Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra
[143]
(Édition 2.3 19940927-20000926-20071223)
Ity fampianarana ity dia manazava ny fitsanganan’ny maty voalohany sy faharoa. Ny tanjona tsirairay amin’ireo fitsanganana ireo dia resahina eto ary koa ny vokatra farany azo avy amin’izany. Ny fampafahantarana ireo Nefilima sy ny tsy fahazoan’izy ireo ny fitsanganana dia voahadihady eto ary nohazavaina koa. Ity fampianarana ity dia mamakafaka ny fanazavana momba ny olona velona izay nisy talohan’i Adama niaina ety ambon’ny tany ety, ary izany dia manan-danja ho an’ireo rehetra izay mitady hampitambatra ny Baiboly amin’ireo fahitam-baovao siantifika amin’izao taon-jato izao.
Christian
Churches of God
Courriel: secretary@ccg.org
Zon’ny mpanoratra (Copyright
©
1994, rév. 1995, 1996, 1998, 2000, 2007 Wade Cox)
(Tr. 2015)
Azo adika sy zaraina maimaimpoana ity fampianarana ity raha atao manontolo
izany fa tsy misy anesorana na ovàna akory. Tsy maintsy ampidirina ao koa ny
anarana sy adiresin’ny mpanao boky ary ny fanambarana momba ny zon’ny
mpanoratra. Tsy
azo itakiana vola ny olona mandray ny boky nadika. Azo atao ihany ny mindrana
ampaha-tsoratra fohifohy ho an’ny amin’ny gazety na asa soratra fitsikerana
raha tsy manohintohina ny zon’ny mpanoratra izany.
Ity fampianarana ity dia azo raisina eo amin’ny pejin’ny
World Wide Web :
http://www.logon.org/ et http://malagasy.ccg.org/
Ny Andro
Lehibe Farany, dia fety mahaleo tena. Izy dia tsy hoe andro iray anisan’ny
amin’ny fetin’ny Tabernakely (na hoe firavoravoana fitoerana amin'ny trano
rantsan-kazo) fotsiny ihany, izy io dia fotoana lehibe indridra amin’ny
rafim-pamonjen’Andriamanitra. Izy (ny fetin’Andriamanitra) rehetra dia avy
amin’io andro io. Ny fitrangan-javatra tsirairay amin’ny fiainan’ny olombelona
manokana, ny fiainana manokanan’ny tsirairay, ny lafiny tsirairay amin’ny
rafitr’Andriamanitra rehetra dia tonga amin’io andro io. Io Andro Lehibe Farany
io dia fotoana farany ho an’ny zava-boahary rehetra amin’izao tontolo izao.
Ny
Andron’ny Tompo dia mandritra ny fanjakan’i Jesosy Kristy mandritry ny arivo
taona ary anisan’ny amin’izany ny Andro Lehibe Farany izay lazaina kosa hoe ny
Andro Fitsarana. Io andro io no fotoana farany amin’ny fampihavanana ny planeta
ity amin’Andriamanitra.
Tokony
hiverina hijery any amin’ny fotoana talohan’ny tantaran’ny olombelona isika,
talohan’i Adama. Tena ilaina ny manazava ny toro-hevitra sarotra iray, izay tsy
nihadihadiana tsara. Tsy ho an’ireo olombelona rehetra izay niaina teto an-tany
ny fitsanganan’ny maty. Ny olombelona dia tsy hitsangana avokoa – tsy adika diso
izany fa ireo karazan’ olombelona velon’aina teto an-tany no izay olombelona tsy
hatsangana amin’ny maty izany. Ireo taranak’i Adama rehetra dia hatsangana
avokoa. Fa ireo karazan’ olombelona izay nisy talohan’i Adama dia tsy ho
hatsangana.
Ny Nefilima
Ao
amin’ny fampianarana
Ny Faharavan’ny
Egypta : ny Faminaniana momba ireo Tanan’i Farao Tapaka – Fotoana Voalohany
Fizarana Faharoa [036], noresahina ao ny toro-hevitra momba
ny fisian’ny karazan’olombelona talohan’i fisian’i Adama toy izay voasoratra ao
amin’ireo lahatsoratra ao amin’ny Baiboly. Ny terma ho an’ireo olona ireo dia
ireo olo-mahery hatrizay na
ireo rapeton’olona goavambe. Ireo
olo-mahery hatrizay ireo dia manondro
ireo Nefilima na ireo lehilahy manandaza araka ny voalazan’ny Genesisy 6:4. Ny
fampiharana ireo lahatsoratra amin’ny taranaky ny ireo Maro be-rehetra izay
niodina (ireo zanak’Andriamanitra niodina = ireo demonia) dia toa miafara
amin’ny valiny hoe ireto taranaka ireto dia hosarahina ao amin’ny fotoan’ny
fitsanganana. Isaia 26:13-14, dia mitsipaka ny fitsanganana ho an’ireo Refaita
na Nefilima. Ny teny Refaita dia nadika diso, noheverina io teny Refaita io ho
tahaka ny matoatoa na ny maty.
Isaia 26:13-14 13 Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany
no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay
mankalaza ny anaranao. 14 Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa
tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny
fahatsiarovana azy.
Izy ireo
dia tsy an’isan’ny amin’ny fahatsiarovan’Andriamanitra. Tsy tafiditra ho
an’isan’izay hatsangana izy ireo. Mazava tsara izany : ‘tsy mba hitsangana’, izy
ireo araka izay voalazany andininy 14 voavaky tsika teo.
Ny teny
ho an’ny maty (na matoatoa) eto amin’ny ity andininy ity dia Refaita (mifandray
sy mikasika amin’i Nefilima, taranakin’ireo zanak’Andriamanitra izay niodina =
demonia) ary ny Baiboly Companion Bible milaza fa anarana mahaleo tena
izany ary tsy tokony hadika. Ireo Refaita dia manondro an’ireo tompo hafa izay
hita eo amin’ny andininy faha 13 (Isaia 26). Rehefa nadika izany teny izany, dia
nadika ho tonga matoatoa na maty (Joba 26:5 ; Salamo 88:10). Joba 26:5 dia
tokony hovakina hoe:
Ireo Refaita dia mipararetra (Hebreo : hul) any ambanin’ny rano any (jereo amin’ny Baiboly Companion Bible ny fanamarihana eo amin’ny andiny faha 5).
Apokalypsy 20:13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary
ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy
notsaraina araka ny asany izy.
Ireo
Refaita dia tsy hiakatra. Mijanona any amin’ny farany ambany anatin’ny
ranomasina any izy ireo. Ny lahatsoratra milaza mazava tsara fa izy ireo dia tsy
ho an’isan’ireo izay hatsangana ao amin’ny fitsanganana faharoa.
Isaia
26:13-14 dia mitsipaka ny fitsanganan’ireo Refaima ; kanefa ny olona rehetra dia
tsy maintsy hatsangana (Dan. 12:2 ; Jaona 5:28-29 ; Asa. 23:6-8 ; 24:15 ; 1Kor.
15:22 ; Apo. 20:4-6, 13). Ireo Refaita noho izany dia nosarahina tamin’ny olona
taranak’i Adama. Tsy misy intsony ireo Nefilima ankehitriny, na dia matetika
novokarina ireo siantifika aza ny taolan’izy ireny. Tsy misy taranaky ny
Nefilima velona na dia iray eto amin’ity planeta ity. Ny filazana, amin’ny
tanjona mba hampifandraisana ireo
Aborigènes (Teratany) aostralianina amin’ireo olona izay niaina tao amin’io
firenena io fahiny 40.000 taona lasa izay, dia filazana diso entina hanohitra
ireo Tompontany ary porofo iray ho fanavakavaham-bolo-koditra, amin’ny
fampisarahana ireo Tompotany amin’ireo taranak’i Adama.
Tsy misy
isalasalana fa ny fanazavana Jodaika, tamin’i fotoan’andron’i Kristy sy tamin’ny
fotoan’ny nanoratana ny Testamenta Vaovao, dia mitazona hatrany fa ny Maro izay
nihodina (ireo devoly) dia nanao firaisana ara-nofo tamin’ireo zanakavavin’ny
olombelona, araka ny Genesisy 6:4 ary koa ao amin’ny Joda 6, ary izany no antony
nanomezana baiko ho an’ireo vehivavy hitondra volon-doha lava araka ny hita ao
amin’ny 1Korintiana 11:10. Ny Baiboly dia nosoratana tamin’ny fiteny tsotra ho
an’ireo olona izay tsy nanana ny fahalalana siantifika izay ananantsika
ankehitriny. Nefa ny Baiboly milaza mazava tsara fa nisy firaisana ara-nofo,
nijangajanga. Ireo anjely dia tena niseho marina tahaka ny olombelona ka
nahavita marina ny firaisana ara-nofo. Niheverina fa izy ireo dia namorona
zavatra izay, ambany indrindra ara-jenetika ary avy eo, niray tamin’ireo
vehivavy. Niheverina fa ireo anjely ireo dia te-ho nisakana ny
rafitrin’Andriamanitra angamba.
Noho
izany, ny tanjon’ireo Nefilima dia ny hampitsahatra ny taranaky Adama sy ny
hanapotika ary hanohitra ny rafitr’Andriamanitra. Tsy isalasalana fa nisy ny
fisian’ireo Nefilima. Tsy afaka mandà ianareo fa nisy olona teto amin’ity
planeta ity izay hafa tanteraka ary nanana vatana goavana noho ny antsika. Ny
firaisan’ireo anjely niodina ( = ireo demonia) dia hita ao amin’ny
Boky Etiopianina an’i Enoka sy ao
amin’ny Genesisy Apocryphe (teny
frantsay) ao amin’ireo Manuscrits de la
Mer Morte (Tahirintsoratry ny Ranomasina Maty) ary ireo soratra
Pseudépigraphiques. Ny fandravana ny olombelona rehetra tamin’ny alalan’ny safo-drano
dia voadidy noho ireo Nefilima na Refaita.
Dia niravaina izy ireo ary, taty aoriana, ireo Anakita (jereo ny fampianarana
Ireo Nefilima [154]).
Ny momba
ny safo-drano, ny boky Midrash dia manazava ny fahatongavan’ireo Nefilima taty
aoriana amin’ireo Anakima amin’ny filazana fa i Og dia niantsampy teo ambonin’ny
sambo fiara ary izany no fanazavana ny boky Talmodika jiosy mikasika ireo
Nefilima velona taty afara. Kanefa tsy azo lazaina hoe ny iray tamin’ireo
Nefilima dia noraisina tao anaty sambo fiara. Nefa, raha jerenareo ny boky
Epopée n’i Gilgamesh sy ireo arsivy babilonianina mikasika ny safo-drano (misy
tahiry ara-tantara feno mikasika ny safo-drano ao amin’ny Epopéen’i Gilgamesh),
dia ho hitanareo fa ny halehiben’ny fiara dia tsy mitovy amin’izay fomba
mikasika azy. Ao amin’ny Epopéen’i Gilgamesh, ny sambo fiara dia voalaza toy ny
cube. Fanampin’izany, nitombo ny isan’ireo izay niditra tao anaty sambo fiara.
Naseho fa ireo izay voaisa dia ireo filohan’ny fianakaviana ary, avy eo,
niondrana niaraka tamin’izy ireo ny fianakaviany ary koa ireo mpanao asa-tanana
sy ireo mpiasa izay nanampy an’i Noa tamin’ny fanamboarana ny sambo fiara. Noho
izany, raha raisinareo fa ireo olona valo dia ireo loham-pianakaviana, dia
hanomboka hahatsapa ianareo fa nisy olona maro tao anatin’ny sambo fiara ary ho
moramora ny manazava ny fisian’ny foko samihafa izay velona ankehitriny. Izany
dia mahatonga ny zavatra sasany ho azo hazavaina, satria isika dia mamoha
karazan’olona samihafa ary izany, dia amin’ireo toerana samihafa eto amin’ity
planeta ity. Ary koa, nahita izahay fa nisy fiparitahana ankapobeny. Ireo
fahitana vaovao arkeolojia tao amin’ny lava-bato Chékoutienne tany Sina (chine)
dia naneho ireo taolana nalevina mifanakaiky ary ireo karana ireo dia
taolan’ireo Esquimau, Mongol sy olona avy any Azia Atsimo-atsinanana. Ny
valin-teny noho izany dia ny hoe nandeha nankany antsinanana izy ireo
hatramin’ny toerana iray ary niparitaka tany amin’ny toerany avy rehefa nihamaro
ka nameno ny tany. Nefa hitanay niaraka ny fatin’izy ireo ary ho hitanareo izany
ao amin’ny boky Aboriginal Man in
Australia de Berndt.
Ny
fanontaniana izay tokony hapetraka noho izany dia ity: manana porofo ve isika fa
nisy ireo olona velona ety ambonin’ny tany talohan’i fisiany Adama ? Ny valiny
dia Eny! Ny fanontaniana faharoa dia: ity porofo ity ve mifanaraka amin’ny
Soratra Masina ? Ny valiny dia mbola Eny koa! Ny fanambaran’ny Baiboly dia nisy
ireo olo-mahery tety ambonin’ny tany tamin’izany fotoana izany sy ny manaraka.
Io hevitra io dia avy tamin’ny voalaza ao amin’ny Genesisy (Genesisy 6:4). Ny
teny izay nampiasaina eto dia nefilima
izay avy amin’ny filazana lavo. Avy
amin’izany ny terma anglisy feller (mpanongana,
mpandavo). Ity filazana ity dia tonga hoe
mahery fihetsika na mpanao
didy jadona (jereo diksionera SHD 5303, ampitahao 5307). Ny teny mitovy avy
amin’izany dia nampiasaina ao amin’ny Nomery 13:33. Ao amin’io lahatsoratra io,
ny teny hebreo gibbowr na
gibbor (na koa
geber dia mpandresy) dia
nadika hoe olona manan-daza na
olo-mahery. Ny charabia (gibberish)
dia fitenin’ireo Nefilima (Hebreo : ish
midika hoe olona).
Ny Baiboly dia fanahiniana nofakafakaina
tamin’ny hevi-diso araka ny filazan’i Augustin momba ny voalaza ao amin’ny
Genesisy 6:4. Ao amin’ny boky
Tananan’Andriamanitra, boky XV, ny Fizarana 23, dia manome fanambarana izy
fa ireo zanak’Andriamanitra, izay antsoina hoe ireo Anjelin’Andriamanitra, dia
natao hoe zanakan’i Seta. Nataon’i Augustin izany mba hahafahany hilaza fa i
Kristy izy rery ihany ho zanak’Andriamanitra, na dia mazava aza ny fanambaran’ny
Baiboly, araka ny bokin’i Joba, fa nisy zanak’Andriamanitra maro nanatrika ny
famoronana an’ ity tany ity. Nataon’ ireo mpino telo izay iray ireo ho i Kristy
irery ihany no hany zanakan’Andriamanitra – izany no antony nahatonga ny
namoronanin’izy ireo indray mandeha ny tantara. Nilaza izy ireo fa ireo
zanak’Andriamanitra ao anatin’ny Baiboly dia tsy tena zanaka
ara-panahin’Andriamanitra – fa izy ireo dia taranak’i Seta. Augustin noho izany
dia nanandrana nanapotika ny toro-hevitra fa nisy zanak’Andriamanitra maro any
an-danitra ary koa anisan’ireo zanak’Andriamanitra ireo ny Maro izay lavo (ireo
demonia), ary izy ireo dia nanao firaisana ara-nofo tamin’ny vehivavy izay
taranaka ny Adama. Ny tsy tsapan’i Augustin taty aoriana, rehefa ireo sientifika
manampahaizana nanomboka namoaka ireo zava-nitranga ara-tantara, ny fampianara
(doctrine) an’ ireo telo izay iray dia ho lavo, ary hitondra fanafitohinana ho
an’ny Kristianisma rehetra koa. Augustin dia ilay namboly ireo hevi-diso
hafahana mamotika ny finoana Kristianina ao amin’ny bokin’ny
Tananan’Andriamanitra izay nosoratany,
ary ity fampianaran’ ireo telo izay iray ity izay naoriny dia tsy nisy niaro azy
fatratra afa-tsy tao amin'ireo fiangonana Protestanta any Etazonian’ny Amerika
nandritra ny taon-jato faha roapolo. Vokatry ny tsy fahombiazan’ireo Trinitera
manatrika ny voalaza ara-bakitenin’ny Baiboly no mahatonga ny Kristianisma tsy
afaka handray ny siansa. Nanomboka tamin’izany ny toro-hevitra atao hoe
teôrian’ny fivoarana (théorie de l'évolution).
Izany dia nanomboka tany Amerika sy tany Eropa noho ny fampianarana Katolika
Romanina sy ny fahateren-tsain’ny Protestanta amerikanina. Izany fahabadoana
izany dia tsy hita mazava tsara afa-tsy ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Ity
fahadisoana ity dia nentina hialoha ireo fanoloran-kevitra mikasika ireo
taranak’i Seta sy Kaina amin’ny taranaky ny olombelona izay mifanaraka tsara
amin’ny anthropologie humaine, mba hahafahan’ny mpisorona (ireo mpanompo an’
Andrimanitra) hanana fanazavana hampiharihary ary hikajy ny nahariana ny
olombelona. Izany dia nametraka ny olombelona tsy ho voaomana amin’ireo fahitana
zava-baovao arkeolojika vao haingana. Afaka handroso noho izany ny teôrian’ny
fivoarana (théorie de l'évolution) satria ireo mpianatry
ny Baiboly dia tsy nanan-kolazaina tao anatin’ny
paradigme noraisina (ny fanontaniana dia voafakafaka
ao amin’ny fampianaran’i Cox
La Création : de la
Théologie Anthropomorphique à l’Anthropologie Théomorphique [B5])).
Ny
fahadisoana lehibe dia ny fiheverana fa ny famoronana an’i Adama no famoronana
ny (karazana) olombelona voalohany. Izy dia tsy karazana olona velona voalohany
teto an-tany. Ny fitsipika mitovy dia nomena an’i Adama ao amin’ny Genesisy
1:27-28 sy an’i Noa ao amin’ny Genesisy 9:1. Izy roa ireo dia tokony hameno (hebreo:
male’ na
mala”) ny tany ary tsy midika fa tsy nisy ny fisiany olona taloha na
(hebreo: tsaba’). Rehefa nolazaina
tamin’i Noa ny handeha hameno ny tany, izany dia tsy milaza fa tsy nisy zavatra
manana aina tety an-tany. Tsy misy olona nihevitra fa tsy nisy zavatra teto
amin’ity planeta ity. Nahoana ary isika no tokony hihevitra izany, rehefa
nolazaina tamin’i Adama ny hameno ny tany, ka tsy nisy zavatra hafa tamin’izany
fotoana izany koa?
Ireo
fanambaran’i Kaina, ao amin’ny Genesisy 4:14, dia maneho tsy misy isalasalana fa
nisy olona velona hafa teto amin’ity planeta ity. Raha marina ny fanambaran’i
Augustin, Kaina dia namono ny iray amin’ireo olona roa tokana teto amin’ity
planeta ity. I Seta dia mbola tsy teraka tamin’izany. Kaina dia avy namono an’i
Abela ary tsy nisy afa-tsy izy sy ny rainy toy ny olombelona teto an-tany, raha
nanan-kato i Augustin.
I Kaina dia voaroaka ho any anefitra. Tsy nisy afa-tsy ny rainy sisa noho
izany. Kanefa, Kaina nilaza tamin’Andriamanitra hoe :
Indro, efa noroahinao hiala amin’ny tany onenana aho androany; dia hiery
ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany; koa na iza
na iza hahita ahy dia hamono ahy.
Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza
hamono an’i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho
an’i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
Ary Kaina
dia niala teo anatrehan’i Jehovah ka nonina tao amin’ny tany Noda tandrifin’i
Edena. (Nowd nakana ny Noda, voasesy
tany, mpirenireny).
Kaina
dia tsy ho natahotra ny rainy na ireo anabaviny, fa mazava hoa azy fa natahotra
ireo zava-boahary hafa izy, dia ireo Nefilima.
Tsy misy fanazavana hafa
ankoatr’izany. Nisy olona niaina tety an-tany tamin’izany fotoana izany.
Fanazavana ara-Baiboly izany
ary izany no antony nahatonga an’i Jehovah hanisy famantarana ho an’i Kaina,
marika eo amin’ny handriny. Mba hanamarihana an’i Kaina mba hahafahan’ireo olona,
izay tsy mahalala azy izay niaina tety an-tany, tsy hamono azy. Ireo Nefilima
dia olona masiaka.
Mitombona fa ny terma sesi-tany
(na voasesy tany) amin’ io andininy io dia mety avy amin’ity tany ity
satria ny teny dia tsy foto-teny (jereo ny bokin’i Cox, ibid.). Miharihary tsara
fa noho ny fisian’ireo olona hafa nivelona teto antany izany no antony hiarovana
an’i Kaina ary i Seta dia mbola tsy teraka tamin’izany. Ny manan-danja indrindra,
Kaina dia nanorina tanàna, izay nantsoiny araka ny anaran’ny zanany lahy Enoka (Genesisy
4:17). Raha marihina, ny teny tanàna dia maneho fa misy olona maro ao aminy. Tsy
nanorinana tanàna kely izy, fa tanàna misy olona maro izay nimanda (na tamboho).
Ireo tanàna taloha misy olona maro dia nisy manda nanodidina azy ary ireo tanàna
kely (am-banivohitra) dia tsy nisy an’ izany.
Fa nahoana no nisy manda?
Satria noho ireo Nefilima ; izy ireo dia nahery setra avokoa, sady masiaka.
Kaina dia nanorina
tanàna nisy manda mba hampianarana an’ireo Nefilima hiady miaraka amin’ny
tohatra avo be. Izy dia nitondra fahalalana izay tsy nisy tao amin’ireo Nefilima,
ary sefo ho an’ireo Nefilima izy noho izany. Izany zavatra tsotra izany dia
tokony hahatonga mazava fa nisy olon-kafa velona teto an-tany tamin’izany
fotoana izany. Kanefa, izany toro-hevitra izany dia tsy eken’ ny olona. Izy ireo
dia nanda an’izany, ary nandà koa izy ireo rehefa novokarin’ny manapahaizana
ireo karazana olona hafa ireo. Novokarinay tsirairay ny taolan’ireo Nefilima
nefa ny Kristianina ankehitriny dia nilaza fa tsy misy ny fisiany izy ireo.
Tsy nisy
olona nandinika ny ADN sy namoaka ny vokatr’izany tamin’ireo olona izay
novokarina ireo. Angamba tsy mitovy ny ADN. Rehefa havoakan’izy ireo ny valiny
izany, dia ho hitanareo fa ny ADN dia tsy mitovy amin’ny ADN ny olombelona. Hisy
fahasamihafana amin’ny fomba fiasany eo amin’ny Nefilima sy ny taranaky Adama
arak’izany ary tsy manakana ny fifandraisan’izy ireo. Fa ny valin’izany dia
haneho fa misy tsy fitoviana.
Ankehitriny dia maro ireo Nefilima izay hita. Ny fihariharin’izany ankehitriny
dia mavesa-danja fa nisy ireo karazana olona velon’aina teto an-tany talohan’i
Adama, ka mandà ny tantarany ao amin’ny bokin’ny Genesisy ireo olona. Tsy
fahadisoan’ny Genesisy izany. Fa fahadisoan’ireo olona mpandika ny Baiboly izay
nanafohy ny dikan’ ny ara-bakiteny ny Baiboly nandritry ny taon-jato farany teo
aloha.
Ny
ohatra tsara indridra izay azontsika ampiasaina sy izay voalaza ao amin’ny
fampianarana
Ny fahalavoan’
ny Egypta : ny Faminaniana momba ny Tanan’i Farao Tapaka – Fotoana Voalohany
Fizarana Faharoa [036], dia ilay fikarohana aostralianina.
Nihita, any Aostralia, ny porofo mikasika ny fiainan’ny olona velona tany
amin’ny taona 40.000. Ireo
évolutionnistes dia mihevitra fa ireo Aborigènes dia nitoetra teo hatrizay;
kanefa, mahalala izy ireo fa ny porofo dia manohitra ny filazan’izy ireo. Ireo
karazan’ny fomba fitenin’ny Aborigène aostralianina maneho fa izy ireo dia tonga
tany Aostralia tamin’ny alalan’ny fahatongavana im-balo mifanesy. Tsy nisy
fifandraisana teo amin’izy ireo sy ireo karazan’olona izay niaina tao teo aloha.
Ny fihariharin’ny fisehoana momba ny fitohizana dia tsy araka ny archélogie. R.
M. sy C. H. Berndt maneho ny fahasamihafan’ny hevitra amin’izany fanotaniana
izany ary maro no mihevitra fa ny Aborigène aostralinina dia mpifindra monina
vao haingana tao amin’ity firenena ity, fa izy ireo dia avy any Azia Andrefana
ary mpihavana amin’ireo foko ny tendrombohitra Dekkan sy taranaka egyptianina
tranainy na prédravidien avy any Mediterranéen izay niparitaka hatrany India sy
ny faritry ny Malesianina izay nanana fifandraisana tamin’ny Veddas avy any
Ceylan (Aboriginal Man in Australia,
Angus et Robertson, Sydney, 1965, pp. 31-33). Montagu (1965) dia nampiditra ny
Ainu (fokon’olona) tamin’izany fandravonana izany (ibid., p. 34). Ireo hevitra
rehetra ireo dia mifototra amin’ny fiheverana mikasika ny fivoarana sy ny
fifindra-monina mandritra ny fotoana lava iray. Na izany aza, dia noheverina fa
ny fampiasana ny sambo dia tsy maintsy natao (Berndt, p. 39).
Ireo
fahitam-baovao arkeôlojika hita vao haingana dia maneho fisahanana mitohy eo ho
eo amin’ity faritra ity, tahaka ireo fasan’ny Arunka ao amin’ny lemaky Murray.
Io faritra io dia nisy nitoetra nandritry ny 18.000 TAK (talohan’ny andro
kristianina) ka hatramin’ny 5.000 taona taloha tany ho any. Mitovy amin’izany,
ireo fahitam-baovao tao amin’ny lemaky Murray-Darling ireo dia maneho
fitohizan’ny fitoeran’ny karazan’olona avo be eo ho eo ny taona 6000 TAK ka
hatramin’ny 4000 TAK. Ilay lehilahy tao amin’ny Farihy Nitchie dia nanana vatana
vaventy ary banga ny nifiny roa eo aloha. Nalevina tao anaty fasana izay tsy
lalina (marivo) izy miaraka amin’ireo nifim-biby 47 Diables tasmaniens (biby
nisy tany Aostralia) (ankehitriny dia tsy misy intsony ao amin’ny Kôntinata io
biby io) manodidina ny tendany. Tany amin’ny taona 6000 TAK izany. Raha lazaina
amin’ny fiteny hafa, dia velona tany amin’ny fotoan’ny Adama izy. Niaina tany
Aostralia ity olon-goava-be ity, mpihaza izy ary olona hafa no nandevina azy.
Olona lava be izy ary niaina nandritry ny fiainan’i Adama. Noho izany, ireo
Diables tasmaniens (biby nivelona tany Aostralia), mampiharihary fa dia nisy ny
fisiany tao amin’ny kôntinanta, talohan’ny safo-drano. Ny safo-drano angamba no
namono azy ireo.
Ireo
olona tao amin’ny Marais (farihy) Kowe dia nisy talohan’i Adama koa ary lava
loha izy ireo. Nohazavaina ny tsy fitovian’izy ireo tanteraka amin’ny Aborigène
aostralianina tahaka ny fifikiran’ny loha. Angamba – nefa tsy ampy ny porofo
maneho izany. Ireo olona ireo dia taorian’ny néandertaliens. Izy ireo dia
olombelona eo anelan’elan’ny olona Neandertal sy isika (taranak’i Adama), nefa
izy ireo dia tsy nanana firazanana, na ny iray tamin’izy roa.
Ireo
tahiry arkeôlojika dia maneho fa tsy mitohy ny fitoeran’ireo eo an tany iray (mifindrafindra
monina izy ireo). Ny boky The Great Kartan
Mystery ny Lampert, ANU, 1981 angamba no ohatra tsara tamin’ny fikarohana
arkeôlojika. Lampert nanaraka an’i Jones (1973) nanoro hevitra fa ny fotoana
faharoa tamin’ny fanjanahana ny Aostralia dia nanomboka tany amin’ny 20.000 BP (talohan’ny
fotoana ankehitriny) (p. 166). Izany dia nanaraka ny fanjanahana ny Arunka (foko)
ary manamafy izay fantatsika raha teo. Na izany aza, dia tsy misy porofo na iray
aza manamarika hoe ireto olona ireto dia mpihavana tamin’ireo Aborigène ary tsy
misy fampitahana ny ADN ho raisina. Izaho dia matoky fa ho aseho izany dia ho
samy hafa amin’ny fomba fiasany. Bowdler (1977) dia nilaza ny toe-karena an-dranomasina
mba ho entina hanazava ny fifindran’ny teknolojian’ireo fitaovana (Lampert,
ibid). Ny iray amin’ireo singa izay manakana ny fakana ireo porofo dia,
nandritra ny vanim-potoan’ny Pléistocène, ny fihenan’ny haavon’ny ranomasina dia
nanamora ny fifamoivoizana tany amin’ny moron-tsiraka, nefa ankehitriny dia any
ambanin’ny rano izany. Izany no antony tsy nahazahoanay namokatra porofo maro.
Ny teknôlôjian’izy ireo sy ny fandrosoan’izy ireo dia, nandritry ny andro
Pléistocène, izay mitoetra sy nisy any ambanin’ny moron-tsiraka. Ny moron-tsiraka,
any Aostralia, dia nisy, nandritra ny andro Pléistocène, arivo maro any ivelany,
mankany amin’ny sisin-tanin’ny kaontinanta. Ny sisa tavela amin’ireo olona ireo
ary ny fanehoana ny zavatra nataon’izy ireo, dia ao ambanin’ny ranomasina ary
tsy afaka namokatra izany izahay. Fantatray fa misy tanàna ao ambanin’ny
ranomasina any Amerika Avaratra. Misy tanàna haolo any Karaiba ary izahay dia
tsy manana fanazavana momba izany. Izy ireo dia talohan’ny tantara araka ny
terman’ny tantara voatahiry. Maro ireo karazan-javatra izay tsy fantatra satria
mandrava ny fanazavan’ireo Kristianina orthodoxe maoderina eran’izao tontolo
izao izany. Aleon’izy ireo ny hitahiry izany ao ambadiky ny siansa, lavitra ny
fomba fijery Kristianina, ary amin’izay manao ny Kristianina toy ny donto-saina.
Izany no fomba nentina hanafoanana ny Kristianina ankehitriny amin’ny fanazavana
rehetra na ny fifanakalozan-kevitra teôlôjika momba ny zava-boahary. Potehin’izy
ireo toy izany ny fanehoana tanteraka ny zava-boaharin’Andriamanitra amin’ny
fomba toy izany. Ao amin’ireo faritry ny Farihin’ny Willandra, ireo datin’ny
lahasa dia eo amin’ny taona 24.000 BP ka hatramin’ny taona 33.000 BP eo ho eo.
Ny foto-tsakafo dia matetika ny hazan-drano sy ny drakaka (foza), ireo biby ety
an-tany dia tsy dia nohanina. Izany dia toa fomba fifanakalozana ara-barotra
iray tany amoron-tsiraka, raha nafindra izany, dia ho nametraka ny lahasa
voalohany eo ambanin’ny toeran’ny ranomasina ankehitriny. Ny fahamainan’ireo
farihy Willandra, manodidina ny taona 17.000 BP, dia nahita ny fizaran’ny
teknôlôljia mba hahafahana mitoto (mandisa) ny voan-javatra manodidina ny taona
15.000 BP.
Manoloana izany fanadihadiana izany, dia kely ny fisalasalana fa ny lahasa tao
amin’ny kaontinanta aotralianina dia niseho tany amin’ny taona 30.000 tany ho
any talohan’ny fisian’i Adama.
Ireo
fisehoan-javatra ireo dia maneho fa ireo Nefilima dia levona ary ireo
karazan’olona velona amin’ity planeta ity dia taranakan’ny vondron’olona mitovy
dia ny taranak’i Adama. Ny fanadihadiana lalina iray dia afaka haneho izany
hevitra izany. Vokatr’izay, ireo lahasa samihafa ao Jeriko, eo amin’ny fotoana
9.000 taona teo ho eo, dia tsy milaza ny bokin’ny Fiandohana (na Genesisy) –
izany dia maneho tsotra izao ny faharetan’ny toro-hevitra momba ny Nefilima. Ny
fanazavana hoe iza izy ireo ary ahoana ny fomba nihavian’izy ireo, dia nomena ao
amin’ny boky nosoratan’i Cox (ibid, Toko faha 4). Mbola maro ireo asa atao
mikasika izany loha-hevitra izany.
Ny
foto-kevitra dia ny hoe ny olombelona rehetra amin’izao fotoana izao dia avy
tamin’ny taranaka mitovy ary izy rehetra dia hatsangana avokoa. Izany no fototry
ny loha-hevitra. Izany dia natao tamin’izany fomba izany mba hanatrehan-tsika
rehetra ny fitsanganan’ny maty.
Ireo
Nefilima dia nopotehina nandritry ny safo-drano. Izany no tanjona momba ny
safo-drano ary Henoka nampiasain’ Andrimanitra hitsara ireo karazan’olona ireo
ary Noa no fitaovana izay nampiasaina handravana sy hamonjena tamin’izany. Fa
Henoka no refy ho entina hitsarana azy ireo.
Ny fitsanganan’ny maty
Ireo
fitsanganana dia voalaza ao amin’ny Isaia 26:13-14 ary ny vanim-potoana nomena
mikasika izany dia ao amin’ny Isaia 26:15-18.
Isaia 26:15-18 Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah
ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao
halalaka avokoa ny faritry ny tany. 16 Jehovah ô, nony azom-pahoriana
izy, dia nitady Anao; Nony niharan’ny famaizanao izy, dia nanao vavaka anakampo.
17 Tahaka izay bevohoka efa madiva hiteraka ka miolanolana sy
mitaraina noho ny faharariany, dia tahaka izany izahay teo imasonao, Jehovah ô,
18 Efa bevohoka izahay, efa
nihetsi-jaza izahay, Efa tahaka ny nitera-drivotra izahay; Tsy nahavita
famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy niteraka ny mponina amin’izao tontolo
izao.
Ny
firenena Israely no nampitomboina eto, izay firenana amin’ny ho avy izay hita ao
amin’ny Matio 21:43. Ity firenena ity no ilay vehivavy izay miaritra ny
fahararian’ny fiterahana ao amin’ny Apokalypsy 12:17 izay milaza ny taranak’ ity
vehivavy ity dia ireo Jiosy ary koa ny Jentilisa ary ny Israely rehetra. Nefa
izy ireo dia tsy nitondra ny fanavotana. Tsy naharesy lahatra ireo Jentilisa mba
handray ny lalàna izy ireo ary tsy nahavotra izao tontolo izao.
Ilay
Dràgona dia namoaka rano avy tamin’ny vavany toy ny riaka hanaraka ilay vehivavy.
Ny asa ara-panahy rehetra na hoe ny fahefan’ ity bibilava ity dia nampiasany na
natolotra tanteraka hanapotehany an-dravehivavy. Nefa na izany aza, tsy niampy
hahafahany hanapotehana ireo olom-boafidy izany.
Ity vehivavy ity dia Israely
toy ny firenena ary koa ny Fiangonana. Ireo olom-boafidy dia tsy vondron’olom-bitsy
fotsiny ao anatin’ny firenena iray. Ireo olom-boafidy dia Israely.
Ny
lafiny maneho izany bebe kokoa eto dia ao amin’ny Isaia mamaritra fa ireo
olom-boafidy dia tsy nahatanteraka ny fitondrana ny famonjena ho an’ny tany na
hitondra ny tany hibebaka sy hamotika ireo fombany ireo. Izany fitrangan-javatra
izany dia tonga miaraka amin’izay alohan’ny farany satria ny lahatsoratra
manaraka eto (Isaia 26:19 sy ny andiny manaraka) dia maneho ny fitsanganana.
Isaia 26:19-21 Ho velona indray ny olonao izay efa maty,
ny fatin’ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao
amin’ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ny fahazavana*, ary ny tany
hiteraka ny maty**. 20 Mandehana, ry oloko, midìra ao amin’ny
efi-tranonao, ary mirindrina varavarana ianao, ka miere kely indray mipi-maso
monja Mandra-pahalasan’ny fahatezerana. 21 Fa, indro, Jehovah mivoaka
avy amin’ny fitoerany hamaly ny mponina amin’ny tany noho ny helony; Ary ny tany
hampiseho ny rà izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
Isaia
dia nisahana amin’ny voalohany momba ireo Refaita (Rephaïm) izay
tsy manana fitsanganana ary avy eo dia nilaza ny fitsanganana izy eo amin’ny
andininy faha 19. Noho izany dia naneho fahasamihafana eo amin’ny Refaita sy
ireo taranaka (Adama) izay noharin’Andriamanitra izy.
Ny
fotoan’ny faminaniana dia manarona elan’elam-potoana iray antsoina hoe
ireo andron’ny Jentilisa ary mivelatra amin’ny fotoan-dehibe amin’ny
tantaran’ izao tontolo izao izany.
Ny hafaran’ ity fotoana ity
dia maneho indridra toro-hevitra maro maro.
Ny fitsanganan’ireo maty dia
natambatra [amin’ny teny iray]. Isaia dia maneho fa ireo maty amin’ny
fiafaran’ny fotoan’ny fomba fanaon’ny firenena rehetra amin’izao tontolo izao,
dia toy ireo maty ao amin’Andriamanitra ary nilaza izy fa anisan’ny iray
hatsangana amin’izy ireo amin’ity fitsanganana ity izy. Vokatr’izay, ireo
mpaminany dia ho amin’ny fitsanganana voalohany. Ankoatr’izay, ny
Vahoakan’Andriamanitra dia hiditra ao amin’ny efi-tranony izay voaomana ho azy
ireo ary ny varavarana dia harindrina avy eo. Izany no varavarana narindrina
voalaza ao amin’ny Matio 25:1 sy ny andininy manaraka eo, izay nampiasana ny
fanoharana mikasika ny virijina hendry sy ny virijiny adala mba hanehoana fa ny
virijinina hendry, dia ireo olom-boafidy feno ny Fanahy Masina, ireo virijinina
hendry ireo dia voalaza ao amin’ny Apokalypsy 14:4, izay miditra ao amin’ny
Fanjakan’Andriamanitra ary narindrina ny varavarana ary tsy nisy olona afaka
niditra ao. Ity no oran’ny fitsapana izay eto ambonin’ny tany, ary amin’izany ny
fiangonana Filadelfia dia ho arovana [Ap.
3:10]. Ny fiangonana Laodika, ireo virijina adala, ary ny fiangonana Sardisy dia
tsy hahazo izany fiarovana izany. Ireo fiangonana roa ireo dia tsy an’isan’izay
ao amin’ny fitsanganana voalohany. Vitsy an’isa amin’izy ireo no ho
an’isan’izany. Noho izany, ireo olona ireo dia hiditra ao amin’ny efi-tranony
ary ho tonga Tempolin’Andriamanitra izy ireo. Ireo lahatsoratra ireo dia
mifandray amin’ny Apokalypsy 7:3 izay milaza fa ny tany sy ny ranomasina dia tsy
ho simbaina hatramin’ny fanisiana tombo-kasé an’ireo mpanompon’Andriamanitra.
Izy ireo dia voaisy tombo-kasé mba ho firenena Israely izay voalaza etsy ambony
ao amin’ny Isaia 26:19 sy ny andininy manaraka eo. Ireo
olom-boafidin’Andriamanitra dia hangonina miaraka amin’ilay Zanak’ondry
hatramin’ny fandringanana ireo firenena rehetra amin’ izao tololo izao. Ny
fotoana hanatanterahana io faminaniana io dia milaza ny Andron’ny Tompo izay
anisan’ny vanim-potoan’ny arivo taona, manomboka amin’ny fitsanganana voalohany
ka hatramin’ny fitsanganana faharoa, rehefa asehon’ny tany ny rà izay nofohiny
ka tsy hanafina intsony ny matiny izy. Amin’izany, Isaia 26:19-21 dia manarona
ny arivo taona voalazan’ny Apokalypsy 20:4 sy ny andininy manaraka, na ny
Millenium (ny Arivo Toana). Noho izany, dia tsy mila ny Testamenta Vaovao
ianareo mba hahalala fa ny Millenium dia maharitra mandritry ny arivo taona ary
ny faharetan’ny fitsanganana dia manaraka izany. Hahita ny toro-hevitra mitovy
amin’izany ao amin’ny Testamenta Taloha ianareo. Rehefa mampiasa ny Testamenta
Taloha, dia afaka mampivelatra ny zavatra mitovy amin’izay nohazavain’i Jaona (Bokin’ny
Apokalypsy) ianareo. Misy fifandraisana tonga lafatra eo amin’ny Testamenta
taloha sy ny Testamenta vaovao. Izy roa ireo dia milaza zavatra mitovy.
Ny toetran’ireo maty
Ny
fampianarana momba ny fanahy (tsy mety maty) dia fampianarana trinitera iray
hafa mamitaka, izay mitady hanimba io toro-hevitry ny fanahy io. Ny toetra ny
maty dia ny mangingina (Salamo 115:17) ary ny maizina (Salamo 143:3). Tsy misy
fanahy miaina mandrakizay izany rehefa maty. Ny olona rehetra dia manana anjara
mitovy avokoa (Mpitoriteny 9:3). Ireo maty ireo tsy mahatsapatena na tsy
mahalala na inona na inona (Mpitoriteny 9:5). Noho izany, ny fampianarana
mikasika ny fanahy hoe tsy mety maty, foronin’ireo Kristianisma matanjaka, dia
hamokatra fiainana tena mahakamo, raha tsy misy afa-tsy ny mangingina sy ny
aizina ary tsy hahita na hahalala na inona na inona. Izany no toetran’ny maty.
Izy ireo dia miandry ny Tompo.
Ny
sasantsasany amin’ireo nimaty taloha dia tsy mba hatsangana (Isaia 26:14). Izany
dia nohazavaina teo aloha.
Ireo
masina, izay maty, dia izay nolazaina tahaka ny
matory na
ireo izay nody mandry (jereo Matio
9:24; Lioka 8:52 ; Jaona 11:11 ; 1Kor. 11:30 ; 15:6, 18, 51 ; 1Tesa. 4:13, 15 ;
2Petera 3:4).
Ny fitsanganan’ny maty
Andriamanitra dia manao fahagagana ho an’ireo maty ary izy ireo dia hatsangana
mba hanome voninahitra Azy (Salamo 88:10).
Ny fitiavany tsy miova mandrakizay dia hotantaraina amin’ny maty (Salamo
88:11) rehefa hatsanga ireo maty. Joba dia nahalala fa velona ny Mpanavotra azy
(Joba 19:25) ary any am-parany, dia ho velo indray mandeha ety an-tany izy.
Aorian’ny fahapotehan’ny hoditry Joba, nahafantatra izy fa, hahita
an’Andriamanitra, mivantana, ary hoe eo akaikiny izy ary ny masony dia hahita
Azy fa tsy [ny mason’] ny hafa (Joba 19:25-27).
Kristy
dia nanangana an’ ireo maty mba hahafantarantsika fa izy ilay Mesia (Matio
11:4-5). Lazarosy dia ohatra iray amin’izany fahefana izany (Jaona 11:11). Ny
famakafakana hafa iray milaza fa, rehefa nohomboana izy ka maty, dia nisy
olon-kafa maro natsangana tamin’ny maty. Araka ny fomban-drazan’Israely
tamin’izany fotoana izany, ireo olona natsangana tamin’ny maty ireo, avy eo, dia
novonoina. Ny
toro-hevitry ny fitsanganana, toy izay nomena an’i Mesia, dia fantatry ny olona
tsara ary nandrasana izany (Matio 14:2).
Azon’ny
olona mazava tsara fa isika rehetra dia tsy hodi-mandry avokoa, fa hovana isika
rehetra amin’ny trompetra farany (1Kor. 15:51). Vokatr’izany, ireo rahalahy dia
hody mandry ary ireo fara mandimby dia handalo avokoa nefa, rehefa amin’ny andro
farany, ho tonga ilay Mesia, dia hisy olo-masina velona ety am-bonin’ny tany
amin’izay fotoana izay.
Ary ny rehetra araka izany dia hovaina ho tonga fanahy [tahaka ny anjely]
tsy mety maty (1Kor.
15:44 sy ny andininy manaraka). Ireo, izay nodi-mandry, dia hatsangana. Ireo
izay velona hatramin’ny andron’ny hiavian’ny Tompo dia tsy hialoha ireo izay efa
nodi-mandry (1Tesa.
4:13-15). Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana
sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin i
Kristy no hatsangana aloha ary isika; izay sisa velona, no hakarina miaraka
amin’izy ireo ary, noho izany, dia hiaraka amin’ny Tompo mandrakariva isika
(1Tesa. 4:16-17).
Aorian’ny fitsanganana, dia manomboka ny fanjakan’ireo olona masina mandritry ny
arivo taona. Ireo olona masina dia hitantana ireo firenena miaraka amin’ny tehim-by
(Apo. 2:26-27). Misy dikany maromaro mikasika amin’ity tehina ity. Ny tehina dia
manana fahefana hanapotika ireo firenena rehetra amin’ izao totolo izao tahaka
ireo vazy vita tamin’ny tanimanga ary, koa, izany (tehina izany) dia tsy
miforitra ary tsy tapaka, toy ny volotara (bararata). Egypta dia nampitahaina
amin’ny volotara izay folaka ary nandoaka ny tanan’ny Israely rehefa niankina
taminy ny Israely. Rehefa hiankina amintsika izy ireo, ny tehintsika dia tsy ho
folaka mihintsy.
Amin’ny
fitsanganan’ny maty, dia tsy hisy fampakaram-bady (Mat. 22:30). Ireo olo-masina
dia hatsangana amin’ny maty tahaka ireo fomba ara-panahy (anjely).
Io no andro izay
hisarahantsika rehetra am-panambadiana. Io no fisaraham-panam-badiana tokana
ilaina. Isika rehetra
dia hisara-bady avokoa ary ho ampakarin’i Kristy toy ny vadiny, isika tsirairay.
Tsy hisy lahy na vavy, fa vatana ara-panahy ihany (tahaka ny anjely) ho tonga
zanakan’Andriamanitra avokoa ny rehetra, nateraky amin’ny fanahy, miasa miaraka
amin’i Kristy avokoa amin’ny alalan’ny fahefana. Maty ho antsika i Kristy mba
hahafahantsika miara-belona aminy rehefa hofohazina amin’ny torimasontsika isika
(1Tesa. 5:10).
Zava-dehibe ny ahafantarantsika fa ireo olo-marina irery ihany no tafiditra
amin’ny fitsanganan’ny maty voalohany. Ny hitsiny sy ny rariny dia teny mitovy
amin’ny fiteny hebreo (tsedek). Noheverina ho zavatra mitovy hevitra izy ireo.
Noho izany, ny olom-boafidy manodina ny rariny ka tsy mibebaka fa mafihatoka dia
hesorina ho ao amin’ny fitsanganan’ny maty voalohany izy.
Ny Famaizana ny ratsy fanahy
Ny
olombelona dia naharay fomba fampianarana marina iray. Ny fanirin’Andriamanitra
dia ny mba tsy hisy nofo very na dia iray aza, fa ny rehetra mba ho tonga
amin’ny fibebahana (2Petera 3:9). Raha esorin’Andriamanitra ny Fanahiny izay
nomeny dia ho faty avokoa noho izany ny nofo rehetra ary dia hiverina ho vovoka
(Joba 34:15) – ka noho izany ny fanahy dia tsy hisy.
Ny sisa
amin’ny olombelona izay tsy natsangana tamin’ny fitsanganan’ny maty voalohany,
izay fitsanganana tsara lavitra (Heb. 11:35), dia hatsangana amin’ny maty
amin’ny fitsanganan’ny maty faharoa izay ho tonga aorian’ny fanjakan’i Mesia ety
an-tany mandritry ny arivo taona. Io fitsanganan’ny maty faharoa io dia
fotoan’ny fitsarana izay toa nitarina mandritry ny zato taona (Isaia 65:20).
Fahiny ny faharetan’ny fiainan’ny olombelona taloha dia 120 taona (Gen. 6:3)
kanefa nanomboka tamin’i Mosesy, dia nohafohezina ho fitopolo taona izany (ampitahao
amin’ny Salamo 90:10). Amin’ny fitsanganan’ny maty faharoa, dia homena andro
iainana 120 taona indray ny olombelona, izany hoe ka hatsangan’Andriamanitra
amin’ny maty toy ny olon-dehibe (20 taona) izy ireo, ary avy eo hotsaraina
mandritry ny 100 taona izay fitsarana ho amin’ny fanitsiana (Jereo koa
Mpitoriteny 8:12).
Rehefa
avy ny andro hahafatesan’ireo olona ireo amin’izany fotoana izany, raha nibebaka
izy ireo, dia hovana (ho tonga toy ny anjely). Raha tsy nibebaka kosa sy tsy
niova izy ireo dia tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho izany, izy
ireo dia ho faty tsotra izao ary hodorana ny vatana izay maty. Ny fitsanganana
amin’ny fitsarana (Jaona 5:29) dia fitsanganana ho amin’ny fanitsiana sy ho
fampianarana mba hahafahan’ny olombelona rehetra miomana handray ny fiainana
mandrakizay. Ny teny Grika nampiasaina ho an’ny fitsarana (kriseõs)
(izay nadika diso hoe ho helohina na
fanamelohana ao amin’ny fandikana Baiboly Malagasy) dia midika hoe
fanapahan-kevitra. Ny dikany dia ny hoe fanitsiana avy amin’ny hevitry ny olona
iray na fanapahan-kevitra nomena mikasika asa natao. Raha lazaina tsotra, io
fitsarana io dia fitsikerana ny asa izay natao, izay manova ny fihetsiky ny
olombelona nandritra izany fotoana izany. Izany hoe fitsarana mikasika ireo
fihetsika vita izay hovaina ho amin’ny asa marina. Tsy heloka izany fa fanovana
mitondra ho any amin’ny fiainana. Izany midika hoe fanasazina na fananarana. Fa
ny vahoaka, izay tsy nanana fotoana hahalalana an’Andriamanitra, dia tsy ho
faizina noho izany tsy fahalalany izany. Ireo ratsy fanahy dia hahazo
fampianarana mafy. Raha tsy mibebaka nandritry ny 100 taona izay homena amin’ny
fitsanganan’ny maty faharoa izy ireo, dia havela ho faty izy ireo ary ny
vatan’ireo maty ireo dia hopotehina amin’ny afon’ ny Gehena (Mat. 5:22,29-30 ;
10:28 ; 18:9 ; 23:15,33 ; Marka 9:43,45,47 ; Lioka 12:5 ; Jakoba 3:6).
Misy
teny telo ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nadika hoe
helo. Ireo teny ireo dia SGD 86
helo izay manakaiky ny (diksionera)
SHD 7585 sheol (lavaka na fasana –
toerana izay nametrahana ireo fatin’ny olona). Ny faharoa dia SGD 1067
Gehena, izay teny avy amin’ny teny
hebreo milaza ny lemaky Hinnom. Izy io dia lava-pako izay nandoroana ireo fako
sy ireo fatim-biby tao Jerosalema. Nampiasain’i Kristy izy io ho toy ny
fanoharana hanaovana famantarana ny fitoeran’ireo maty, dia ny vatana sy ny
fanahy (Matio 10:28), aorian’ny fitsarana. Ny fahatelo dia ny (diksionera) SGD
5020 tartaros dia ilay hantsana izay
nanagadrana ireo anjely taorian’ny fihodinan’izy ireo.
Ny sazy
mandrakizay (Grika kolasin, sazy avy
amin’ny tribunal) voalaza ao amin’ny Matio 25:46 mifanipaka amin’ny fiainana
mandrakizay. Izany dia ny fahafatesana tsotra izao.
Ny
hevitry ny sazy avy amin’ny teny Grika
timoria, izay hita ao amin’ny Hebreo 10:29, midika fa sazy ho
fanamarinan-tena. 2Korintiana 2:6 dia nampiasa ny teny Grika
eptimia amin’ny
maminavina (manombana) ny maha
olom-pirenena. Izany hoe, ny sazy manapaka fa fanesorana amin’ny maha
olom-pirenena [amin’ny Tanànan’Andriamanitra].
Noho
izany, tsy misy toerana hoe fampijaliana mandrakizay ho an’ireo maty. Ireo
olo-masina dia hantsoina, ao amin’ny fitsanganan’ny maty voalohany, ka ho hanan’
asa hatao izy ireo, ho mpampianatra mandritry ny Arivo Taona, mba hahafahana
hitsarana ireo demony araka ny hampitahaina amin’ny vokatry ny asan’ireo
olo-masina ireo ary mba hahitan’izao rehetra izao fomba iray ho entina
ampitahaina ka hahafahany hampitaha ireo vokatry ny ataony.
Andriamanitra dia hiantoka fa ny rariny dia hatao ary Nifidiny ireo olona tsotra
izay noheverin’izao tontolo izao ho osa mba hanaovana antsika toy ny modely ho
halain-tahaka ary, noho izany, ho tsaraina araka ny modely nasehontsika ireo
demony. Satana dia efa
voatsara araka ny modely tamin’i Kristy. Kristy dia natao modely halain-tahaka
tamin’ny naha olombelona Azy ary Satana, amin’ny maha fanahy azy, dia nitsaraina
araka izay nataon’i Kristy tamin’ny fotoana izay nananany vatan’ olombelona
tsotra. Noho izany, ny Maro (anjely nihodina = ireo demony) amin’ny fahefany sy
ireo lohan’ireo demonia rehetra ireo amin’ny fahefany dia voatsara tamin’ny
fahalemena izay neken’i Kristy. Ary tahaka izany, ny Maro izay nihodina, ireo
demony eo ambany fahefan’i Satana, dia tsaraina araka antsika. Isika no modely
ho ankalain-tahaka.
Izany no mahatonga, ilay mpiampanga ny rahalahy hiampanga antsika hatrany – raha
bebe kokoa ny fiampangany antsika eo anatrehan’ Andriamanitra, dia mampihena ny
fahadisoan’i Satana amin’ny fitsarana azy izany.
Mba
ahafahana hotsaraina araka ny modely ireo Maro nihodina, Satana dia tsy maintsy
hogadraina ao anaty lavaka mandritry ny Arivo Taona.
Mba hahazahoana maneho
fitsarana mahitsy na fampitahana marina, Satana sy ireo demony dia tokony
hesorina mandritra ny arivo taona.
Ny
anton’ny Arivo Taona dia mba hahafahantsika hiasa tsy ho elingelin’ireo
vitsika fotsy (neno), satria ireo
demony dia toy ny vitsika fotsy. Ny
fahaizan’izy ireo mandresy lahatra ny olombelona dia hohesorina. Amin’izay, dia
tsy hilaza isika fa tsy nanana fanombohana marina. Satàna dia hovahana indray
mandeha mba hisahana ireo rehetra izay mihevi-tena fa marina ary ho tonga
amin’izany toetra izany, amin’ny fiafaran’ny Arivo Taona, satria, amin’izay
fotoana izay, ny planeta ity dia ho feno an’ireo olona manamari-tena ireo.
Apokalypsy 20:1-4 Ary hitako fa, indro, nisy anjely
nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy
gadra lehibe eny an-tànany; 2 dia nisambotra ilay dragona izy (dia
ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona,
3 dia nanipy azy ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia
nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony
mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy
hovahana kelikely aloha izy. 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho,
ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa
ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesosy sy ny
tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na
teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo
amin’ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
Ireo
olona ireo dia novonoina na nenjehina, satria niaina teo ambanin’ny fahefan’izao
tontolo izao izay nitaky faharetana avy amin’izy ireo. Mitohy hatrany izany
fanenjehana izany. Raha tafiditra ao amin’ny fitsanganana voalohany hianareo,
midika fa efa voatsara hianareo ankehitriny. Nenjehina ianareo.
Apokalypsy 20:5-10 Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy
mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
6 Sambatra sy masina izay
manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny
fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka
hiara-manjaka aminy arivo taona. 7
Ary rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana Satana ho afaka ao
amin’ny tranomaizina nitoerany 8
ka hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga
sy Magoga, mba hanangona ary ho any amin’ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina
ny isany. 9 Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny
tobin’ny olona masina sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra
ka nandany azy. 10 Ary ny devoly izay namitaka azy dia natsipy tany
amin’ny farihy afo sy solifara, izay misy ilay bibi-dia sy ilay
mpaminany sandoka koa, ary hampijalina andro amin’alina mandrakizay mandrakizay
ireo.
Izy ireo (ny devoly sy ny olona
nofitahiny ka tsy nibebaka) dia tsy hoe ampijaliana velona ao anatin’ny afo sy
ny solifara aorian’ny fitsarana azy ireo. Ny olona sisa amin’izao tontolo izao
dia tsy mbola tsaraina ankehitriny. Noho izany, ireo izay manana anjara amin’ny
fitsanganana voalohany irery ihany no tsaraina ankehitriny.
Ny olona rehetra dia mandalo
amin’ny fanadinana mitovy ao amin’ny
faminavinana (manombana) sy ny fanitsiana. Avy eo, dia mandalo amin’ny vanim-potoana amin’ny
fitomboan’ilay olona amin’ny maha-Tempoly azy,
ny fanao amin’ny Jobily isaky
ny fito taona, ka mandalo amin’ny vanim-potoana mitovy amin’izay
mandra-pahatongavanareo amin’ny fahefana izay hametrahan’Andriamanitra anareo ao
amin’ny fitsanganana voalohany. Ny sisa amin’ny olona rehetra dia hatsangana sy
hahitsy ao amin’ny fitsanganana faharoa, izy ireo ho eo ambanin’ny fahefan’ny
olom-boafidy (Apokalyspy 20:11-13).
Apokalypsy 20:11-13 Ary hitako fa, indro, nisy seza
fiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny; ny tany sy ny lanitra
nandositra ny tavany, ka tsy nisy hitoerany intsony. 12
Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo
anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa
novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka
izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany. 13Ary ny
ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny
fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany
izy.
Noho
izany, ny olona tsirairay na lahy na vavy dia samy hilaza izay nataony eo
anatrehan’Andriamanitra. Nomena fotoana hibebahana izy ireo noho izany. Izy ireo
dia handalo fitsarana tsotra izao amin’ny alalan’ny fomba izay nataony. Maro
ireo izay hanamarina ny zavatra nataony ary betsaka ireo olona izay hanandrana
hana-mari-tena ka hanazava fa mety ny nataony. Ny olana hatrehina amin’izany dia
ny fisahanana ny fihetsik’izy ireo amin’ izay fotoana izay.
Lafiny anankiray mahavariana amin’ny voalazan’ny Apokalypsy 20:11-13 dia ireo
andininy ireo izay nampiasaina mba hanohanana ny toro-hevitra momba ny
fitsanganana fahatelo. Ny famoahan’ny ranomasina ny maty tao aminy dia tsy
manohana velively izany hevim-pampianarana izany. Satria, mety hisy ny
mifanohitra amin’izany. Ny fanondroana ny ranomasina sy ny fiainan-tsi-hita
dia maneho fa ny terma fiainan-tsi-hita dia manondro ny fasana ety an-tany
fa tsy ny fasana any an-dranomasina (jereo ny fampianarana
Ny Hadisoana
amin’ny Fitsanganan’ny maty Fahatelo [166]).
Tsy misy fitsanganan’ny maty hafa na
sazy hafa ankoatry ny fitsanganana faharoa na hoe fitsanganana ankapobeny. Ny
olona nibebaka dia hahazo ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ireo olona masina
nanana anjara tamin’ny fitsanganana voalohany ary ireo olona tsy nibebaka dia ho
faty tsotra izao ary ny vatan’ny maty ireo dia ho dorana. Aorian’izany, ny
toetran’ny maty na ny momba ny fahafatesana sy ny fasana na ny Toeran’ny maty
dia ho esorina (Apok. 20:14).
Noho
izany ny devoly, ny faharatsiana, ny fahafatesana sy ny fasana dia toro-hevitra
avokoa – tsy olona izy ireo. Ilay hoe Losifera taloha dia lavorary ary ho toy
izany indray izy. Ireo toro-hevitra ireo dia lafin-javatra ny fisiany, ary
hatsipy any anaty farihy afo izy ireny.
Ho levona izy ireny.
Noho izany, tsy olona ireo
izay atsipy any anaty farihy afo. Ny biby dia dia fomba fitantanana na
goverenemanta iray ary tsy ny mpaminany diso, fa ny faminanian-diso no atsipy
any anaty farihy afo. Ireo toro-hevitra rehetra ireo – ny fomba fitantanan’ilay
biby dia, ny demokrasia tahaka ny nanaovana azy, ireo vondrom-politika sy ny
rafitra ara-politika rehetra, ny ratsy teo ambany fahefan’ny Tafiky ny devoly –
dia hatsipy any anaty farihy afo avokoa. Ho levona tahaka ny toro-hevitra izy
ireo ary ireo olona – Satana na ny Maro izay nihodina n’aiza n’aiza vondrona
nisy azy na zava-manan’aina hafa – dia tsy hampijaliana mandrakizay. Tsy nisy
olona mihintsy nampohirian’Andriamanitra velona, na ny Maro any an-danitra, na
ny olombelona. Andriamanitra tsy ratsy saina. Izy dia Andriamanitra mpamindra fo
sy Andriamanitry ny fahamarinana ary avelany ho faty fotsiny ireo zavatra ireo.
Ny Tafiky ny demony dia hesorina ho faty ka hiverina ho velona tahaka ny endriky
ny olombelona amin’ny fitsanganan’ny maty faharoa. Isika dia hisahana azy ireo
ary hibebaka izy ireo na avela ny ho faty izy ireny ka hodorana nefa ny
ankamaroan’izy ireo dia hibebaka (jereo ny fampianarana
Ny Fitsarana
ireo Demony [080]). Azo antoka fa tsy hisy na dia olona iray
aza na fanahy iray amin’ireo zava-boaharin’Andriamanitra rehetra dia tsy ho
very, satria tsy sitrapon’Andriamanitra ny hahavery antsika. Homena an’i Satana
ny fibebahana sy ho an’ny olombelona tsirairay ary isika dia handresy lahatra
azy rehetra ireo.
Ireo
ratsy fanahy, izay sisa velona amin’ny fiverenan’i Mesia, dia ho faty (Malakia
4:3) ary hahiboka (consigné) any amin’ny fitsanganana faharoa.
Izany no
sazy izay nomena an’i Joda noho ny nandavany an’i Kristy. Izy ireo no zanaky ny
fanjakana izay hariana any amin’ny maizina any ivelany (Matio 8:12). Izy ireo
dia hahiboka ho an’isan’ireo izay ao amin’ny fitsanganana faharoa fa tsy nandray
anjara amin’ny fomban’Andriamanitra (2Petera 1:4) sy ny fitsanganana voalohany.
Izy ireo dia tsy voasafidy handray anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Maro
no antsoina fa vitsy no fidiana mba handray izany andraikitra izany (Mat.
22:13-14). Maro, ireo manohana an’i Kristy, nefa nampijaly ireo olom-boafidy na
ireo izay tsy mendrika (Mat. 25:30), izy ireo dia, hahiboka any amin’ny
fitsanganana faharoa (Mat. 24:51; 25:30) satria maro ireo izay ho lavina (Lioka
13:26) ary toy izany koa ireo izay tao amin’ny fitsanganana voalohany dia
hafindra araka ny laharan’ny fahefana azon’izy ireo (Lioka 13:30).
Ny
hevitra mikasika ny fitsanganana noho izany dia zavatra mamelatra ny fanazavana
ny fomba fandravana an’i Satana sy ny fomba fanaony. Ny zava-boahary ireo
karazan’olombelona talohan’i Adama dia an’isan’izany fomba fivoaran’ity planeta
ity ary izany, dia niaraka tamin’ny tanjon’ireo elohima izay niandraikitra ity
planeta ity. Satana dia iray amin’ireo elohim (andriamanitra) izay niandraikitra
ity planeta ity izany. Andriamanitra dia nametraka io rafitra ny 6.000 taona io
mba hisahana ireo Maro izay nandray ny fahefana hisahana ireo planeta sy ny
velona ao aminy. Izy ireo dia namorona zavatra hafa – namorona fomba fanao, ary
namorona vanim-potoana sy ireo dinôzôro (biby vaventy). Ny fahasarotana teo
amin’ny sivilizationa dia nisy dikany ary tsy misy isalasalana fa nisy
karazan’olona velona teto amin’ity planeta ity. Andriamanitra dia nanapa-kevitra
ny hisahana izany, sy ny hitsara azy ireo ary ny haneho amin’izy ireo ny tokony
hatao. Ny famoronana an’i Adama sy ny rafitra momba ny 6.000 taona dia nanana
tanjona hanehoana ny fahendren’Andriamanitra sy ny fisahanana ireo Maro nihodina,
ary ny hampitomboana azy ireo mba hiditra amin’ny fotoana manaraka amin’ny
famoronana izay ho amin’ny tsara kokoa noho ny fotoana teo aloha (izay tsy
mendrika). Izao tontolo izao (univers amin’ny teny frantsay), ity zavatra
noharin’Andriamanitra ity dia miitatra hatrany, ary izany dia amin’ny fomba
haingana ary isika dia hanohy hamorona indray izao tontolo izao. Isika dia hanao
eto amin’ity tontolo ity izay natao tamin’ity planeta ity ary isika dia hanao
izany araka ny tokony ho izy. Vokatr’izany, io drafitra ny 6.000 taona io dia
manome lafiny iray ho entina hitsikerana an’ireo demony mba hanomanana antsika
ary koa ny olombelona rehetra, hanohy sy handray ny andraikitra amin’ny
fanesorana ny ratsy izay natao nandritra io fotoana io. Andriamanitra dia
nisahana ny fomban’ilay andriamanitrin’izao tontolo izao (Satana) nandritra ny
fotoana lava nanomboka ny namoronana an’i Adama. Misy dikany lehibe tokoa ny
drafitra momba ny famonjena nandritra ny 6.000 taona.
q