Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra
[121]
Mika 5:2-3 [121]
(Édition 1.1 19950624-19991009)
Ny fampiasan’ny Binitera io andalan-tsoratra io dia voadinika sy notsaraina fa tsy marina. Ny famoasana ny fanoherana ny fiangonana ny Fifaninanan’ny Fahefana dia aseho etoana fa diso. Ity fampianarana ity dia mamakafaka (na manadihady) ny faminanian’ny lahatsoratra noho ny Mesia sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra.
Christian Churches of God
PO Box 369, WODEN ACT 2606, AUSTRALIA
adresy mailaka : secretary@ccg.org
Zon’ny mpanoratra (Copyright © 1995, 1999 Wade Cox)
(Tr. 2013, 2016)
Azo adika sy zaraina maimaimpoana ity fampianarana ity raha atao manontolo izany fa tsy misy anesorana na ovàna akory. Tsy maintsy ampidirina ao koa ny anarana sy adiresin’ny mpanao boky ary ny fanambarana momba ny zon’ny mpanoratra. Tsy azo itakiana vola ny olona mandray ny boky nadika. Azo atao ihany ny mindrana ampaha-tsoratra fohifohy ho an’ny amin’ny gazety na asa soratra fitsikerana raha tsy manohintohina ny zon’ny mpanoratra izany.
Ity fampianarana ity dia azo raisina eo amin’ny pejin’ny World Wide Web :
http://www.logon.org/ et http://malagasy.ccg.org/
Mika 5:2-3 [121]
Azontsika fa ny teny ao amin’ny Mika 5:2-3 dia tsy voazava tsaran’ireo minisitra binitera (mpino tompo roa) mba hanamarina ny herezian’ny Binitarisma na ny Fiadian’ny Fahefana izay fantatra hatramin’izay. Manamarika fa misy Andriamanitra roa nisy hatraminizay any an-danitra, raha marina na tsia dia lazaina fa mitovy zo tahaka ny ao amin’ny finoana trinitera (telo izay iray). Ity herezia ity dia miady amin’ny fahefan’ilay Andriamanitra Tsitoha ary ny fandavana ny teny ao amin’ny Jaona 17:3 sy 1Jaona5:20 izay milaza fa misy Andriamanitra Marina Tokana ihany ary Jesosy Kristy dia Zanany.
Jaona 17:3 Ary izao no aina maharitra mandrakizay: di any mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an'I Jesoa Kristy ilay nirahinao.
1 Jaona 5:20 Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba hahalalantsika an'ilay Andriamanitra tena izy ;ary tafaray amin'izany Andriamanitra tena izy izany isika , amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Zanany. Izay Andriamanitra tena izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.
Io teny io dia voadika mba hampiseho fa ny terma Andriamanitra Marina, sy ny fiainana mandrakizay dia mety hilaza an’i Kristy, kanefa tsy izany mihitsy. Ankoatr’izany, ireo fanadihadian’ny Baibolin’i Douay-Reims (eg. Heydock) dia te hanome lanja ny mpanoritra anarana, izay nampiasaina eto ny hoe Andriamanitra Tokana sady marina izay milaza an’I Kristy, izay diso.
Ny Andriamanitra Marina, dia ilay Andriamanitra Tokana sady Marina fa tsy i Jesosy Kristy izay nirahiny. Tsy misy olona nahita Azy na nahita Azy (Jaona 1:18). Izy irey ihany no tsy mety maty. Tsy hita maso Izy fa Fanahy.
1 Timoty 6 :13-16 13 Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra, fototr'ain'ny zavatra rehetra, sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa, Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Pontsy Pilato: 14 tandremo tsy hanan-tsiny fatratra amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika; 15 Fa ny fisehoan'I Kristy,amin'ny fotoana voatendry;dia hotanterahin'Andriamanitra,ilay Andriana tokana sady loharano-mpahasambarana,ilay Mpanjakan sady Tompon'ny Tompo. 16 Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra eo amin'ny hazavana tsy hay akaikezina, tsy misy olombelona nahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay!Amena.
Hamarino eto fa Andriamanitra no mamelona ny zava-drehetra. Izy no heniky ny hasambarana sy Masi-mandidy tokana, ny Mpanjakan’ny Mpanjaka ary Tompon’ny Tompo. Izy irery ihany no manana ny tsi-fahafatesana. Vokatr’izany, Izy irery ihany no manome fiainanana (mamelona) ny zavatra rehetra. Noho izany, Izy irery no nanomé fiainana an’i Kristy.
Ny filazana fa ny Kristy dia nisy hatramin’izay (mitovy amin’Andriamanitra) dia manambana ny fandidian’ilay Andriamanitra marina sady Tokana, ary fananana andriamanitra maro (polythéiste). Kristy dia namapakarina mba ho tonga Zanak’Andriamanitra miaraka amin’ny hery tamian’ny alalan’ny fitsangananay tamin’ny maty (Romana 1:4). Ny filazana, fa i Mika manomé ny mandrakizay an’i Kristy, ary ny fitadiavana ny fandavana ny teny ao amin’ny 1Timoty 6:16 izay maneho fa Andriamanitra irery no tsi-mety maty. Ireo filazana ireo dia fanovana ny Soratra Masina.
Fakafakantsika ary ny teny.
Mika 5:1-2 1 Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan'ny arivon'i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan'Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin'ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay. 2 Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin'ny fotoana hiterahan'izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin'ny rahalahiny dia hiverina mbamin'* ny Zanak'Isiraely. [Na: ho any]
Ny filazana dia mifototra amin’ny tenin’ny LSG izay natao mba hahatonga ny filazana ho tanteraka.
Mika 5:2-3 “Ary ianao, ry Betlehema Efrata, izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely. Efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny. 3“Koa hatolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ny fahavalo izy ireo, mandra-piterak’ilay vehivavy efa hiteraka. Ary hiverina any amin’ny zanak’Israely ny sisa amin’ireo rahalahiny
Ny teny dia voadika eto toy izao efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.
Ny fandikana RSV dia mahatonga ny teny hatry ny fahagola no efa niandohany, hatramin’ny andro fahiny. Noho izany, ny rafitry ny mandrakizay dia mipetraka eo amin’ny fanorenana ny LSG ny mandrakizay izay fanorenana marefo ny teny frantsay.
Ny teny dia voadika ao amin’ny Baiboly Bible Interlinéaire toy izao :
Ary ianao, ry Betlehema efrata, izay kely indrindra amin’ny arivon’I Joda, avy ao aminao no hivoahan’ialy ho Ahy, mba ho tonga Mpitondra eo amin’nIsraely, ary ny fiandohany dia hatramin’ny fotoana ela, efa hatramin’ny andro fahiny.
Hatramin’ny andro taloha dia nadika taorian’ny teny hebreo roa. Ny voalohany dia miymy (*/*/) avy amin’ny SHD 3117 yowm (.&*) izay midika iray amin’ireo andro, fiposahana sy filentehan’ny masoandro, izay avy amin’ny foto-teny tsy nampiasaina midika hoe mafana. Ny faharoa di any teny SHD 5769 'owlawm (.-&3) izay midika hoe miafina na ny toerana fandosirana. Izay midika hoe ny fotoana tsy tsaroana na saika ny mandrakizay (Strong) izay mandrakariva, na hatramin’ny fotoana ela, sns. Ny lahatsoratra dia tsy tokony ho fakafakaina ho tahaka ny fanomezana ny mandrakizay an’ilay eo ambany fididian’ilay Andriamanitra Tokana Marina. Ny Mesia dia mety voaray, taorian’io teny io, ho nanana fisiana hatramin’ny andro taloha. Izany dia tsy midika ny fitovian-jo na fisiana hatrami’nizay miaraka amin’Andriamanitra. Vokatr’izany, aorian’ireo teny ireo, dia hitantsika fa ny Mesia dia nivoaka avy tamin’Andriamanitra ary tsy mitovy aminy. Milaza fa olona iray dia mandrakizay nisy niaraka amin’ilay Andriamanitra Tokana Marina dia manohitra ny Tsitoha (Andriamanitra Tsitoha).
Ny Soncino mandika ny Mika 5:1[2] ny fivoahany, dia hatramin’ny fahiny, hatramin’ny andro ela ary mamakafaka ny teny hoe:
Fivoahany, izany hoe taranaka
Hatramin’ny andro ela. Angamba io fitenenana io dia avy tamin’ny fsanga-kevitra jiosy taty aoriana fa ny Mesia dia nisy tao amin’ny sain’Andriamanitra nanomboka ny fotoana faharazana, eo amin’ny drafitry ny Mpamorona amin’ny famoronana izao tontolo izao. Ao amin’ny Talmud, ny anaran’i Mesia dia anatin’ireo zavatra fito noforonina talohan’ ny fisian’izao tontolo izao.
Andriamanitra irery ihany no mitoetra mandrikizay.
Isaia 57:15 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
Io teny mandrakizay io dia SHD 5703 'ad ($3) izay mamoha ny hevitra terminus (famaranana) ary, amin’ny alalan’ny vokatry ny lalana, na fotoana ara-kevitry ny mandra-pahafaty, avy amin’izay ny rahatrizay na oviana na oviana. Io fisainana io dia, tahaka ny hitantsika, dia niitatra amin’nireo rehetre izay manana fisainana mibebaka sy manetry tena mba hamelona ireo manetry tena sy ireo mibebaka. Avy amin’izany, ireo fahafahana hipetraka ao amin’ilay rahatrizay dia andraikitra nomena an’ireo olona mba ho famonjena ireo olona ireo. Ny teny ’owlawm na olam dia tsy nampiasaina eto. Ny teny ’owlawm dia nampiasaina tamin’ny fomba fanao ara-batana, izay fantantsika fa tsy ara-panahy hatrany. Ny teny mandrakizay ny fanekena mandrakizay ao amin’ny Genesisy 9:16 ; 17:7-8,13,19 dia nampiasaina koa ny Andriamanitra mandrakizay ao amin’ny Genesisy 21:33.
Genesisy 21:33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri-sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay.
Kanefa, fantantsika fa na ny nofo na ny tany dia tsy ho mandrakizay, na hatramin’ny fiandohana na amin’ny fifaran’ny fotoana. Noho izany, ny fampiasana ny terma dia tsy mapiditra ny mpiara-miaina mandrakizay miaraka amin’ny Andriamanitra Velona Tokana. Raha ny Mesia mpiaramiana mandrakizay, dia tsy afaka ho Zanaka mihitsy Izy, satria tsy afaka miorina izany. Ankoatr’izany, ny fisian’ireo zanaka hafa nanomboka ny famoronana mitaky koa ny polyteisma tamin’ny mpiara-miaina mandrakizay (co-éternel) ny firazanana. Kristy, toy ny elohima, dia nanana namana mpiara-miasa (Hebreo 1:8-9 ampitahao amin’ny Salamo 45:6-7). Nohosoran’I elohimany ho elohima Izy. Ny filazana ny fampianaran-diso amin’ny fiadiana ny fahefana dia saika-Hénothéiste (fivavahan’ny vahoaka iray amin’andriamanitra tokana) (izany dia mampiditra ny fivavahana amin’ireo anjely amin’ny filazana ny fisian’izy ireo hatrizay tsy miankina amin’Andriamanitra). Ny filazana fa Andriamanitra, toy ny Elohima, dia voafetra ho anaram-boninahitra roa izay mampiditra fa ny iray amin’ireo elohima dia ilay Anjelin’i Jehovah [na ny Anjelin’ny Tompo], satria Zakaria 12:8 milaza mazava fa ny Anjelin’i Jehovah dia elohima.
Zakaria 12:8 Amin'izany andro izany dia harovan'i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin'izany andro izany dia ho tahaka an'i Davida; ary ny taranak'i Davida ho tahaka an'Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin'i Jehovah eo anoloany.
Zakaria 12:8 Amin’izany andro izany. Jehovah ho toy ny fiarovana manodidina ny mponin’i Jerosalema Ary izay tafintohina dia ho sahala amin’i Davida, amin’izany andro izany. Ny taranak’i Davida ho sahala amin’Andriamanitra sy ho sahala amin’ilay anjelin’i Jehovah eo anatrehan’izy ireo.
Ireo teny ireo dia maneho fa ny taranak’I Davida dia ho tahaka an’Andriamanitra (Elohima), tahaka ilay Anjelin’i Jehovah (nadika tahaka ny Tompo), eo anoloan’izy ireo na eo anatrehan’izy ireo. Ny Soncino dia manambara ny elohima eto toy ny andriamanitra. Noho izany, ny terma elohima dia azo mba haitatra amin’ireo hafa.
Ilay Mesia izy no eo anoloan’ny taranak’i Davida. Ilay andriamanitra na ny loha izy no eo alohan’ireo olom-boafidy, toy ilay Anjelin’ny Tompo diany mesia. Tsy nisy fotoana, namelana handre, fa na ny taranak’I Davida na ilay Anjelin’ny Tompo, fa ny mahatonga élohima (na andriamanitra) hoe nidika mandrakizay miaraka amin’I Eloah izy ilay Andriamanitra Ray (Ohabolana 30:4-5). Eloah irery no fototry ny fivavahana ao amin’ny tempoly (Ezra 5:1-8), izay Tempoliny (Ezra 6:16-18). Eloah no fototry ny fisoronana (Ezra 6:9-10), ilay Andriamanitry ny lanitra ary nipoiran’ny Làlana (Ezra 7:14). Ny filazana fa Mika 5:2-3 dia mamaritra ny mpiara- mandrakizay dia fanovanam-bika ny fehezanteny amin’ny faneferana ny tohin’ny fehezanteny izay manda izany toerana izany.
Manandanja ny fanadihadihana ny mikasika ny fiarahana misy mandrakizay. Ny fiarahana misy mandrakizay dia mitaky fa ny Mesia dia Andriamanitra iray hafa izay misy ankoatr’ilay Andriamanitra Tokana Marina. Noho izany, ny fehezanteny mikasika ny Andriamanitra Tokana Marina dia tokony tsy ho fantarina. Tokony hasiana Andriamanitra Marina Roa, nefa ny Soratra masina milaza fa misy Andriamanitra Tokana Marina (Deto. 6:4 ; Jaona 17:3). Raha tsy misy Andriamanitra marina Roan oho izany ny iray dia miankina amin’ilay anankiray hafa amin’ny fisiany. Ny iray izany dia andriamanitra ary ny hafa dia voahary na taranak’ilay iray. Tahaka ny zanaka dia taranaky ny Ray noho izany ny zanaka koa dia vokatry ny Ray. Misy maroloha ny zanak’Andriamanitra hatramin’ny fiandohana (Joba 1:6 ; 2:1 ; 38:4-7), izay mpiara-miasa amin’I Kristy (Salamo 45:6-7 ; hebreo 1:8-9). Mitovy amin’izany koa, Andriamanitra dia ilay Ray hatramin’ny taranak’izy ireo (na faramandimby). Ny Soncino manondro ny Salamo 45:7-8 ho faminaniana momba ny Mesia. Kimchi milaza hoe:
Ny menaka dia ny simbolin’ny haravoana (Isaia lxi.3) ary ny salamo milaza fa Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fanosorana ny Mesia, tahaka ny Mpanjakany, dia nampisondrotra azy ho eo ambonin’ireo hafa ary miteraka firavoana ankapobeny.
Io fanjakan’ireo zanak’Andriamanitra maro ireo dia zavatra izay voasoratra tahaka ny fanjakana mandrakizay (Salamo 145 :13), nefa izany tsy midika fa miara-nisy Aminy mandrakizay. Ny fifaneken’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia fifanekena tsy mana-pahataperana na mandrakizay ('owlawm) (Salamo 105 :10), na izany aza, tsy mampiditra ny fiarahana nisy hatrizay miaraka amin’Andriamanitra. Salamo 93 :2 milaza fa ny Tompo dia hatrizay hatrizay. Ny hevitry ny fehezanteny dia ny fanjakan’Andriamanitra. Ny fanjakan’Andriamanitra dia nisy hatrizay (hatramin’ny fahagola; remonte à la nuit des temps ; Soncino), na dia tsy mbola noforonina sy nolazaina aza izany. Ny hevitra dia azo taorian’ny Isaia 9:6 ny teny Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra (El) mahery, Rain’ny fiadanana, Andrian’ny fiadanana. Ireo terma Mahagaga sy Mpanolo-tsaina dia natolotra ao amin’ny LXX tahaka ilay Iraky ny Mpanolo-tsaina Lehibe (Megales boules aggelos). Ny terma Elmahery dia tsy maneho ny fitoviana na fanondroana miaraka amin’i Eloah na Andriamanitra. Tsy mihoatra izany ny terma Rain’ny mandrakizay tsy milaza ny fanondroana miaraka, sy tahaka, an’Andriamanitra iay Ray. Misy maro ireo raim-pianakaviana any an-danitra sy ety an-tany. Samy mitondra ny anaran’Andriamanitra Ray avy izy ireo (patria Efes. 3:15). Ny raim-pianakavian’ny taranak’olombelona dia nomena an’I Kriqty. Kristy dia tsy nanana hatrany ny maha Rain’ny mandrakizay, avy eo dia nomena azy ity anaram-boninahitra ity. Vokatr’izany, ny terma tsy manome ny tsifahafatesana hafa ankoatr’ilay avy amin’Andriamanitra. Ny fehezan-teny dia nomen’ny Soncino (Isaia 9:5[6]) toy izao
Ary ny anarany dia antsoina hoe Pele-joez-gibbor-Abi-ad-sar-shalom
Ny Soncino milaza hoe :
Ny dikan’ny teny amin’ny hebreo dia ‘‘mahagaga amin’ny fanoloran-tsaina dia Andriamanitra ilay Mahery, ilay Ray Mandrakizay, Ny Andrian’ny Fiadanana’’. Ilay zaza dia hitondra ireo anarana ireo ho fampahatsiahivana an’ireo olona ny hafatra izay ambarany (Arbarbanel)
Ny fehezanteny dia mihazona ny famindra-pahefana izay nomena. Na dia heverian ho mesianika azan y fehezanteny na tsia, ny vokatra azo di any fahefana nomena hatrany. Amin’ny fanazavana ny fehezanteny manaraka ny andininy ho fantarina, hatramin’izao ka ho mandrakizay, Rachi manazava fa ny teny hebreo olam midika koa fotoana lehibe (manan-danja). Io fanazavana io dia avy amin’ny fanadramana ny fetran’ny lahatsoratry ny fanjakan’ny Ezekia. Kanefa, ny fanazavana ny dikany dia tena ilaina.
Angamba azo jerena fa ny fampiasana ny Mika 5:2-3 mba hilazana ny fiarahana mandrakizay amin’ny mesia, ary avy eo natolotry ny Binitarisma na hevi-diso ny Fiadiam-pahefana, dia fanapahana ho amin’Andriamanitra Tsitoha ary fanolanana ny fot-kevitra Monoteisme (manana andriamanitra tokana). Izany dia tsy firaharahana ny ankamaroan’ ireo Soratra Masina manandanja voamarina izay maneho fa ny dika vilana dia diso.
❑