Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra
[p147z]
Famintinana :
Ny Fomban’Andriamanitra ao amin’i Kristy [147z]
(Edition 2.0 19951203-19991108)
Kristy ve olona tsotra tsy manana fisiana taloha?
Christian Churches of God
PO Box 369, WODEN ACT 2606, AUSTRALIA
adresy mailaka : secretary@ccg.org
Zon’ny mpanoratra (Copyright © 1995, 1999 Wade Cox)
(Famintinana nataon’i Patti Gambier, éd. Wade Cox)
(Tr. 2016)
Azo adika sy zaraina maimaimpoana ity fampianarana ity raha atao manontolo izany fa tsy misy anesorana na ovàna akory. Tsy maintsy ampidirina ao koa ny anarana sy adiresin’ny mpanao boky ary ny fanambarana momba ny zon’ny mpanoratra. Tsy azo itakiana vola ny olona mandray ny boky nadika. Azo atao ihany ny mindrana ampaha-tsoratra fohifohy ho an’ny amin’ny gazety na asa soratra fitsikerana raha tsy manohintohina ny zon’ny mpanoratra izany.
Ity fampianarana ity dia azo raisina eo amin’ny pejin’ny World Wide Web :
http://www.logon.org/ sy http://malagasy.ccg.org/
Ny Fomban’Andriamanitra ao amin’i Kristy [147z]
Ny filazana fa misy Andriamanitra Tokana sady Marina ary ny fandavana ny fisian’i Kristy tany aloha na olombelo azy, izany dia antsoina hoe Unitarisma Fototra (Unitarisme radical amin’ny teny frantsay), ary ny holazaina manaraka eto dia maneho izany fametrahana izany ho zavatra diso, tsy ara-baiboly. Hitantsika ao amin’ny bokin’i Jaona 1:1 fa misy olona roa manana ny fomban’Andriamanitra, ny iray ‘‘Ilay’’ Andriamanitra, ary ny iray ‘‘andriamanitra’’, Araka izany asehon’ny fitsipi-pitenenana grika. ‘‘Ilay’’ Andriamanitra dia manondro an’i Ray irery ihany.
Ny fisian’i Kristy tany aloha dia nolazaina ao amin’i bokin’i Jaona 1 :2-3, ary ny asany tao amin’ny famoronana, dia hita ao amin’i Jaona 1:10. Kristy, ilay Teny, dia tonga nofo ary niaina toy ny olombelona, izy irery no andriamanitra nateraky ny vehivavy. Izy dia tsy ‘‘Ilay’’ Andriamanitra fa ilay andriamanitra nateraka, na dia teo anatrehan’ny Ray, izy no niteny na nanambara Azy (Jaona 1:18).
Andriamanitra nampiditra azy ho amin’izao tontolo izao (Hebreo 1:6) ary ny andininy faha 8 sy faha 9 dia manamarina azy ao amin’ny Salamo 45:6-7. Izy no lahimatoa (Kol. 1:15-18) ny zava-boahary, dia izany ny fiatombohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra izy (Apok. 3:14).
Io Tompo (na kurios) dia mpitondra teny ho an’ilay Ray tany anefitra (Asa 7:33). Ao amin’ny Jaona 17:5 Jesosy Kristy dia milaza mavaza tsara ny Fisiany tany aloha.
Kristy dia tsy zanaka tokan’Andriamanitra, satria misy zava-manan’aina ara-panahy maro (ireo anjely) any an-danitra (Joba 38:4-7) antsoina hoe zanak’Andriamanitra. Ireo zava-manan’aina ireo dia afaka mankeo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra matetika (Joba 1:6, 2:1), an’isan’izany i Satana, izy ilay andriamanitra izao tontolo izao (2Korontiana 4:4). Ireo zanany ireo dia tsy mahatoky avokoa (Joda 6; Gensisy 6:4, Apokalypsy 12:7-9).
Kristy dia nanana ny toetran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, ary amin' izany dia endrik’Andriamanitra izy. Tsy nihevitra ny fitoviana amin’Andriamanitra izy (Filipiana 2:7-8). Ary koa, ny olom-boafidy dia hanana io toetran’Andriamanitra io koa (2Petera 1:4).
Kristy dia tonga olombelona mba hahatongavany Mpisoronabe, izy no afaka mamantatra ny kilemantsika, ary nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra izy (Hebreo 2:17-18). Maty izy toy ny sorona hanavotana nohon’ny fahotan’ny olombelona, na dia tsy nisy ota aza izy (jereo Heb. 4:15).
Na dia izany aza, dia nanana ny toetran’Andriamanitra izy (Kolo. 2:9) ary io toetran’Andriamanitra io dia malalaka ho an’ny olombelona koa (Kolo. 3:10)
Toy ny olom-boafidy, afaka ho tonga mpiara-mandova amin’i Kristy isika (Romana 8:17; Gal 3:29; Titosy 3:7; Hebreo 1:14; 6:17; 11:9; Jakoba 2:5; 1Petera 3 :7), izay voatafy araka ny Fanahy Masina, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra (1Kor. 15:28)
Kanefa misy Andriamanitra anankiray ary Tokana sady Marina ihany (Jaona 17:3; 1Jaona 5:20 ) Izy irery no tsy mety maty (1Timoty 6:16), ary i Kristy dia Zanany (Jaona 17:3).
Andriamanitra Ray no antsoina Eloah (Ohabolana 30:4-5) sy Andriamanitra Avo Indrindra, izay miavaka amin’i Kristy (Genesisy 14:18; Nom. 24:16; Detero.32:8; Marka 5:7).
Tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra na nadre ny Feony (Jaona 1:18, 5:37).
Ny fampiasana ny anarana Jehovah (Yahovah) dia isaky ny solontena. Yahovih Elohim dia ‘‘Ilay’’ Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Jehovah, izy ilay Andriamanitry ny teratanin’ny Israely, ary izany ny hevitry ny Salamo 45:6-7 sy ny Hebreo 1:8-9. Ilay Mesia dia miseho amin’ny anaran’i Yahovah Elohim (Mika 5:4).
Ny Andriamanitra Tompon’ny Maro nandefa an’i Yahovah ho anireo firenena (Zakaria 2:8-9). Jereo koa Zakaria 12:8 ao no anambarana ny Mesia toy ny elohim Salamo 45:6-7 sy Hebreo 1:8-9.
Misy elohim maro ankoatry ny elohim roa. Ireo boky ny Salamo rehetra dia manambara fa ireo elohim dia mpanolo-tsaina (Salamo 82:1; 86:8; 89:6-7; 95:3; 97:7-9; 135:5). Ny filaharana dia niitatra amin’ireo olombelona (Salamo 82:6 sy Zak. 12:8).
Kristy dia tonga zanak’Andriamanitra miaraka amin’ny hery amin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty (Romana 1:4), ary noho ny maha mpiara-mandova miaraka amin’i Kristy ireo olom-boafidy dia mahazo io hery io koa.
Ireo elohima maro isa dia notondroina tahaka ny bene elyon na zanaky ny Avo Indrindra. Ny fanazavana feno dia hita ao amin’ny Apokalypsy 4:1 ka hatramin’ny 7:14, ary manambara ireo mpanolo-tsaina, izay manana fotrotra anatiny sy ivelany avy amin’ny teny qadosim SHD 6918, na anjely masina (jereo Salamo 89:1-8; Joba 5:1; Zak. 14:5). Ireo mambra ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ety an-tany dia masina koa.
Ny Sanedriona dia miisa fito-polo lahy miampy roa, ary rehefa nibaiko ireo fito-polo lahy i Kristy, ny tena marina dia nanaisotra ny fahefana teo amin’ireo Jiosy, ary nametraka izany ao amin’ny Fiangonana.
Ireo zanak’Andriamanitra izay niforonan’ny Tafika any an-danitra dia fantatra toy ny iraka samihafa, toy ny anjely, mpiambina (Daniela 4:13, 17, 23) ary tsy manana fonenana amin’ny nofo (Dan. 2:11).
Ireo zanak’Andriamanitra rehetra, anjely sy olombelona, dia manana anjara amin’ny toetran’Andriamanitra, amin’ ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina (Jaona 1:9).
Ny filozofia grika dia tsy afaka nahalala fa ny soron’ny olo-marina no hampihavanana ny ambany amin’ny any ambony (ny olombelona amin’Andriamanitra), dia fizotry ny hevitra tafiditra ao amin’ny finoana hebreo, satria mino izy ireo fa izay tahaka azy ireo no afaka manaisotra ny tahaka azy. Noho izany, Kristy dia tsy maintsy nasandratra hitovy laharana ary miaraka amin’Andriamanitra mandrakizay vokatr’izany. Ny Trinitarisma dia naka io fomba io mba hahafahan’izy ireo manova ny fotoana sy ireo làlana ara-baiboly. Nolazain’izy ireo fa ny Fanahy Masin’Andriamanitra sy an’i Jesosy Kristy irery ihany, tsy nanome ny toetran’andriamanitra ho an’ireo anjely hafa sy olombelona. Ny Modalisma dia nametraka an’i Kristy toy ny endrika iray hafa an’Andriamanitra, nefa tsy misaraka. Ireo Trinitera dia sahy nilaza fa Kristy izany dia mitovy amin’Andriamanitra, ry zareo dia nanana ny fahefana hanafoana ireo làlanan’ny Hebreo. Kristy izany dia afaka manome làlana vaovao ary manapotika ny fahambonian’Andriamanitra Ray, toy ny Mpanao làlana sy toy ny Andriamanitra Tokana sady Marina (Jaona 17:3).
Andriamanitra Ray dia manana Zanaka maro (Genesisy 6:4 ; Joba 1:6 ; 38:4-7) ary Kristy dia iray amin’izy ireo (Jaona 17:3). Andriamanitra Ray izy irery ihany no tsy mety maty (1 Timoty 6:16) sy velona mandrakizay (Apokalypsy 4:9).Aminy alalany no nampisy sy nahary izao rehetra izao (Apokalypsy 4:11).
Kristy mivelona amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra, ary isika dia miaina ao aminy (2 Koro. 13:4 ; 1 Petera 1:5). Tsy misy fahefana afa- tsy izay avy amin’Andriamanitra (Romana 13:1).
Toy ny zava-manan’aina voahary, ireo Zanak’Andriamanitra dia ambany laharana, na dia zavatra (substance) iray aza izy ireo. Ireo zanaka ara-fizika (nofo) dia zavatra (substance) hafa, nefa afaka mahazo ny hery sy ny fomban’Andriamanitra (2Petera 1:4), sy manana anjara ho tonga elohim (Zakaria 12:8) ary hahazo ny fiainana mandrakizay (1Jaona 2 :25 ; 5:11).
Ny fankatoavana no fanalahidy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay toy izay nanaporofoan’i Jesosy Kristy (Hebreo 5:6,8,9). Andriamanitra dia nanome fiainana an’i Kristy (Jaona 5:26) sy hery ary fahefana (Efesiana 1:17-23) tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Andriamanitra manome fiainana hoan’ny zavatra rehetra (1Timoty 6:13).
Ny fotom-pampianaran’ny Antikristy dia nampitovina ao amin’ny lahatsoratra marina ao amin’ny 1Jaona 4:1-3, tamin’ny alalan’i Irenée (Ch. 16:8, ANF. Vol. 1, fn. P. 443) Socrate ilay mpanao tantara milaza (VII, 32, p. 381) fa io andininy io dia naodikodin’ireo izay te hampisaraka ny maha-olombelona an’i Jesosy Kristy sy ny fomban’andriamanitra ao aminy.
Ireo Trinitera dia mandà fa Maria dia nanana zanaka hafa, na dia hoe Jesosy aza no zanany lahimatoa (prototokos) (Mat. 1:25 ; KJV). Jesosy no lahimatoa (prototokos) ny zava-boahary rehetra (Kolo. 1:15). Nataon’izy ireo izany mba hametrahana an’i Maria ho toy ny virijiny, tsy firaharahana ny Matio 12:46; 13:55-56 ary Marka 6:3, mba hametrahana ny maha-Andriamanitra azy.
I Kristy no ilay andriamanitra nateraka (Jaona 1:18), ilay nohariana voalohany, ary ilay natsangana voalohany tamin’ny maty.
Talohan’ny Nahatongavany ety an-tany, Kristy dia anisan’ireo tafiky ny anjely, fa taorian’ny fitsanganany, dia nasandratra ho eo amin’ny laharana ambony Izy (Hebreo 1:3-4) araka ny Fanahy masina, izay herin’Andriamanitra.
Ny olombelona dia hitovy amin’ireo anjely (Lioka 20:36). Jesosy dia manaiky antsika eo anatrehan’ireo anjelin’Andriamanitra (Lioka 12:8-9) izay rahalahintsika (Apokalypsy 12:10).
Ny fomban’Andriamanitra dia tafin'i Kristy sy ireo Tafika izay eo ambany fahefan’Andriamanitra. Nanandratra an’i Kristy Andriamanitra, amin’ny fanomezany azy anarana sy fahefana (Filipiana 2:5-11). Noho izany, ilay zo sy fahefana nomen’Andriamanitra an’i Kristy dia tsy azo lavina. Nefa tsy midika fitovian-jo izany. Kristy dia tsy nilaza mihitsy fa Andriamanitra izy, ary nilaza izy fa ny Ray irery ihany no Andriamanitra.
Ny Mesia dia niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra, nefa tsy ‘‘Ilay’’ Andriamanitra Izy. Iray amin’ireo elohim Izy, iray amin’ireo zanak’Andriamanitra, ary nahatoky hatrany tamin’ilay nahary azy Izy (Hebreo 3:2) (litt. : à le (un) faisant lui ; Interlinear de Marshall).
Tsy misy andriamanitra hafa afa-ts’ilay Andriamanitra Tokana sady Marina irery ihany, Izy ilay Andriamanitra sy Rain’i Jesosy-Kristy ary Andriamanitra sy Raintsika rehetra (Jaona 20:17). Nanome an’ireo rehetra izay manaiky Azy Izy ny fahaizana ho tonga zanak’Andriamanitra, ary ho elohim noho izany na theoi. Noho izany Andriamanitra dia Tokana, iray ihany.
Vakio ny fampianarana Ny Fomban’Andriamanitra ao amin’i Kristy (No. 147), izay mandravona ny ankamaroan’ny olana eo amin’ireo Trinitarisma, ary manome ny valiny ara-baiboly.
❑