Christian Churches of God



CCG Christian Churches of God (CCG)

Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra

Mihainoa ry Israel Yahovah Andriamanitsika, Yahovah dia iray ihany. Eloah dia Allah', Allah' dia Eloah. Ho tonga Elohim isika rehetra.




Vaovao Farany

Toriteny mandritra ny herinandro
(amin'ny teny frantsay)


Hafatra Sabata

Recueil de Cantiques Bibliques

 

CCG sur La Bible

Le Plan de Salut

CCG_sur_le_Coran


Armageddon

 

 

social

Autres Sites Web CCG

Christian Churches of God for children

CCG in Africa

History of religion

Abraham's Legacy - history of Abraham

History of nations


 

Tonga soa eto amin'ny Christian Churches of God (CCG)

(Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra)

Ny Fiangonana Kristianina an’Andriamanitra (CCG) dia fikambanana iraisam-pirenena izay misy konferansy any Aostralia, any Amerika Avaratra sy Atsimo, any Eorôpa, any Afrika sy any Azia. CCG dia an’isany sampana lehibe indrindra amin’ny Fiangonan’Andriamanitra môderina (na maoderina) ary mampahafantatra ny hafatra momba ny fotoana farany voalaza ao amin’ny Soratra Masina. 

CCG dia manaraka ny fampianarana voalohan’ny Fiangonana naorin’i Kristy sy ny apostoly. Ireo fampianarana ireo dia ao amin’ny Ny Fitahirizana ny Finoana Kristianina (A1) izay eken’ny mpikambana rehetra. 

CCG dia mitandrina ny Andro Masina izay mifanaraka amin’ny Alimanakan’Andriamanitra ary fantatra eran’izao tontolo izao toy ny manam-pahefana amin’ny alimanakan’ny tempoly taloha (jereo Ny Alimanakan’Andriamanitra (No. 156). CCG mitandrina ny andro Sabata, ny Voaloham-bolana, sy ny Fetin’Andriamanitra araka ny sistema fifanandrifian’ny volana amin’ny masoandro izay notandreman’ny Fiangonana tamin’ny taonjato voalohany ary notandremana tao amin’ny Tempoly. 

Ny Lalam-panorenan’ny Fiangonana Kristianina an’Andriamanitra (CCG) dia manazava ny tanjona, ny drafitra ary ny fandraharahana ny Fiangonana. 

CCG dia natao ho mpanome fampianarana araka ny Soratra Masina izay ampy fitaovam-panovozan-kevitra sady aram-pahaizana tsara, izay manazava tsara ny Finoana voalohan’ny Fiangonana Kristianina fampianaran’I Mesia sy ny Apostoly. Ny Fiangonana Kristianina an’Andriamanitra (CCG) dia maneho antsipiriany ny Fiandohan’ny Fototarazana, ny Tantaran’ny Firenena sy ny Tantaran’ny Fivavahana rehetra samy hafa eto amin’Izao tontolo izao.  

CCG mampianatra fa roa ihany ny sakramenta izay nomen’i Mesia (jereo ny lesona Ny Sakramentan’ny Fiangonana (No 150). Ireo sakrameta ireo dia ny Batisa sy ny ny Sakafon’ny Tompo. 

Ny Apostoly milaza amintsika fa ny Baiboly dia tsy tokony hovoasana araka ny hevitry ny tsirairay. Ny Baiboly dia voazavan’ny Baiboly ihany (Tsy mila fanazavana avy amin’ny hevitra hafa), ary manazava ny faminaniana izay ao aminy koa. Ny asantsika dia ny mamotopototra fa hazavaina ara-tantara marina ny Baiboly, mba hahafantarantsika ny tena hevitra voalohan’ny faminaniana tsirairay. 

Ny literatiora na ny haisoratra fampianarana ara-baiboly na araka ny Soratra Masina izay ataon’ny CCG dia azo atao téléchargement amin’ny (andrefy na) format HTML sy Word. Ireo tahirin-kevitra na taratasy fampianarana ara-baiboly ireo dia fampianarana omena maimaim-poana tsy andoavana vola. Ny sampana famoahana boky ny Fiangonana, CCG Publishing, dia maneho boky fampianarana lalina izay tena ilain’ireo mpianatra sy mpadinika ny fivavahana samy hafa sy ny tantaran’ny fivavahana samy hafa. Misy boky maro nosoratan’ny CCG ary misy boky maro hafa koa izay hita malalaka ao amin’ny Sampana Boky ny CCG ao amin’ny site web. 

CCG dia mitana na mampaharitra marina ny fampianarana araka ny finoana marina nandritry ny  roa arivo taona nanomboka tamin’I Mesia sy ny apostoly, izay momba ny fanisan-taona maron’ny fiangonana (diniho ny fampianarana  Ny asan’ny Didy faha Efatra ao amin’ny Tantaran’Ireo Fiangonan’Andriamanitra izay mitandrina ny Sabata (No. 170)). 

Ny fampianarana araka ny Soratra Masina sy ny tantaran’ny fivavahana samy hafa izay ataon’ireo Fiangonana Kristianina an’Andriamanitra (CCG) dia voadika amin’ny fiteny fampiasana amin’ny fivarotana  eo amin’izao tontolo izao. Ireo fampianarana ireo dia hita ao amin’ny Site amin’ny teny samihafa ny Fiangonana Kristianin’Andriamanitra.

CCG dia manana Komity mpanapaka izay manaramaso azy izay voafidy tamin’ireo mpikambana ao aminy miaraka amin’ny Mpiandraikitra Tanteraka iray sy Mpiandraikitra isam-paritra izay voafidy ho mpintantana tanteraka araka ny Lalam-panorenana. Ny loholona teratany isakin’ny firenena mivory ho Antenimieran’ny Loholona amin’ny Konferansy Iraisam-pirenena izay ampian’ireo Mpitantsoratra na Secretera Jeneraly. CCG mikambana amin'ny fiangonana maro izay miara miasa aminy. 

CCG dia tsy manome karama an’iza n’iza miasa ho an’ny fiangonana toy ny minisitra na ny pasitora na ny pretra. Ny asa karamaina dia asa manokana indrindra. Ny minisitra azo ampiasana hokaramaina fa kosa noho izany, dia tsy mahazo ho anisan’ny sampana rehetra izay miandraikitra ny Fiangonana izy. Ny asan’ny misionera dia sahanin’ny foiben’ny Konferansy Iraisam-pirenena izay mampifandrindra an’izany. 

Ny marika (logo) sy ny faneva (drapeau) ny CCG dia famantarana na simboly ny finoan’ny CCG. Raha te hahafantatra bebe kokoa ny momba ireo dia tsindrio eto logo et le drapeau de CCG.

CCG dia tarihin’ny mpiandraikitra voafidy, ary ny dian’ny Loholona sy ny Diakona dia hita ao amin’ny lahatsoratra na pejy ny "Officiers de CCG". Azonareo jerena koa ny dian’ireo mpaneho sy mpampiely ny fampianarana amin'ny media (radio sns).

Ny hevitry ny CCG momba ny Wikipedia.

 

 

La sainteté d'une nation réside dans sa loi-structure.
Là où les Lois de Dieu sont appliquées, et la vraie foi protégée,

il existe une nation sainte.

 




Mihainoa ry Israel Yahovah Andriamanitsika, Yahovah dia iray ihany. Eloah dia Allah', Allah' dia Eloah. Ho tonga Elohim isika rehetra.

© 1996 - 2021 Christian Churches of God, all rights reserved
Le matériel sur ce site web ne doit pas être reproduit, traduit ou édité d'aucune façon sans la permission expresse de CCG sauf si la permission est accordée de reproduire le message en entier dans son format CCG.