 25:1-10 ; Kolosiana
1:18,24).
Ny
Fiangonana dia
Fiangonan’ny lahimatoa ary ny anaran’izy ireo voasoratra any an-danitra
(Hebreo 12:23).
Ny Tranon'Andriamanitra dia ny
Fiangonan'Andriamanitra Velona sady
andry sy fiorenan'ny fahamarinana. Ary arak’izany, ny Fiangonan’Andriamanitra
naorina amin’ny fahamarinana
(1Timoty 3:15).
6.2
Ny fandaminana ny Fiangonana
Ny
Fiangonana manana adidy ny amin’ny fiadanan’ny momba ny tenany (1Timoty 5:16). Dia
atao eo amin’ny tanàna misy ny fiangonana ihany izany.
Ny mpiandry ny Fiangonana dia ny loholona sy ny
diakona, notendren'ny rahalahy
(Asan’ny Apostoly 1:22, 26, 6:3, 5-6, 15:22 ; 1Korintiana 16:3 ;
2Korintiana 8:19, 23), izay mivavaka ary manosotra
ny rahalahy marary amin’ny anaran’ny Tompo (Jakoba 5:14). Ny Fanahy Masina nanao
an’izy ireo ho mpitandrina ny ondry rehetra izay ny fiangonan'Andriamanitra
(Asan’ny Apostoly
20:28). Ny Fiangonana manana fahazaka-tena lehibe (3Jaona 1:9-10). Ny diakona sy
ny
diakona vehivavy miandraikitra ny asa momba ny fitondrana ny Fiangonana (Romana
16:1), ary izy ireo vinavinaina amin’ny raharaha (asa) ataony
(Filipiana 1:1 ; 1Timoty
3:8-13). Ao amin’ny Fiangonana, misy
raharaha maro,
anisan’izany ny
mpaminany sy ny mpampianatra
(Asan’ny Apostoly 13:1),
ary koa misy
fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho
entimahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa.
(1Korintiana 12:28).
Ny Fiangonana mampianatra
amin’ny fiteny fantatra, milamina ary mazava tsara ho an’izay rehetra manatrika
ao
(1Korintiana 14:4-5).
Ny Fiangonana manana anjara hiombona amin’ny asan’ny
mpianatra na evanjelista izay nahazo ho andraikitra na anjara-raharaha ny
hitandrina faritany bebe kokoa noho ny Fiangonana tsirairay
(Asa 14:23,27 ; 15:3, 4, 22
; 18:22 ; 20:17 ; 1Korintiana 4:17).
Kristy
nanome teny hafatra fohy sady mazava amin’ny Fiangonana tsirairay sy amin’ny
anjely manana andraikitra azy ireo, tahaka ohatra ho an’ny olom-boafidy
(Apokalypsy 2:1, 8, 12, 18 ; 3:1, 7, 14).
Ny
raharaha fitsarana sy fitondrana ny asa isan’andro dia tsy maintsy ataon’ny
tenan'ny Fiangonana, mba hitombo izy ireo ho amin’ny ny asam-pitsarana
an’ireo marobe rehetra any an-danitra (1Korintiana 6:4).
6.3
Ny Fikendrena ny Fiangonana sy ny
asan’ny Fiangonana
Ny
fikendren’ny Fiangonana voalohany dia hampandroso
ny fitoriana ny filazantsaran'Andriamanitra, araka ny fanirahana nomena an’i
Jesosy Kristy
(Matio 4;17, 10:7,
11:1 ; Marka 1:38-39 ; Marka 3:14, 16:15 ; Lioka 4:43, 9:60).
Ny
Fiangonana dia tsy maintsy
hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,
hahasitrana ny torotoro fo, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy ny ao
an-trano-maizina ny Fanavotana (Isaia 61:1), sy fampahiratana amin'ny jamba
(Lioka 4:18).
Ny Fiangonana tokony hahasitrana ny marary
(Lioka 9:2).
Ny
Fiangonana dia tokony hitory
ny taona ankasitrahan'i Tompo
(Lioka 4:19) sy hanamarina tokoa fa Kristy no notendren’Andriamanitra
ho
mpitsara ny velona sy ny maty
(Asan’ny Apostoly 10:42).
Ny
mamelona ny Fiangonana rehetra no fikendrena faharoan’ny
loholona (Asan’ny
Apostoly 20:28) izay miezaka mampianatra
amin'ny fiangonana rehetra eny tontolo eny
(1Korintiana 4:17).
Ny
fanomezam-pahasoavana amin’ny 1Korintiana 12:28 ampiasana
ho fanampiana ny fivoaran’ny Fiangonana. Ka tokony
ampitomboina io fanomezam-pahasoavana io mba hampandroso ny fiangonana
(1Korintiana 14:12).
Fa
ny fomba fitondran’ny olona ny fianakaviany dia manoro ny fomba fitandremany
tsara ny fiangonan'Andriamanitra (1Timoty 3:5).
6.4
Ny Fahamasinana
Ireo
amin’ny Fiangonana, izay nantsoin’ny Fanahy Masina (Romana 15:16)
ho
masina, dia nohamasinin’Andriamanitra Ray
(1Korintiana 1:2) ary voatahiry ho an'i Jesosy Kristy (Joda 1).
Ny
olona masina nohamasinan’Andriamanitra amin’ny
an'ny fanekena (Hebreo
10:29) sy
ny
tenan'i Jesosy Kristy
(Hebreo 10:9-10). Ary amin’izay, ny olona masina ho voavonjy ao
amin’ny batisa (1Korintiana 6:11). Arak’izany, ny Fanahy Masina dia
fanahin’Andriamanitsika ary, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, ny olom-boafidy
nohamasinina sy nosasana amin’ny fanatitra dia ny tenan’i Kristy, sady miezaka
haharitra ao amin’ny finoana miaraka amin’Andriamanitra
(Asan’ny Apostoly 26:18).
Ny
olom-boafidy mandray ny famelana heloka noho ny fahasoavana ary mitazona ny
toerany amin’ny finoana, manamasina ny tsirairay [na ny rahalahy] na ao amin’ny
Fiangonana na ao amin’ny fianankaviana (1Korintiana 7:14). Noho izany, ny vady
[lahy na vavy] izay tsy mino, sy ny zanaka dia efa masina ao amin’ny
olom-boafidy [na dia efa nohamasinin’ny vady izay olom-boafidy]. Ny olom-boafidy
dia efa masina ao amin’ny tenan’i Kristy satria tenan’i Kristy (Romana 12:5 ;
1Korintiana 12:20-27) ary, noho izany, ny fahamasinana tsy miankina amin’ny
fanjarianasa iraisana.
Toko 7
Ny Fanjakàn’Andriamanitra
7.1
Ny fametrahana ny
Fanjakàn’Andriamanitra
Nolazaina fa ny fametrahana ny Fanjakan’Andriamanitra, handringana
ny fanjakana rehetra eran'ny izao totolo izao amin’ny fihavian’ilay Mesia
amin'ny fitsingerenan'ny andro farany
(Daniela 2:44). Nitory ny
Fanjakan'Andriamanitra Kristy, ary nilaza ny teny hoe efa tonga ny fotoana (Marka
1:14-15). Noho izany, Ny Fanjakana misy fiovaovana [na ilany] roa. Ny Fanjakana
ara-panahy
no voalohany, ary ny Fanjakana fizika arivo taona ambanin'ilay Mesia no faharoa.
7.1.1
Ny Fanjakàna ara-panahy
Hatramin'ny Pentekosta amin’ny taona 30 A. K., ny
mpaminany sasany sy ny mpitarika an’Israely sasany ihany no nandray ny Fanahy
Masina, ary izany noho ny antony manokana. Tsy nisy firenena hafa hatramin’ny
fidiran’ny jentilisa amin’ny Fiangonana tao amin’ ny taona 30 A.K., nandray ny
Fanahy Masina. Arak’izany, izy rehetra hatsangana amin’ny fitsanganana faharoa,
izay fitsanganan’ny olona rehetra (Apokalypsy 22:4 ff.).
Nanomboka tamin’ny nahafatesan’i
Kristy ny nanomezana ny Fanahy Masina an’olona rehetra
tahaka fiovaovana
[na ilany] voalohan’ny Fanjakany nanomboka tamin’ny Pentekosta amin’ny taona 30
A.K. (Asan’ny Apostoly 2:1-4), izay hitan’izy ireo ny fitongavany
amin-kery (Marka
9:1).
Io Fanjakana io tsy maintsy raisin’ny rehetra amin'ny fanetre-tena sy
fahazotoana ho amin'ny fahalalana tsara, tahaka ny zaza
(Marka 10:15).
Raha tsy ateraka indray ny olona, amin’ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo
mahita ny fanjakan'Andriamanitra (Jaona 3:3-5).
Ny
zava-miafina ny amin'ny Fanjakan'Andriamanitra dia nomena ny olom-boafidy ihany
ary ny Fanahy Masina no manome ny fahalalana an’izany ; izay no nahatonga ny
Baiboly nosoratana amin’ny fanoharana (Lioka 8:10). Ny Fanjakan'Andriamanitra
dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary
fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina (Romana 14:17). Ny fanjakan'Andriamanitra tsy
amin'ny teny, fa amin'ny hery
(1Korintiana 4:20).
Ny
fibebahana dia zavatra tsy maintsy atao indrindra hidirana amin'ny Fanjakana. Ny mpanota nibebaka dia
hialoha ny Fariseo (Matio 21:31-32). Ny fiantsoana ny olom-boafidy dia atao
amin’ny fampielezana ny fanadihadiana, azo hoharina amin'ny voa afafy
(Matio 13:3-9).
Ampielezana ny fanadihadiana ary voaray amin’ny fahazotoana be amin’ny
alalan’ny Fanahy (Matio13:44-46). Koa izany, maro no antsoina, fa vitsy no
fidina (Matio 20:16,
22:14). Ny Fiantsoana mamory olona sasany miaraka amin’ny olom-boafidy ; ireo
hahintsana amin’ny fahataperan’ny andro, na amin’ny fihavian’ilay Mesia na, ho
an’ireo izay efa maty, amin’ny fitsanganan’ny maty
(Matio 13:25-30,36, 38-40,
47-50). Ny olom-boafidy
notendrena hantsoina ary, noho izany, nohamarinina sy
nomena voninahitra (Romana 8:29).
Rehefa homena ny
Fanjakana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia
tahaka ny voan-tsinapy maniry ka tonga haro na
tahaka ny masirasira izay mahatonga ny tena rehetra ho masirasira avokoa
(Matio 13:31-32),
mba
ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra
(1Korintiana 15:28) (Jereo Interlinear
ny Marshalls Efesiana 4:6).
Ny
tokony hatao voalohany indrindra dia ny mikatsaka
aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany, dia hanampy ho antsika izany
rehetra izany (Matio
6:33).
Ny fananana fahefana amin’ny demonia dia famantarana ny
Fanjakan’Andriamanitra ao amin’ny olombelona (Matio 12:28). Ny fanantanterahana
ny sitrapon'Andriamanitra dia tsy maintsy alohan’ny
fananana ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ary raha tsy ampiasaina tsara
izany,
esorina ny Fanahy Masina
ka
homena izay mahavokatra ny voany (Matio 21:31, 43).
Ny
Fanjakana tsy avy amin’ny fijerena, fa ao amin’ny olona tsirairay (Lioka
17:20-21).
Ny Fanjakan'Andriamanitra, izay antsoina koa hoe Ny fanjakan'ny Lanitra, dia
azo, tsy amin’ny filazana ny Kristy hoe Tompo, izay anisan’ny maha olom-boafidy,
fa amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra
(Matio 7:21). Noho ny
fanatanterahana amin’ny fanetre-tena ny sitrapon’Andriamanitra, dia hatao hoe lehibe amin'ny
fanjakan'Andriamanitra izay manao toy izany
(Matio 18:3-4).
Izay tsy nahazo niditra tao amin’ny Fanjankana dia
lazaina manokana ao amin’ny 1Korintiana 6:9-10, Galatiana 5:21 sy Efesiana 5:5.
7.1.2
Ny Fanjakàn’i Kristy Arivo Taona
Ny
fanjakan' i Kristy arivo taona dia lazaina manokana amin’ny Apokalypsy
20:2-7.
Ny fotoan'andro arivo taona dia atao hoe
Millenium na ny
Chiliad.
7.1.2.1
Ny Fiverenan’i Mesia
Ny
Fanavaozana ny fomba fandrefesan’ny Soratra Masina amin’ny fihavian’ilay Mesia
dia
hita ao amin’ny Zakaria 14:4.
Kristy niteny amin’ny
fanoharana fa handeha izy dia hiverina
(Lioka 19:12).
Ilay
Mesia hiverina
any
an-Tendrombohitra Oliva. Izy sy ny olom-boafidiny hanorina ny fanjakany.
Hanamboatra indray ny Tempoly (Asan’ny Apostoly 15:16). Hampiditra indray ny fomba fandrefesan’ny
Soratra Masina, ny Sabata,
ny Voalohambolana sy ny andro masina isan-taona.
Ny firenena rehetra tsy maintsy maniraka solo-tenany any Jerosalema sy
hitandrina ny andro firavoravoana fitoerana an-trano rantsan-kazo raha-tsy izay,
dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra amin'ny fotoany any aminy
(Zakaria 14:16-19).
Ny fihavian’ny Tompo dia ho hita amin’ny famantarana
lehibe sy fahagagana,
amin-kery sy voninahitra lehibe
(Matio 24:27, 30 ; Apokalypsy 1:7).
Ny fiverenany dia ho fantatra tsara ary hisy famantarana hita eny an-danitra
(Apokalypsy 6:12).
Ny herin'ny lanitra hohozongozonina. Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina,
ary ny kintana tsy hamirapiratra
(Matio 24:29 ; Asan’ny Apostoly 2:20).
Hipetraka eo amin'ny Tanana ankavanan'ny Hery sy ho avy eo amin'ny rahon'ny
lanitra izy. Arak’izany, Andriamanitra no manome hery an’i Kristy
(Matio 26:64 ; Marka 14:62
; Lioka 21:27 ; Asan’ny Apostoly 1:11).
Kristy
hiverina
amin'ny feon'ny arikanjely Mikaela sy amin’ny trompetra farany
(1Tesaloniana
4:16-17 ; Apokalypsy 11:15).
Rehefa ho avy amin'ny voninahitra ny Zanak'olona, mba
hankalazaina eo amin'ny olony masina
(2Tesaloniana 1:10), mbamin'ny anjeliny, ary hanavaka ny firenena
rehetra izy ary hanangona [na hametraka] azy ireo eo anatrehany
(Matio 25:31-46).
Ny
olom-boafidy, izay
amin'ny Fanjakan'Andriamanitra,
izay nandray ny Fanahy Masina amin’ny fibebahana
sy ny batisa natao rehefa olon-dehibe, izay nitandrina ny didin'Andriamanitra,
dia hantsagana amin’ny fiavian’i Mesia. Izany no fitsanganana voalohany. Fa ny
sisa amin'ny izay efa maty dia tsy ho velona mandrapahatapitry ny Arivo Taona
[Millenium]. Izany no fitsanganana faharoa
(Apokalypsy 20:4 ff.).
Ny olom-boafidy no fanantenana sy anton’ny fiavian’ilay Mesia
(1Tesaloniana 2:19 ;
Apokalypsy 22:20).
Ny olom-boafidy dia tokony tsy hanan-tsiny
amin'ny fahamasinana, ary tokony ho vonona amin'ny fihavian'i Kristy mbamin'ny
Maro be any an-danitra
(1Tesaloniana 3:13 ; 1Tesaloniana 5:23). Ny fandraisana ny fitiavana ny fahamarinana no maha voavonjy
(2Tesaloniana 2:10). Holevonin'ny Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ny
ratsy fanahy amin’ny fihaviany
(2Tesaloniana 2:8).
Ny
Fiangonana tokony hiezaka mafy hiambina ary hiary-tory, satria tsy fantatsika ny ora hihavian'ny Tompo
(Marka 13:35-37 ;
Apokalypsy 3:3, 11). Kristy hiverina amin’ny
fitsarana marina
ary
hiady amin'izay rehetra tsy mety mitandrina ny didin'Andriamanitra
(Salamo 96:13 ; Apokalypsy
19:11).
Kristy hiverina hamaly ny olona rehetra araka ny asany
(Apokalypsy
22:12).
7.1.2.2
Ny Famoriana an’ny Israëly
Amin’ny fiverenan’ilay Mesia,
ny
olom-boafidy amin’i Isiraely araky ny nofo sy ny sisa velona amin’ny Isiraely
fizika, izay hatao ho mpisorona ny sasany, dia havory
avy
amin'ny vazan-tany efatra
ho any Jerosalema (Isaia
11:12, 66:19-21).
7.1.2.3
Ny Andron’ny Tompo
Alohan'ny hahatongavan'ny
Andron'ny Tompo, ho tonga ny fiodinana na ny fivadihana ny
fivavahana marina, ary ny fialàna
(apostasia)
amin'ny fahamarinana sy ny lalàna eo amin'ny olom-boafidy. Ilay tena mpandika
lalàna (anomias), izay antsoina toy
izany satria misy olom-boafidy sasany handika ny lalàn’Andriamanitra noho ny
fampianarany, dia haseho
(2Tesaloniana 2:3-8). Io
lehilahin'ota io dia hipetraka eo amin'ny Tempolin'Andriamanitra ary hanao
ny tenany ho Andriamanitra. Fa hovonoin’ilay Mesia izy amin’ny fiverenany
indray.
Ny Tompo
handringana izay hanafika an’i
Jerosalema. Ny firenena rehetra, rehefa nahita ny fandringanana azy ireo, dia
hatahotra, ary hifampimonomonona (Zakaria 14:12-13). Ho tonga tampoka izany
(1Tesaloniana 5:2).
Ny fandravàna hampivalomainty ny olona eto antany. Ny
olona rehetra niery tao amin'ny lavaka sy tao amin'ny vatolampy eny
an-tendrombohitra satria tonga ny andro lehiben’ny fahatezeran’i Kristy ary tsy
misy olona hahajanona eo anoloany [na hahay mandresy azy] (Apokalypsy 6:15-17),
noho ny trompetra sy ny loza, izay halefan’Andriamanitra amin'ny andro farany
(Apokalypsy 8:7-9:21
; Apokalypsy 16:1-20). Amin’ny faran'ny Andron'ny Tompo, izay mitohy mandritra ny
arivo taona (Millenium), ho hitantsika ny fanaperana ity tany fantatsika ity.
Fa ity tany rehetra ity ho ravàna amin'ny afo
(2Petera 3:7-10, 12), hanesorana ny fonenan’ny olombelona rehetra.
Ny
fampadrosoana rehetra amin’ny Andron’ny Tompo dia natao ho fitsarana
ny tany sy ho fanitsiana izay diso (Joda 14-16). Izay manota amin'ny
olom-boafidy dia ho entina amin’ny
fomba fandrefesana an’izao tontolo izao, mba hamonjena ny fanahiny amin'ny
Andron'ny Tompo, satria hahitsy izay diso amin’ny fitsanganana faharoa
(1Korintiana 5:5). Koa izany, misy fitsanganana roa ihany.
7.1.3
Ny Fanjakàn’Andriamanitra
mandrakizay
7.1.3.1
Ny Fiavian’Andriamanitra
Rehefa nofoanan’i Kristy ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra, dia
hatolony ho an'Andriamanitra Ray ny
fomba fandrefesana rehetra
(1Korintiana 15:24, 28). Ao aorian’izany, Andriamanitra ho tonga eto
antany ary hamindra eto antany ny fitondrana ny lanitra. Ary ho henika ny
voninahiny ny tany rehetra [na ho henika ny Voninahiny avokoa ny eran'ny tany]
(Isaia 6:3), ary Andriamanitra sy ny Zanak'ondry no ho fanazavana ny
fomba fandrefesana
(Apokalypsy 21:23).
7.1.3.2
Ny Tany Vaovao sy ny Jerosalema Vaovao
Isaia 65:17
milaza fa Andriamanitra
hahary lanitra vaovao sy tany vaovao.
Ny taranak'I Israely haharitra eo
anatrehan’Andriamanitra, ao amin’io fomba fandrefesana vaovao io (Isaia
66:22)
hatramin'ny faran'ny Arivo Taona rehefa tonga tranainy ny nofo rehetra.
Andriamanitra hitoetra ao Ziona ary Jerosalema hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana
(Zakaria 8:3).
Ary ny tanànan’i Jerosalema Vaovao hidina avy any an-danitra
(Apokalypsy 3:12). Io
Jerosalema Vaovao io no ilay tanàna masina izay hidina rehefa voaary ny lanitra
vaovao sy ny tany vaovao
(Apokalypsy
21:1-4, 7, 10).
Ao aorian’izany, Andriamanitra
hitoetra miarak’amin'ny olona rehetra. Tsy hotsarovana intsony ny taloha
(Isaia 65:17). Manantena ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao
isika, izay hitoeran'ny fahamarinana, araka ny teny fikasana
(2Petera 3:13). Maro amin'ny olom-boafidy izay naharesy no
hatao andry eo amin'ny Tempolin'Andriamanitra vaovao
(Apokalypsy 3:12).
Izany dia
trano fanahy.
7.1.3.3
Ny Nanendrena ny Olombelona
Homena
ny olom-boafidy ny fitondrana ity planeta ity
mandritra ny Arivo Taona (Millenium)
(Lioka 19:17,19), ary ho
tahaka ny anjely izy ireo amin’izay (Matio 22:30) ;
handova ny tany izy ireo ary amin’ny farany hahita an'Andriamanitra izy ireo
satria Zanak'Andriamanitra
(Matio 5:3-11). Izany toerana izany natolotra ny firenena rehetra (Matio 8:11).
Sitrak’Andriamanitra Ray izany (Lioka 12:32). Fa izay tarihin'ny
Fanahin'Andriamanitra no Zanak'Andriamanitra
(Romana 8:14).
Ny
Fanjakan’i Mesia arivo taona dia natao hampianarana ny olombelona hanao ny adidiny farany ary hanatanteraka ny asa
tokony hataony sy ny rafitra nataon’Andriamanitra izay voavoatra [na noforonina]
talohan’ny fanorenana izao tontolo izao.
Ny
anjaran’ny olombelona amin’ny farany dia ny hiomana
haka ny
fitoerany ao amin’ny
fomba fandrefesana vaovao miaraka amin’ny Maro be rehetra any andanitra ary handray ny tena
lovany, izay ny fandrosoana ny tany sy ny fanjakan’ity tany ity sy izao tontolo
izao amin’ny fanao vaovao
(Daniela 7:27, 12:3).
Fanampiana
Ny Fanahy Masina ao amin’ny ireo mino an’Andriamanitra Telo Izay Iray
Ny Mino ilay Andriamanitra Telo izay Iray nampisaraka ny teolojia amin’ny fandaminana [ekonomia fitsitsiana na fandalana na fihariankarena] ny famonjena ao amin’ny Nahatongavan’ny Jesosy Kristy ara-nofo. LaCugna (GOD FOR US The Trinity and Christian Life, Harper, San Francisco, 1991), mikasika ny famoaboasana ny fampianarana ny amin’ny Andriamanitra Telo Izay Iray sy ny fampisarahana ny teolojia amin’ny rafitry ny famonjena [na soteriolojia] araka ny nambara ao amin’ny Nahatongavan’i Krsity ara-nofo, dia nilaza fa ny Kapadosiana nitarika ny teolojia ho amin’ny zotra [na leha, na todika] izay nampitombo ny fisarahan’ny fandaminana [na ekonomia] amin’ny teolojia. Io leha io, hita tokoa fa nitondra ho amin’ny
via lala-miankavia de Pseudo-Dionysius, ary amin’ny
farany, nitondra ho amin’ny teolojian’i Grégoire de Palamas (Chapitre 6).
Amin’ny l’Occident Latin, tamin’ny fotoana nanaraka
an’i Nicée, ny teolojiana tahaka Hilare de Poitiers sy, anagamba amin’ny
ambaratonga farany, Marcellus d’Ancyra, nitazona ny fifandraisan’ny
hypostases-n’Andriamanitra sy ny
fandaminana ny famojena. Augustin nanangana fomba fampianarana vaovao tanteraka.
Ny voalohan’ny fampianarany dia tsy ny fanjakàn’ny Ray fa kosa ny maha-andriamanitra izay nozaraina mitovy
amin’ny olona telo [fanatsipihana nampiana]. Tsy nitady hahafantatra ny
maha-izy ny teolojia araka izay nambara ao amin’ny Nahatongavan’i Kristy
ara-nofo sy ny fanaovana ho andriamanitra
amin’ny alalan’ny Fanahy [fanatsipihana nampiana] Augustin fa nitady
hahalala ny andian’ny Andriamanitra Telo izay Iray izay hita ao amin’ny
fanahin’ny olombelona tsirairay. Ny fitadiavan’i Augustin fifandraisana
ara-psykolojia ny amin’ny fifandraisan’ny Andriamanitra Telo Izay Iray midika fa
ny fampianarana ny amin’ny Andriamanitra Telo Izay Iray taty afara lasa
fifandraisana ao anatin’ny Maha-Andriamanitra, izay mifanohitra amin’izay
fantatsika ny amin’ny Andriamanitra
amin’ny alalan’i Kristy ao amin’ny Fanahy. (LaCugna, p.44).
Ny teolojia latinina tamin’ny fotoana Medievaly
[1100-1400 taona aorian’i
Kristy (A. K.) eo ho eo] nanaraka an’i Augustin sy ny fisarahan’ny teolojia
amin’ny fanadaminana na soteriolojia. Ny rafitra rehetra dia tonga misavorovoro
ao amin’ny Néo-platonisme sy ny Mysticisme (na
Fandinihana lalina momba ny fitiavam-bavaka).
Ny fanamarihana manadanja nataon’ny LaCugna dia
hatramin’ny Augustin, ny Fanjakan’ny Ray tsy ambony indrindra. Ny Andriamanitra
Telo Izay Iray nanaiky ny fitoviana. Izay no laharampiovana faharoa aorian’ny
filazana diso ny amin’ny fisian’ireo Telo miaraka mandrakizay. Ny fieretreretana
marina dia ny dinika mikasika ny fisehoan’ny Maha-Andriamanitra ao amin’ny olona
tsirairay, izany hoe, asan’ny Ray amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay avy aminy
miasa amin’ny alalan’i Kristy. Izany hevitra
amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany,
ahafahan’i Kristy manaraka akaiky sy mitondra ny olona tsirairay araka ny
sitrapon’Andriamanitra izay velona ao
anatin’ny tsirairay amin’ny olom-boafidy.
Kristy tsy fiandohan’ny Fanahy Masina.
Kristy no mpiandry azy anelanelany. Niasa ho an’Andriamanitra izy araka ny
nataony hatrizay, ho an’Andriamanitra ary araka ny sitrapon’Andriamanitra. Fa
Kristy tsy ilay Andriamanitra.
Ny mino ny Andriamanitra Telo Izay Iray dia nanadino izany, raha mba
fantany mihitsy aza izany taloha.
Araka ny nolazain’i LaCugna hoe :
Ny
teolojia ny amin’ny Andriamanitra manana lafiny telo dia nampiana ny fiheverana
ny amin’’Ilay Hany Andriamanitra (p.44).
Izany
hevitra diso izany nanova tanteraka ny fomba fivavahan’ny Kristianina. Izany
hoe, ny Kristianina tsy nivavaka amin’ny Ray ihany (Mat. 6:6, 9 ; Jaona
4:23), amin’ny anaran’i Kristy araka ny voalazan’ny Soratra Masina (ao amin’ny Lioka
11:12), fa ny vavaka izy ireo amin’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Ankoatrin’izany, ny manampahaizana namelabelatra metafizikan’ i teolojia. Fa ny
rafitra rehetra natao amin’ny tsy fanarahana tanteraka na fanodikodihana ny
Baiboly. Izany no antony tsy ampiasan’ny mino ny Andriamanitra Telo Izay Iray ny
lahatsoratra rehetra ao amin’ny Baiboly rehefa mandinika zavatra iray izy ireo,
ary izany koa ny antony andikany sy ilazany diso ny lahatsoratra manadanja, ary
izany ny antony mody tsy ahalalany ny lahatsoratra izay tsy metiny hovana. Fa ny
rafitrin’izy ireo miankina amin’ny Mysticisme (na
Fandinihana lalina momba ny fitiavam-bavaka) sy ny Platonisme.
LaCugna nilaza
Ny
Kapadosiana (sy Augustin koa) nandalina lavitra mihoatra ny fahalalana araka ny
Soratra Masina ny amin’ny fandajana amin’ny fametrahany ny fifandraisan’ny Ray
sy ny Zanaka (ary ny Fanahy) eo amin’ny fifandraisana ao anatin’ny
maha-andriamanitra (p.54).
Ny
Andriamanitra Tokana nisy tahaka ousia
manana hypostases telo samy manana ny
maha-izy azy tsirairay . Hitatsika (Cox,
Les Élus en tant qu’Élohim
[001])
fa ny teny avy amin’ny Platon ousia sy
ny teny avy amin’ny Stoïcisme hypostases
dia mitovy hevitra.
Ny
fametrahana ny Fanahy amin’ny asa ao amin’ny fifandraisana ao anatin’ny
maha-andriamanitra dia manan-kevitra hoe : ny olom-boafidy tsy ho afaka ho tonga
mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra tahaka an’i Kristy izay miray fomba
amin’Andriamanitra. Izany filazana izany dia mifanohitra amin’ny Soratra Masina.
Ny olom-boafidy
ho tonga mpiray amin'ny
fomban'Andriamanitra (2 Petera 1:4).
Ao
amin’ny Efesiana 1:22, Andriamanitra
nampanaiky ny zavatra
rehetra ho eo ambanin'ny tongon’i Kristy ary nanao an’i Kristy ho Lohany
manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny Fiangonana. Andriamanitra nanangana
an’i Kristy tamin'ny maty sy nampitoetra an’i Kristy
eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana
rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay
tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa.
Andriamanitra nampanaiky ny zavatra
rehetra ho eo ambanin'ny tongony ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra
rehetra ho an'ny fiangonana, izay tenany, dia ny
fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Arak’izany, Kristy nahazo ny fanapahana, ambonin’ny anarana rehetra, ny anarany
dia lasa anarana misy fahefahana.
Nandray ny fahefana amin’ny zavatra rehetra izy mba hahafahan’ny Fiangonana
mandray ny lovany amin’ny alalan’i Kristy izay
itoeran'ny fahafenoan'ny
fomban'Andriamanitra rehetra
(Kolosiana 2:9).
Io teny nadika fomban’andriamanitra
io dia theotetos izay midika hoe : ny
maha-Andriamanitra na ny fomba
maha Andriamanitra.
Ankehitriny, Thayer nilaza fa ny maha-andriamanitra (theot) tsy mitovy
amin’ny fomban’andriamanitra (theiot)
tahaka ny maha-izy tsy mitovy amin’ny fomba ananana na toetra ananana (Thayers,
p.288). Ny hevitr’io teny io eto dia ny fahafenoan’ny maha-andriamanitra nameno
ny tenan’i Kristy. Io fahafenoan’ny maha-andriamanitra io no nomena antsika mba
hahafahan’ny olombelona mitafy ny maha-izy vaovao an’Andriamanitra (Kolosiana
3:10). Ary tsy tonga Jiosy na Grika izy ireo fa ho an’i Kristy satria Kristy ao
amin’izy rehetra (Kolosiana 3:11). Kristy mampandroso ny olombelona, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina,
mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra
(1Korintiana
15:28).
Ary rehefa nampanekena an’i Kristy ny zavatra rehetra, ny Zanaka hanaiky Ilay nampanaiky azy ny zavatra rehetra, mba Andriamnitra ho [zavatra rehetra amin’ny olona rehetra KJV] (panta en pasin [amin’ny teny Grika]) [jereo ny Interlinéaire Marshall’s Interlinear ary koa Kolosiana 3:11 (panta kai en pasin)].
Ny Mino ny ilay Andriamanitra Telo Izay Iray nanomboka nandika io lahatsoratra io toy ny zavatra rehetra hoan’izy rehetra (everything to everyone amin’ny fiteny anglisy) mba hialany amin’ny fivelaran’Andriamanitra tahaka ny maha-izy nomena ny olombelona rehetra tahaka ny nanomezana an’izany an’i Kristy, araka ny voalazan’io lahatsoratra io.
Fa Kristy no mameno antsika ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra (Efesiana 3:19). Ny fahafenoan’i Kristy dia endriky ny Ray (Efesiana 4:13). Toy izany koa no mahatonga antsika ny endrika na eikon [amin’ny fiteny Grika] ny Ray tahaka an’i Kristy koa dia endriky ny Ray, ary noho izany, Zanak’Andriamanitra isika ary mpiara-mandova ny Fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’i Kristy (Romana 8:17 ; Jakoba 2:5). Mpandova araka ny teny fikasana (Galatiana 3:29) ny famonjena (Hebreo 1:14) sy mpiaramandova ny fahasoavana (1Petera 3:7).
Ny
Zanak’Andriamanitra, ary izy koa, dia tonga Rain’ny mandrakizay (Isaia
9:5) satria izy no lohan’ny fianakavian’ny olombelona rehetra, ary noho izany,
mandray ny toerany eo akaikin’ny fianakaviana maro rehetra any an-danitra (Efesiana
3:14).
Ary noho
izany no andohalehako amin'ny Ray Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra
sy etỳ an-tany anarana.
Ny teny
fianakaviana eto dia patria na maha-ray. Noho izany, ny maha [na ny
anarana entin’ny] ray, na ray amin’ny fianakaviana ara-nofo izany na ray
amin’ny fianankaviana ara-panahy izany, dia maha-solotena izay maneho ny adidy
faran’ny lohan’ny antoko tsirairay hatramin’ny fianakaviana. Noho izany, ny
baiko dia avy amin’Andriamanitra ho amin’i Kristy dia ho amin’ny lohan’ny
fianakaviana (1Korintiana 11:3) izay tsy maintsy manatanteraka ny adidiny araka
ny nataon’Andriamanitra amin’i Kristy sy ireo Zanak’Andriamanitra hafa izay elohim, ary ireo
elohim ireo, izy ireo koa dia manatanteraka ny
andraikitr’izy ireo amin’izay rehetra eo ambaniny.
Ny Fanahy
Masina no zavatra izay mampifandray ireo maha-izy ireo amin’izy ireo rehetra ary
izy ilay zavatra manome ny fahefahana hahatonga ho elohim an’ny tsirairay
amin’ireo Maro be rehetra ireo any an-danitra. Tsy misy teny hoe ny Fanahy dia
Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana ny fandraisana azy, izay
mampiavaka azy manokana amin’ny tsirairay, ary mametraka azy ao anatin’ny
fifandraisana ao amin’ny maha-andriamanitra (intradivin) eo amin’ny
maha-izy telo. Fa samy Zanak’Andriamanitra izy rehetra, ary noho izany,
mpiara-mandova amin’i Kristy amin’ny hevitra mitovy amin’ izany. Ny fivavahana
amin’ny Fanahy Masina dia toy ny mivavaka amin’ny tenany samy irery, satria ny
Fanahy Masina no lalana izay ahatongavan’Andriamanitra ho zavatra rehetra
amin’izy rehetra.
Noho izany,
ny fivavahana amin’ny Fanahy Masina dia tsy azo atao mihintsy toy ny fivavahana
amin’ny tena araka ny hevitra hoe ny Fanahy Masina ao anatin’ny olona. Raha ny
marina, dia hoe hery na zavatra mpanome ny Fanahy, fa tsy Andriamanitra.
Ny Fanahy Masina manome antsika fahefana ho tonga Elohim na Theoi [grika].
Ny Maha-Andriamanitra dia rafitra mivelatra amin’ny Fivoriana. Io Fivoriana io
dia voasoratra ao amin’ny Salamo sy lahatsoratra hafa nosoratana eto embany ary
ny Seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fivorian’ ireo Loholona ireo voasoratra
ao amin’ny Apokalypsy 4:1 à 5:14. Io Fivoriana io, izay ao anatiny i Kristy
tahaka ny Zanak’Ondry sy Mpisoronabe (Hebreo 8:1-2), dia manompo sy mivavaka
amin’ny Tompo Andriamanitra Tsitoha (Apoc. 4:8-11). Amin’ny fanompoana
an’Andriamanitra, Kristy nanome ny ainy, tahak’izany koa ny mpisorona tsirairay
tsy maintsy manome zavatra ho fanatitra ho an’Andriamanitra (Hebreo 8:3).
Misy maro ny Zanak’Andriamanitra izay ao anatin’ny Maro be any an-danitra (araka ny Joba 1:6 ; 2:1 ; 38:7, Salamo 86:8-10, 95:3, 135,5) izay atao hoe Bene Elyon na Zanaky ny Tsitoha (Avo Indrindra) (jereo koa Sabourin SJ, The Psalms Their Origin and Meaning, Alba House, NY, pp.72-74). Ireo olom-boafidy dia anisan’ny Zanak’Andriamanitra ao amin’ny Maro be any an-danitra (avy amin'ny Romana 8:14).
Kristy no Lahimatoa na nateraka voalohany amin'izao zavatra ary rehetra izao. Ho azy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana. Amin’ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra (Kol. 1:16-17). Kanefa Andriamanitra no nampisy [niteraka] an’i Kristy ary satrin’Andriamanitra ny nahariana ny zavatra rehetra ao amin’ny Kristy sy ny aharetan'ny zavatra rehetra ao amin’i Kristy. Noho izany, Kristy dia tsy Andriamanitra toy ny maha Andriamanitra an'Andriamanitra Ray izay Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, nisy hatrizay ka ho mandrakizay (1Tim. 6:16).
Noho izany, Andriamanitra dia naniraka ny Zanany Lahitokana nateraka (monogenes) ho amin’izao tontolo izao mba hahavelona antsika amin’ny alalany (1Jaona 4:9). Andriamanitra noho nankalaza an’i Kristy, satria Andriamanitra dia lehibe noho Kristy (Jaona 8:54).
Voalaza ao anatin’ny Soratra Masina (Baiboly) fa Andriamanitra dia Andriamanitr’i Kristy sy Rain’i Kristy (ao amin’ny Romana 15:6 ; 2Kor. 1:3, 11:31 ; Efesiana 1:3,17 ; Kol. 1:3 ; Hebreo 1:1ff ; 1Petera 1:3 ; 2Jaona 3 ; Apok. 1:1,6, 15:3). Kristy dia nandray ny fiainany, ny heriny ary ny fahefany araka ny didin’Andriamanitra Ray (Jaona 10:17-18). Kristy mametraka ny sitrapony eo ambany fifehezan’ny sitrapon’Andriamanitra, izay ny Ray (Matio 21:31, 26:39, Marka 14:36 ; Jaona 3:16, 4:34). Andriamanitra nanome ireo olom-boafidy an’i Kristy ary Andriamanitra dia lehibe noho Kristy (Jaona 14:28) ary lehibe noho izy rehetra (Jaona 10:29).
Kristy nametraka anilany ny fahefany amin’ny maha Zanak’Andriamanitra azy ao
amin’ny Marobe any andanitra, ary tonga olombelona izy,
nateraka avy
tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo
(Romana 1:3).
Ary naseho [na
: notendrena] tamin-kery ho
Zanak'Andriamanitra araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty,
ho Jesosy Kristy Tompontsika (Romana
1:4).
Andriamanitra dia Vatolampy (sur) tahaka Kariera na Tendrombohitra izay nankana ny sasany rehetra,
vato izay napetraka teo anoloan'i
Josoa (Joshua 5:2), izay namorana an’i Israely, izay fotony
lehibe sy tanteraka (Deoteoronomia 32:4, jereo Maimonedes,
Guide of the Perplexed, Univ. of Chicago Press, 1965, Ch. 16, p. 44
ff). Andriamanitra no Vatolampin’Israely, Vatolampy famonjena azy (Deoteoronomia
32 :15), Vatolampy niteraka azy (Deoteoronomia 32 :18, 30-31). 1Samoela 2:2
maneho fa Andriamanitra dia Vatolampintsika, Vatolampy mandrakizay (Isaia
26:4). Tamin’io Vatolampy io no nakana ny sasany tahaka ny taranak’i Abrahama
ara-pinoana (Isaia 51:1-2). Ny Mesia
nendahana
tamin’io Vatolampy io (Daniel 2:34,45) mba handresy ny fanjakana amin’izao
tontolo izao. Andriamanitra, fa tsy
Petera akory, na Kristy, na iza na iza hafa, no Vatolampy na fototra nanorenan’i
Kristy ny Fiangonany (Matio 16:18) ary itoerany koa.
Ny Mesia no Vato Fehizoron’ny Tempolin’Andriamanitra, izay ao aminy ny olom-boafidy dia Naos na ny Toerana Masina indrindra, fitehirizana ny Fanahy Masina. Ny vaton’ny Tempoly dia vato nendahana avy amin’ny Vatolampy izay Andriamanitra, tahaka Kristy koa nendahana tamin’io Vatolampy io, ary nomena an’i Kristy, vato fanahy (1Korintiana 10:4), vato mahatafintohina sy vato mahasolafaka (Romana 9:33) mba hanamboarana ny Tempoly. Kristy hanao ny Tempoly mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra (Efesiana 4:6). Andriamanitra nanome an’i Kristy mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra (panta kai en pasin Kolosiana 3:11), amin’ny zavatra rehetra nampanekena ho ambanin’ny tongon’i Kristy (1Korintiana 15:27), dia noho izany ny nametrahany an’i Kristy ho lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana izay Tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra (Efesiana 1:22-23). Rehefa napetrak’Andriamanitra eo ambanin’i Kristy ny zavatra rehetra, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Andriamanitra Izay nametraka ny zavatra rehetra eo ambanin’ny tongon’i Kristy (1Korintiana 15:27).
Rehefa handresy izao rehetra izao Kristy, dia hanaiky
an’Andriamanitra izy, mba ho zavatra rehetra
amin’ny olona
rehetra Andriamanitra (panta
en pasin 1Korintiana 15:28,
tsy araka ny Baiboly
RSV). Arak’izany, ny fampianaran’i Platon
izay mampiray an’Andriamanitra amin’i Kristy ao amin’ny Andriamanitra Telo Izay
Iray dia manohitra ny Soratra Masina. Kristy hipetraka eo
ankavanan’Andriamanitra, araka ny zotra na ny rafitr’Andriamanitra (Hebreo
1:3,13
; 8:1
; 10:12
; 12:2
; 1Petera 3:22) ary hizara ny seza
fiandrianan’Andriamanitra tahaka ny olom-boafidy izay hifampizara ny seza
fiandrianana nomena an’i Kristy (Apokalipsy 3:21) izay
seza fiandrianan’Andriamanitra (Salamo 45:6-7 ; Hebreo 1:8 na
Andriamanitra dia ny Seza fiandriananao
nadika hoe : Ny Seza fiandriananao
Andriamanitra ô ! jereo ny fanamarihana ao amin’ny RSV misy naoty).
Andriamanitra, izay maniraka dia lehibe noho ilay irahiny (Jaona 13:16), satria
ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony (Jaona 15:20). Tena hevi-potsy ny milaza
fa ny Maha-izy iray tonga fanatitra ho an’ny tenany ihany.
Izany fanao
izany dia, araka ny lojika, famonoan-tena, na, ao anatin’ny Andriamanitra Telo
Izay Iray, fanapahana ny vatana. Arak’izany, izany fampianarana izany mandà ny
fitsanganana tamin’ny maty, fa indrindra ny voasoratra ao amin’ny 1Korintiana
15.
Noho izany, ny fanavahana ny fanomboana amin’ny hazo fijaliana sy ny
fitsanganana tamin’ny maty dia tsy maintsy atao. Ny fitsanganana tamin’ny maty
tokony ho amin’ny nofo mampisy fandalovana tahaka ny
Fitondrana ny Amboara ho Fanatitra,
fa raha tsy izany, dia tsy misy famonjena na vokatra amin’io fotoana io.
Ny fiomanan’i Kristy amin’ny fiakarany ho amin’Andriamaniny sy Andriamanitsika, izay Raintsika
(Jaona 20:17) dia marina ary miavaka.